Raha toa ka mihoatra sisintany ireo hevitra tsara, ity iray ity dia bisikileta no nanaovany azy. Izany dia, nataon'ny Bicicloteca [pt], bisikileta iray izay mitondra famakiam-boky kely mamakivaky ny tanànan'i São Paulo, Brezila.
Io tetikasa io dia hevitra vaovao sy mavitrika mba hamporisihana ny famakiam-boky, natao manokana ho an'ny olona izay monina eny an-dàlam-be, satria mazàna ny trano famakiam-boky dia mitaky karatra famantarana na taratasy fanamarinam-ponenana raha hampindrana boky ; taratasy izay tsy ananan'ny tsy manan-kialofana.
Ny foto-kevitra Bicicloteca dia teraka avy amin'io filàna io mihitsy sady nahazo ny fanohanan'ny mponin'i São Paulo, ny haino aman-jery ary ireo mpandraharaha. Amin'ny volana Aogositra 2012 no feno herintaona ny fizaràna boky sy ny famporisihina hamaky boky.

Ny Bicicloteca any Praça da Sé, São Paulo. Sary avy amin'i GreenMobility amin'ny Flickr (CC BY-NC 2.0)
Robson Mendonça, mpiasan'ny trano famakiam-boky, 61 taona, izay efa niaina teny an-dàlam-ben'i São Paulo no manodina ny Bicicloteca. Ny famakiana ny tantara Animal Farm na Fiompiana Biby nosoratan'i George Orwell no zavatra nanaitra ny fiovàny, manova ny tanjony ary manaporofo fa mampivoatra ny fiainan'ny olona ny famakiam-boky.
Robson Mendonça dia mamela io làlana io hisokatra mba hahafahan'ny hafa manaraka azy, mivezivezy eny an-dàlam-be miaraka amin'ireo mpivarotra ny gazety boky Ocas [pt], izay efa noresahana teto tanaty lahatsoratra hafa , na tamin'ny alàlan'ny Movimento Estadual da População em Situação de Rua (Hetsiky ataon'ny Fanjakana ho an'ny Tsy Manan-kialofana), izay tarihin'i Mendonça ary mpisolo vava ireo tsy manan-kialofana an'arivony.
Ity lahatsary eto ambany ity dia mampiseho ny Bicicloteca am-perin'asa ao São Paulo :
Io asa io dia ampahany amin'ny andraikitry ny Instituto Mobilidade Verde (IMV, Fikambanana Fanetsiketsehana ny Maitso) [pt] ; ONG iray tsy mitady vola fa mifantoka amin'ny fitaovam-pitaterana fanolo sy maharitra ho an'ny tanàna. Ny filohan'ny fikambanana, Lincoln Paiva, dia nampahatsiaro ny fanombohany tamin'ny alàlan'ny mailaka :
A Bicicloteca é um movimento independente que nasceu em diversos lugares do mundo com o objetivo de chegar onde as bibliotecas tradicionais não chegam e da forma mais simples e barata possível. A bicicloteca dos Moradores de rua nasceu depois de um encontro que eu tive com o Robson Mendonça, ex-morador de rua que saiu das ruas depois de ter lido “Revolução dos Bichos”. O instituto doou a primeira bicicloteca e depois vieram outras doadas pela iniciativa privada.
Nandritra ny herintaona niasana, dia nanao fampindramana maherin'ny 107.000 tsy misy antonta-taratasim-panjakana ny Bicicloteca, misintona avy amin'ny angona boky maherin'ny 30.000. Ankehitriny, ny Instituto Mobilidade Verde dia manara-maso ny asa sy ny fanitarana azy io ho any amin'ny ONG hafa liana hanao io asa io. Mampindrana boky Braille (soratra ho an'ny jamba) ho an'ny tsy mahita tsara ihany koa ny Bicicloteca, mikarakara hetsika eny amin'ny toerana ho an'ny daholobe sy fitsangatsanganana mizaha tantara manerana ny arabe .
Nisy fiantraikany tsara io asa io, ary ohatra amin'ny fankatoavana azy dia izy sy ny IMV nahazo ny Prêmio Cidadão Sustentável (Valisoa ho an'ny Mponina Maharitra ) [pt] amin'ny sokajin'ny Tontolo iainana sy ny Kolontsaina .
Na dia manoloana ny fahasamihafana izay mety hitondra fifaranana ho an'ny asa aza, dia nampiseho ny hatsaram-panahiny sy ny fanajàny ireo mponina rehetra ao São Paulo. Tamin'ny Septambra 2011, nisy nangalatra ilay Bicicloteca, fa ny fiantraikany lehibe tamin'ny nataon'ny haino aman-jery tao an-toerana dia nanamora ny famerenana ilay fitaovana. Io fahasamihafana io no nivoatra ho fanetsehana ny Movere [pt], vovonana iray fanangonam-bola manakaiky ny daholobe ety amin'ny aterineto. Nampiasaina mba hanangonana 12.000 reais, hananganana Bicicloteca roa ity lahatsary eto ambany ity :
Manohy manavao, ny Bicicloteca dia mitondra fidirana maimaim-poana amin'ny aterineto mandeha amin'ny herin'ny masoandro ihany koa amin'izay rehetra alehany. Ary tsy ho an'ny tsy manan-kialofana ihany izany. Tsy misy teritery, manome fahalalahana ho an'ny daholobe amin'ny vaovao, fialam-boly sy kolontsaina ho an'ny olon-drehetra, mpiasa sy mpianatra.
Any Brezila, na aiza na aiza alehan'ny Bicicloteca dia hafatra entiny ny hoe afaka manova fiainana ny boky. Amin'ny fiheverana mitovy amin'izay ihany, ny fikambanana Trano Famakiam-boky Tsy Voafetran-tsisintany, ohatra, dia manome fahafahana mamaky boky ho an'ny olona mijaly sy mila izany any Haiti, amin'ny fananganana tranomboky mandehandeha ho an'ny mponina ao an-toerana. Manana velarana ampy izao tontolo izao ho an'ireo fahaiza-mamorona tranomboky manakaiky ny olona.