Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

25 Aogositra 2012

Tantara tamin'ny 25 Aogositra 2012

Antso Misokatra Ho An'ny Fandraisana Anjara Anatin'Ireo Atrikasa Mikasika Ny Fitaovana Dizitaly Ho Amin'ny Fiovàna Ara-tsosialy Any Goatemalà Sy Nikaragoà

Rising Voices

Ny Rising Voices dia faly miara-miasa amin'ireo atrikasa roa ho tanterahana any Nikaragoà sy Goatemalà ho an'ny tanora mampiasa ny media dizitaly ho amin'ny fiovàna ara-tsosialy. Miaraka amin'ny mpiara-miasa aminay, Hivos sy ny mpikarakara ny atrikasa, Dialogía, hampivondrona ny tanora manodidina ny 18-25 taona eo ho eo ireo "toby" ireo...

Hong Kong: Olompirenena Manaisotra Ireo Kanetim-Plastika Nitondraka Nandritra Ny Rivodoza

Mihoatra ny 150 taonina ny kanetim-plastika novokarin'ny SINOPEC no nitondraka tany an-dranomasina rehefa niditra tao Hong Kong ny rivodoza (Typhoon) Vicente tamin'ny 23 Jolay 2012. Saingy sady tsy nilaza ny toe-draharaha tamin'ny olona ny fitondrana ao Hong Kong no tsy nandray ny andraikitra hanao ny fanadiovana mandra-pahitan'ny olo-tsotra ny kanetim-plastika nanemotra ny tora-pasika...

Brezila: Bisikileta Mitondra Boky Ho An'ny Tsy Manan-kialofana

Raha toa ka mihoatra sisintany ireo hevitra tsara, ity iray ity dia bisikileta no nanaovany azy. Izany dia, nataon'ny Bicicloteca [pt], bisikileta iray izay mitondra famakiam-boky kely mamakivaky ny tanànan'i São Paulo, Brezila.

Zambia: Ravan'ny Polisy Mialoha Ny Fanafihana Fankahalana Vahiny Saika Natao Tamin'ireo Kongole Mpivarotra

Nanakana izay azo lazaina ho valifaty mety nitarika fahafatesana maro sy fanafihana noho ny fankahalana teratany vahiny saiky natao an'ireo teratany avy amin'ny mpiray vodirindrina aminy, Repoblika Demokratikan'i Kongo, monina any Zambia, taorian'ny fandoran-ko faty ny mpamily Zambiana iray tany amin'ny tanàna Kongole any amin'ny sisintany any Kasumbalesa, izay nahatafiditra...

Frantsa: Ethylotest Tsy Maintsy Atao Hisorohana Ny Alikaola Eny Am-pamiliana Fiara

Manomboka ny 1 Jolay 2012, ny mpamily fiara misy maotera rehetra ao Frantsa dia tsy maintsy mandalo 'éthylotest' daholo araka ny didim-panjakana nivoaka tao amin'ny Gazetim-panjakana tamin'ny Alakamisy 01 Martsa 2012. Io fepetra io dia heverina hampihena ny isan'ny loza aterak'ireo mpamify tsy ampy fiheverana domelin'ny alikaola. Maneho hevitra momba...

Ny Torolàlan'ny EFF ‘Hitandroana Ny Vohikalanao Mba Hitohy Handeha’

GV Mpisolovava

Manome paikady raitra hitandroana ny vohikala iray 'handeha' manoloana ny fanafihana amin'ny fandàvana ny tolotra ny torolàlana vaovaon'ny EFF, ny 'Fitandroana ny Vohikalanao Handeha' .

“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Copyright Sy Fahalalahana Miteny Ao Anaty Atetineto

GV Mpisolovava

Anatin'ity sehatry ny fanentanana "Aza matahotra ny Aterneto" [es] ity dia hifantoka amin'ny fomba hahatongavan'ireo lalàna sasany momba ny copyright sy ireo fomba fanao hanakivy ny fampiasàna ny Aterineto ho an'ny fanehoan-kevitra. Ireto misy valinteny dimy fampidirana ho an'ny olana iray nampiray ireo mafàna fo eran-tany hiady amin'ny SOPA, ACTA,...