Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Lalao Olaimpika Ao Londona 2012.
Torian'ny nandaozany ny lalao Olaimpika, ireo atleta vehivavy Saodiana sady voalohany teo amin'ny tantaran'ny fanatanjahan-tena Saodiana, i Sarah Attar sy Wojdan Shahrkhani dia nahazo vava ratsy tao amin'ny tontolon'ny Twitter Saodiana .
Rehefa tonga farany tamin'ny 800 metatra vehivavy, dia nahazo tehaka nirefodrefotra tamin'ireo mpijery i Sarah – ary lasa lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter ny anarany.
Aingam-panahy
Ity ambany ity misy santionany tamin'ny bitsika mitondra fanohanana avy amin'ireo Saodiana mpampiasa Twitter ho an'ireo atleta roa ireo:
Manoratra i Ali Khadra:
@aykcanvas: tsy voatery ho volamena foana ange e! Mbola lehibe lavitra noho izany ny vitanao. Misaotra anareo #SaraAttar #Wejdan #Wijdan. Misaotra anao #KSA. Aleo tara toy izay tsy misy #2012Olympics
Feno hafaliana i Bader Aljehani:
@BooDzJ: #SaraAttar #SaraAttar, tena reharehanay ianao sy Wijdan mihoatra noho izay ao anatin'ny Ekipa Saodiana!
Ary manome toky i Nada Abu fa:
@NadaAbu: Ho hitanao eo amin'ny sary aho indray andro any. Misaotra amin'ilay aingam-panahy#SaraAttar http://twitpic.com/agw7nn
Nanala baraka anay ianao!
Etsy ankilany, ny sasany amin'ireo Saodiana mpampiasa Twitter dia tsy mankasitraka ny fandraisan'anjaran'ireo atleta roa ireo, manome tsiny ny fianakavian'izy ireo sy ny fanjakana noho ny famelàna azy ireo “hampidina ambany” ny anaran'ny Fanjakana sy ny lazany.
Anisan'izy ireo ny mpampiasa Twitter, Faisal Abuthnain, izy manoratra [ar] ity :
Tohina i ZaibB rehefa novakiany teo amin'ny tenifototra natolotra ho an'ireo atleta roa ireo ka sosotra izy:
@ZainB:مسكينة #وجدان_شهرخاني دخلت الهاشتاق فوجدتها تتعرض لثلاث انواع من العنصرية: ١- العنصرية المناطقية ٢- العنصرية القبلية ٣- العنصرية ضد المرأة
Mitsikera ny Dr. Mahammad Albarrak:
@mohamdalbarrak:أشد من فعل المنكر أن يدافع الإنسان عنه ويعتبره معروفا ويحاول جاهدا أن يبحث له عن مبررات مثل الذين يدافعون عن #سارة_العطار و #وجدان_شهرخاني
Farany, miezaka manamarin-tena i Nourah:
@noura_aljadaan: Ho an'ireo izay mihomehy an'i #SaraAttar aza adinoina fa ny sekoly aty tsy mampianatra fanatanjahan-tena ho an'ny ankizivavy, noho izany ny fandehanana any dia fahombiazana
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Lalao Olaimpika Ao Londona 2012.