Tantara tamin'ny 21 Aogositra 2012
Etazonia: Midika Inona Ho An'ny Olona Miteny Espaniola i Paul Ryan
Hatramin'ny andro nisafidianan'ilay Repoblikana mihazakazaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena, Mitt Romney, an'i Paul Ryan mpikambana ao amin'ny Kaongresy ao Wisconsin, ho mpiray lisitra aminy, goavana tokoa ny fandrakofan'ireo mpampahalala vaovao an'izany, na mpomba, na mpanohitra ilay fanapahan-kevitra.. Vitsy no voalaza momba ny fiantraikany teo amin'ny vahoaka tao Etazonia ary indrindra indrindra fa ny vondrom-piarahamonin'ireo miteny Espaniola.
Video: Hetsika Teto Aho – Asa Soa Madinika Manova Izao Tontolo Izao
Andao hiaraka aminay fa hitanay ny fiovan'izao tontolo izao amin'ny alalan'ireo hetsika madinika natao nandritra ny Fanentanana Teto Aho amin'ny Andron'ny Firenena Mikambana Ho amin'ny Fanampiana Mahaolona Manerantany. Fomba iray...
Ireo Atleta Vehivavy Saodiana – Natao Resa-be Tao Amin'ny Twitter, Taorian'ny Lalao Olympika
Taorian'ny dingana niakarana tany amin'ny lalao Olympika, ireo vehivavy atleta Saodiana, sady voalohany teo amin'ny tantaran'ny fanatanjahan-tena Saodiana, i Sarah Attar sy Wojdan Shahrkhani dia nahazo vava ratsy tao amin'ny tontolon'ny Twitter Saodiana.
Ejipta: Mamantatra Ny Antony Nanalàn'i Morsi Ireo Jeneraly Mpitari-Tafika
Niteraka fihetseham-po isan-karazany ny fanapahan-kevitr'i Mohammed Morsi vao haingana raha nofaranana ny asan’i Mohamed Hussein Tantawi, Filohan’ny Filan-kevitra Faratampon'ny Tafika (SCAF) sy i Sami Anan, Lehiben’ny Tafika Ejipsiana. Namoaka fanambaran-dalàmpanorenena vaovao ihany koa ny filoha izay manamafy ny fahefany.
Thailand: Mandiso Fanantenana Ny Mpankafy Ny Faharesena Tamin'ny Ady Totohondry Olaimpika
Nahazo medaly volafotsy roa sy alimo iray i Thailand tamin'ireo Lalao Olaimpika vao nifarana tsy ela akory izao, natao tao Londona, saingy ny faharesen'ny Tahi iray mpanao ady totohondry no nandiso fanantenana mpankafy marobe izay mihevitra fa tokony ho nomena an'i Thailand ny medaly volamena.