Jordania: Zo Fototry Ny Vehivavy Ho Amin'ny Fahamendrehana Sy Ny Fifamatorana Sosialy

Mahery ny olona 200 no namorona rojon'olombelona tany amin'ireo araben'i Amman ny harivan'ny Alatsinainy 25 Jona 2012, mitazona sora-baventy maneho ny fijoroana manohitra ireo heloka bevava , amin'ny anaran'ny voninahitra, fanaovana antsojay, fanavakavahana fihaviana manoloana ireo zanaky ny vehivavy Jordaniana, ary ireo mpanolana nomena fahafahana hanambady ny nampiharany ny habibiany mba hialàna ny fitsarana.

Amman, 25 Jona 2012. rojon'olombolona ho an'ny fahamendrehana.
Sary an'i KarmaT.

Tsy mahakasika ahy ny voninahitrao. Ho an'ny tsirairay, samy manana ny voninahiny.
Sary an'i Andareee.

Nahitàna fanambarana am-polony natao ho fangatahana ny fanovàna ireo lalàna, fanovàna ny toe-tsaina, famisavisàna ny filana ny zon'ny vehivavy izay miantraika amin'ny firaiketan'ny fiarahamonina ho iray, sy ny fanekena ny filàna fanovàna haingana sy goavana any Jordania  ilay fihetsiketsehanà rojon'olombelona mitondra ny foto-kevitra زيّي زيّك (Ar)  (Tsy Misy Mahasamihafa Ahy Sy Anao).

Tarihan'ilay hetsika malaza Ayna Naqef (Aiza Ho Aiza Isika Izao? fanentanana iray No Honor In Crime Tsy misy voninahitra anaty heloka bevava izany), ahitàna ny Jordaniana Ny Reniko Ary Zoko Ny Zom-pireneny, sy ny Mush Shatara (Tsy Milay Kosa Izany), ary ny Manohitra ny lalàna 308 amin'ny lalàna fanasaziana Jordaniana, ary koa ireo olon-tsotra mahaleotena voakasika amin'izany io fiaraha-miasa io.

Anatina naoty fandrindrana, nanoratra ny mpiahy ny hetsika, Toleen Touq, izay nanafàna ilay rojon'olombelona hoe :

Vondrom-behivavy sy lehilahy isika, ny sasany mahaleotena, ary ny hafa avy amin'ireo fanentananà vondrom-piarahamonina, nifanome tànana hanatontosa rojon'olombelona izay mikasa ny fandàvana iraisan'ny rehetra  ireo endrikanà fanavakavahana rehetra manoloana ny vehivavy any Jordania.

Jordaniana ny reniko, zoko ny zom-pîreneny.
Sary an'i Frekeeh.

Nitoraka bilaogy i Roba Al-Assi tao amin'ny AndFarAway:

Mamelà ahy hampatsiahy anao fa ato anatin'ny firenentsika, ny rafitra dia mamela an-kalalahana ny lehilahy iray hanolana izay zazavavy hitany eny an-dalana eny sy hanafina ny helony amin'ny fanambadiany azy avy eo.

Mamelà ahy hampatsiahy anao fa ato anatin'ny firenentsika, maherin'ny 112 ireo vehivavy Jordaniana maty novonoin'ny fianakaviany ihany tamin'ny fomba feno fahabibiana noho ny “voninahitra” tanatin'ireo 10 taona lasa. Mazava ho azy, mandefitra izany tsara ny lalàna famaizana aty amintsika.

Mamelà ahy hampatsiahy anao fa ato anatin'ny firenentsika, manavakavaka ny vehivavy ny lalàna, tsy rariny, ary mahihitra, noho izany dia tsy afaka mizaka ny zom-pireneko ireo zanako noho izaho vehivavy fotsiny ihany.

Mamelà ahy hampatsiahy anao fa ato anatin'ny firenentsika, amin'ny maha-vehivavy, misy fiantraikany amin'ny aintsika sy ny fananantsika ireo an-dalàna faha-97, 98, 100, 340, ary 345 ato anatin'ny firenentsika.

Mamelà ahy hampatsiahy anao fa ato anatin'ny firenentsika, navadiky ny olona ho fanatohitohinana ny finoana ny teny  hoe “voninahitra”  .

Miresaka momba ilay rojon'olombelona ao anatin'ity lahatsarin'ny AmmonNews ity (Ar) i Rozan Khalifeh avy amin'ny No Honor In Crime:

Ny ankamaroan'ireo tonga nanatrika teto androany dia  tanoravavy, lehilahy, ireo renim-pianakaviana efa zokinjokiny ary raim-pianakaviana avy any amin'ny faravodilanitra rehetra ao anatin'ny fiarahamonina Jordaniana. Tonga eto isika handà ny hetsika fandratrana ny vehivavy, sy ireo lalàna rehetra manavakavaka ny vehivavy. Mijoro eto isika rehetra mba hifanohanana sy handray anjara anatin'ireo fihetsiketsehana izay manohana ny zon'ny vehivavy. Nisy mpandalo vitsivitsy ihany koa nanajanona ny fiaran'izy ireo ary naneho ny firaisan-kinany taminay. Mifandraika amin'ireo toe-tsaina ara-tsosialy ary hatramin'ny lalàna ny antsonay amin'ny tokony hihetsehana. Na dia anatina tetikasa sy hetsika izay samy mahaleotena aza ny sasany aminay, nanapa-kevitra ny hiombon-kery izahay ho amin'ireo ezaka manokana, tahaka ny rojon'olombelona androany, mba hanatanterahana tsara kokoa ny tanjonay sy hanamafy ny feonay ara-dalàna ho heno hatrany amin'ny trano fivorian'ny solotenam-bahoaka.

Antsipirihany bebe kokoa ao anatin'ity tatitra an-dahatsary avy amin'ny AlGhad TV (Ar) ity.

Topazo maso ireo sary sy teny faneva noraketin'i Roba ao amin'ny bilaoginy, ny rakitsarin'ny No Honor In Crime ary ny rakitsarin'ny bilagin'i Frekeeh eto.

Aza aty amiko no ariana ny sorisorinao ara-nofo  (havia).
Tsy tsara ny manao feon-tsaka sy midiridiry aty amiko (havanana).
Sary an'i Saleh Thaher.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.