Ejipta: Fahadisoam-panantenana tamin'ny adihevitra voalohany nifanaovan'ireo kandidà filoham-pirenena
Tamin'ny 10 may 2012, nifantoka nanoloana ny fahitalavitra ny Ejiptiana nanaraka ny adi-hevitra voalohany nifanaovan'ireo mpilatsaka hofidiana filoham-pirenena anankiroa matanjaka indrindra , Amr Moussa sy Abdel Moneim Aboul Fotouh.
Na izany aza anefa, tsy io akory no adihevitra voalohany tany amin'ny tany Arabo, fa efa nisy ohatra tany Maoritania tamin'ny 2007 nifanaovan'i Sidi Ould Cheikh Abdallahi syAhmed Ould Daddah.
Naharitra adin'ny 3 ny ady hevitra ary notarihan'ireo mpiasan'ny fahitalavitra Yorsi sy Mona El Shazy sady nalefa koa tao amin'ny fahitalavitra tsy miankina ONTV sy Dream TV tany an-toerana – ny mampihomehy dia tsy nandeha tamin'ny fahitalavi-panjakana izy ity. Nilaza ny heviny mikasika ny ady hevitra ireo mpiserasera twitter ary nampiasa ny #monazarat.
Ireo mpifaninana anankiroa nifandray tànana. Sary nalefan'i @SultanAlQassemi
Tara ny fanombohana vokatry ny fitohanan'ny fifamoivoizana. Ben Wedeman, mpanao gazety ao amin'ny CNN niserasera tamin'ny twitter:
@bencnn: Tara fahatongavana i Aboulfotouh vokatry ny #fitohan'ny fifamoivoizana? Tsy misy resaka izay rehetra mifaninana aminy eo, #mandresy foana ny fitohanan'ny fifamoivoizana. #monazarat #Egypt
Nomarihan'ny maro koa ny andiana dokambarotra lava dia lava nalefa alohan'ny adihevitra sy nandritra ny fialan-tsasatra kely. Niserasera tamin'ny twitter koa ilay mpanao gazety ao amin'ny New York Times, Robert Mackey:
@RobertMackey: Tsy fantatro ny nisintona an'i Ejipta ny #monazarat hividy ao anatin'ny demokrasia, fa ny fandehanan'ny filazana sy dokambarotra no nanintona ahy hividy Twix.
Nametrahana fanontaniana maro ireo mpilatsaka ho fidiana toy ny mikasika ny zon'olombelona, ny fahasalamana, ekonomia, ny fifandraisana amin'ny any ivelany, ny lalàna silamo ary ny anjara asan'ny tafika. Nanontaniana azy ireo na dia ny fananany sy ny toe-pahasalamany aza.
Nalefan'ny Ejipsiana sy ny mponina eo amin'ny faritra manodidina tamin'ny twitter ny valintenin'ireo mpilatsaka hofidiana.
Ny fanontaniana voalohany dia mikasika ny nofinofiny amin'ny ho avin'i Ejipta; nalefan'i Sultan Al Qassemi avy any Emirat, sy ilay Ejipsiana Dalia Ezzat ny valiny:
@SultanAlQassemi: Ny ho avin'i Ejipta- Amr Moussa: fanjakana tan-dalàna ary mamaly ny hetahetan'ny mponina ao aminy#monazarat
@DaliaEzzat_: Abuel Fottouh : sakafo, fahafahana, fiandrianana ary fahamarinana. Naverimberiny ny teny nampiasaina ho tarigetran'ny fanoherana tany an-toerana#Monazarat
Ilay blaogera Iyad El-Baghdadi mamintina ny maika amin'izy ireo:
@iyad_elbaghdadi: Abulfutouh vs. Mousa: ny voalohany mametraka ny demokrasia, lalàna silamo ary fandriampahalemana ; ny faharoa mametraka ny fandriampahalemana, demokrasia, ary Islamo. #Monazarat
Raha ny mikasika ny fomba nitantanan-dry zareo ny hetsika Abbassiya, dia ao amin'ny twitter nampitain'i Sultan Al Qassemi ny valintenin'i Moussa:
@SultanAlQassemi: Raha ny hetsika Abbassiya – Amr Moussa: Tsy hiandry ny maha filoham-pirenena ahy aho, fa avy hatrany dia miantso ny mpitandro ny filaminana hihetsika#monazarat
Tonga dia namaly tamin-kery kosa i Aboul Fotouh , nalefan'ilay Ejiptiana Bassem Sabry:
@Bassem_Sabry: Fotouh: Raha toa ka izaho no efa filoha mpintantana dia tsy nisy akory izany hetsika izany, tsy maintsy arovana ny zon'ny mpanao fanoherana sy mitokona – #Monazarat
Raha ny momba an'i Israely indray, AboulFotouh nanome valinteny mazava sy mahitsy i Aboul Fotouh, nalefan'ilay mpampianatra Ejiptiana Rasha Abdullah:
@RashaAbdulla Aboul Fotouh: Fahavalo i Israely, miaraka amin'ny fitaovam-piadiana nokleary 200 sy ny tantarany malaza amin'ny fanjanahana sy fanaovana herisetra #monazarat
Moussa kosa etsy ankilany, nanome valinteny tsy dia mihantsy ady loatra ary diplaomatika kokoa, nolaviny ny hamaly ny fanontaniana mikasika ny hoe fahavalo i Israely:
@iyad_elbaghdadi: Mousa: Miangavy aho ny hijerentsika ny fifanarahana nifanaovantsika tamin'i Isiraely, ary tsindriako manokana ny fitadiavana vahaolana eo amin'ny firenena roa tonta. #Monazarat
Farany, mikasika ny antony hifidianan'ny mpifidy azy ireo, dia toy izao ny valinteniny:
@SultanAlQassemi: AF: Fidio aho satria havondroko daholo ny mponina amin'ny faritra rehetra. Aza mifidy an'i Moussa satria tsy nanohana ny fanoherana izy#Monazarat
@ahauslohner: Moussa: Fidio aho satria efa ampy traikefa ary efa nasehoko anareo izany. Ao anatin'ny krizy i Ejipta ary mila olona manana traikefa hitantana azy. #monazarat
Nifantoka tamin'ny lesoka hitany amin'ny ankilany avy izy roalahy. Moussa, izay minisitry ny raharaham-bahiny tamin'ny andron'i Moubarak sady Sekretera Jeneralin'ny Ligy Arabo, tifirin'ny Aboul Fotouh amin'ny maha mpikambana azy efa hatramin'ny elabe ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana, ary i Aboul Fotouh kosa enjehan'i Moussa amin'ny maha olon'ny fitondrana teo aloha azy.
Iyad El-Baghdadi sy Dalia Ezzat mamintina ny hery sy ny sosonkevitr'ireo mpifaninana hofidiana roalahy:
@iyad_elbaghdadi: Abdulfutouh miankina amin'ny fahaizany manangona ny vahoaka nitolona rehetra. moussa miankina amin'ny traikefany. #Monazarat
@DaliaEzzat_: Ny adihevitra amin'ny teny fohy: Tena Ikhwani ianareo! [Mpikambana ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana] Sa tsy izany? Tena felool [olon'ny fitondrana teo aloha] ary mbola mpikambana ao amin'ny fitondrana aloan'ny vahoaka ihany koa. #Fail
Tsy dia mazava loatra ny valintenin'i Moussa sady ohatry ny mirehareha sy manambony tena izy, fa ny an'i Abolu Fotouh kosa mazava tsara, sady tony tsara izy no azo tsara izay ambarany. Jenana Moussa, mpanao gazety ao amin'ny Al Aan TV, niserasera tao amin'ny twitter:
@jenanmoussa: nanambany an'i Abdul El Fotouh i Moussa. Heveriny fa ambony sy tena zavatra izy. Tsy tiako ny toetrany #Monazarat
Ilay mpiserasera amin'ny twitter The Ess mamintina ny zava-bitan'izy roalahy:
@Nadesque: #Moussa : valinteny tsy dia manao ahoana, fihantsiana mahery vaika. #AbulFutouh : valinteny tsara, fihantsiana malemy. #Monazarat
Mpifidy maro no manantena fa ampy hahalalan'izy ireo bebe kokoa momba ireo mpifaninana hofidiana sy ny tetikasany amin'ny ho avy iny adihevitra iny. Menatallah Essam nandefa tao amin'ny twitter ny fahadisoam-panantenany, sy ny an'ireo olona marobe, ny amin'ny vokatry ny adihevitra:
@mentos_391: ny zavatra tena niriako dia ny hilazan'ny mpifaninana tsirairay ny tetikasany hampandroso amin'ny ho avy fa tsy ny hitsikera ny fahalemen'ny anankiray. #monazarat
Niova hevitra kosa ireo mpifidy hafa amin'izay mpifaninana hofidiany rehefa vita ny adihevitra, ary ny sasany aza mihevitra ny hifidy mpifaninana hafa mihitsy. Abdel-Rahman Khaled niserasera twitter:
اللي هيطلع كسبان من ال #مناظرة_الرئاسة دي هو #حمدين_صباحي
Ilay blaogera Ruwayda Mustafah namoaka ny ady hevitra tamin'ny kapila mangirana: andiany 1, andiany 2 ary fehiny. Ilay blaogera Mostafa Hussein kosa nandika ny adihevitra. Azonao arahana ao amin'nyYouTube ny ady hevitra rehetra.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...