منذ أكثر من سنة و جرحى الثورة التونسية يعانون من اهمال و لا مبالاة أولئك الذين توالوا على دفّة الحكم من مسؤولي حكومات مؤقّتة. فتعدّدت المبرّرات و تنوّعت و كأنّ العلاج و حلّ المشاكل الصحية لمن ضحّوا في سبيل الوطن و يحتمل الانتظار , فتذرّعت كلّ حكومة باسباب واهية فمن الحكومات من تعلّلت بأنّها وقتيّة و لا تملك الصلوحيّات الكاملة لاتخاذ التدابير اللازمة لعلاج هؤلاء الأبطال الذين واجهوا عنف البوليس و عرّضوا أجسادهم للرصاص الحيّ حالمين بتغيير أحوال البلاد فلجأ بعض الجرحى الأبطال الى النضال بأجسادهم مرّة أخرى ليضمنوا حقّهم الشرعيّ في العلاج و هو أبسط ما يمكن أن نقدّمه لهم فدخلوا في اضراب مفتوح عن الطعام قبيل الانتخابات بفترة قصيرة و ذلك بعد أن طرقوا جميع الأبواب التي أوصدت في وجوهم مرات و مرات.
Nihoatra ny herintaona mahery izay, niaritra ny fanaovana tsinontsinona sy ny tsy firaharahian’ireo nahazo ny fahefana, izay tsy iza fa ireo manampahefana ao amin'ny governemanta vonjimaika, ireo naratra nandritra ny revolisionna tany tonizia. Miovaova sy tsy mitsaha-mitombo ny fanamarinan-tena toy ny hoe afaka miandry ny fikarakarana sy famahana ny olana ara-pahasalamana mahazo ireo nanao ny ainy tsy ho zavatra ho an’ny firenena. Samy milaza ny antonantony ny governemanta tsirairay, ao ny milaza fa mbola manampahefana vonjimaika ka tsy manana fahefana handray fepetra ilaina hikarakarana ny maherifo sahy niatrika ny herisetran’ny polisy sy ny balany, manofinofy ny hanatsaràna ny firenena. Nampiasa ny vatatenany indray ny maro amin'ireo maherifo naratra hiantohana ny zon’izy ireo ara-drariny hahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo, sy ny zavatra tsotra indrindra azontsika atolotra azy ireo. Rehefa avy nandondom-baravarana hatraiza hatraiza nefa akatontsika aminy hatrany hatrany izany dia indreo ry zareo nitokona tsy hihinan-kanina [ar], taloha kelin'ny fifidianana.
Fitokonan’ny fianakavian’ ny naratra nandritra ny revolisionna. Sary: machhad.com (CC ND 3.0 PAR-NC).
Saripika machhad.com (CC BY-NC-ND 3.0).Tarek Dziri sy ny Miozolomana Bin Fraj Kasdallah nandrahona ny handoro tena manoloana ny Antenimieram-Panorenana tamin’ny 18 Avril, talohan’ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny andefasana azy ireo any ivelany mba hahazoan’ireo fitsaboana haingana.
Nanoratra tranga iray ilay bilaogera Hada Ana [ar]:
في تونس ما بعد الثورة, يموت جرحى ثورتنا في المستشفيات الغير مجهزة بمعدات قادرة على شفائهم .
اليوم في تونس ما بعد الثورة, و بعد صراع دام 8 أشهر قضها مقعد في فراشه و لا يجد من يتذكره ولا يواسيه في محنته, توفي جريح ثورتنا حسونة بن عمر
Taorian’ny revolisiona tao Tonizia, maty tao amin’ny hopitaly izay tsy nanana fitaovana hikarakarana azy ireo naratra tamin'ny revolisiona. Ankehitriny, valo volana lany teo am-pandriana taty aorian’ny revolisiona Toniziana sy nifankazarany tamin'ny fitaintainany, maty i Hassouna Ben Omar.
Mohamed Bin Tijani El-Hanchi mbola manana bala ao anatin ny vatany. Sary: machhad.com (CC BY-NC-ND 3.0).
Rashad El-Arbi
Nisioka mafy dia mafy momba ilay antokon’ny fitondrana Ennahda i Yassine Ayari:
@yassayari: نواب النهضة بش يداويو جرحى الثورة بالقرأن و النشيد الوطني..
Ho karakarain’ny antokon’ny Ennhda amin'ny Qur’an sy ny hiram-pirenena ireo naratra nandritra ny revolisiona…
وتنشر الصفحات القريبة من النهضة معلومات مثيرة لم نقدر على إثبات مصدرها جاء في بعضها: «من غرائب الثورة التونسية وجود 7 آلاف مطلب فوق مكتب سمير ديلو وزير حقوق الإنسان يدعي أصحابها أنهم جرحوا خلال الثورة، كثير منهم جرحوا في أحداث عنف لا علاقة لها بالثورة، ويجب أن تلاحقهم الدولة من أجل التحيل والابتزاز».
Navoaka tao amin'ny Pejy facebook manana fifandraisana amin'ny Ennadha ity filazana mahaliana izay tsy azonay nohamarinina ny loharanom-baovaony milaza fa “iray amin'izay manavaka ny revolisiona toniziana, ny fisian’ny tranga miisa fito arivo ao amin’ny biraon’ny Samir Dilou, Minisitry ny zon’olombelona. Lazain'ireo mpitaky fa naratra nandritra ny revolisiona ry zareo, nefa betsaka tamin’izy ireo no naratra nandritra ny herisetra tsy misy ifandraisana amin'izany, ka tokony hotorian'ny governemanta ho manao hosoka sy misoloky izy ireo”
Arantin'ny lahatsary manaraka etoana avy amin'i Melomanx ny hetsika mitorevaka (sit-in) ataon'ny lehilahy naratra nandritra ny revolisiona teo anoloan'ny minisitera tetezamitan'ny Zon'olombelona sy ny Fitsarana tamin’ny 26 Martsa 2012
Global Voices dia zakain'ny ezak'ireo mpandray anjara manolo-tena, orina mpanasoa, mpanome sy ireo serivisy mifandraika amin'ny iraka. Raha hijery torohay bebe kokoa miangavy mba vakio ny