Lahatsoratra avy tamin'ny mpanao gazety mpaka sary Ricardo Alcaraz ny gazety-boky an-tserasera 80 Grados tamin'ity herinandro ity no nilazany fa ny filohan'ny oniversite an'i Puerto Rico, Miguel Muñoz no nanasivana ny iray tamin'ireo sariny [es]nokarakarainy noho ny fitsingeranan'ny faha-25 taona nivoahan'ny gazetin'ny oniversite mivoaka isam-bolana Diálogo. Alcaraz sisa no hany mpanao gazety tokana tavela tamin'ireo ekipa tao voalohany tamin'izany.
Izany sary izany dia nopihana nandritra ny grevin'ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i Pôrtô Rikô tamin'ny taona 2010 ary mampiseho sarina polisy mitabataba amina mpianatra vehivavy mila vonjy. Nanambara i Alcaraz fa sahirana ihany ny filohan'ny oniversite tamin'ny nahita voalohany ny sasany tamin'ireo sary:
En estos días está circulando la más reciente edición de Diálogo, cuya portada está dedicada a los 25 años del periódico. En este número estaba supuesto a publicarse en dos de sus páginas un foto-ensayo, con una selección que hice de las imágenes más representativas de mi trabajo en estos 25 años, pero no salió. Fue censurado por la nueva directora de Diálogo, porque el presidente de la Universidad de Puerto Rico (UPR), Miguel Muñoz, objetaba algunas de las fotos incluidas en el ensayo.
Na dia izany aza, taorian'ny dinidinika teo amin'i Alcaraz sy ny talen'ny gazety, niompana tamin'ny sary iray misy ny grevin'ny mpianatra (io ambony io) ny dinidinika, ka nanapa-kevitra nanala ny sary rehetra i Alcaraz:
Se me pidió que la reconsiderara; que si retiraba o cambiaba esta foto, el foto-ensayo se publicaba. Pero me negué, y le dije a la directora que si yo retiraba esa foto con tal de publicar el resto de las imágenes, eso sería faltarme el respeto a mí mismo. Resultado: el ensayo no se publicó.
Nalahelo i Alcaraz fa toy izany ny fanapaha-kevitry ny mpitantana nentina nankalazana ny faha-25 taona nivoahan'ny Diálogo:
Así celebra esta administración universitaria los 25 años del periódico: con la intolerancia y la censura.
Tsy nisy izay tsy nahatsikaritra ny zava-nitranga tamin'i Alcaraz. Olona am-polony no namoaka indray ny sary nosivanina tao amin'ny rindrin'ny Facebook-ny ary nizara ny rohin'ny tantara tamin'ny 80grados tao amin'ny Twitter. Nisy ny firaisankina sy fanehoana fahatezerana faobe.
Tsy mazava ny antony mahatonga ny mpitantana mandà ny famoahana ilay sary, ary nanontany tena i Alcaraz
¿Por qué se le teme tanto a una imagen? ¿Realmente tiene tanta fuerza? ¿Influye tanto? ¿Por qué tanto empeño en impedir que se vea?