Tantara tamin'ny 27 Febroary 2012
Teny: Andro Iraisam-pirenena Ho an'ny Tenin-drazana any Mali
Nankalàza ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny izay tanterahana isan-taona ny 21 Febroary i Mali tany Bamako. Miresaka momba ny fanantenany amin'ny anjara asan'ny teknolojia anatin'ny fanandràtana ny fampiasàna ireo tenin-janatany 13 any Mali ny mpitoraka bilaogy sy mpandray anjara ao amin'ny Rising Voices, Boukary Konaté.
Shily: Mizàra Ny Sarin'Ireo Hetsi-panoherana tany Aysén Ireo Mpampiasa Twitter
Nihanahazo hery ny hetsika sosialy iray izay mitaky hatsaràm-piainana bebe kokoa sy fihenan'ny vidim-piainana any amin'ny Faritr'i Aysén any Patagonia Shiliana. Mampiakatra ny sariny ao amin'ny Twitter ireo vahoakan'i Aysén mba hampisehoana ireo hetsika, fanakànana sy fifandonana izay nitranga nandritra ireo andro vitsy.
Zeorzia: Fampielezan-kevitra Ao Amin'ny Aterineto Mikendry Ny Pejy Facebookin'ny Filoham-pirenena Rosiana
Miaraka amin'ireo miaramila Rosiana mitoby any amin'ireo faritra mpampisarakan'i Abkhazia sy Ossetia Atsimo, an-jatony ireo Zeorziana mitaky ny fialàn'izy ireo ao amin'ny pejy Facebookin'ny filoham-pirenena Rosiana.
Tonizia: Nisafidy Ny Fitantanana Misokatra Amin'ny Alalan'ny Fampielezam-baovao Sosialy Ireo Mpanao Politika sy Solombavambahoaka
Ny fanonganana ny fitondràn'i Ben Ali tamin'ny volana Janoary lasa teo dia nanokatra làlana nampitombo ny fampiasana fampitàm-baovao sosialy any Tonizia. Ankehitriny ireo mpanao politika dia mampiasa ireo fitaovana enjehin'ny fanjakàna ireo, mba hampitàna ny hafany amin'ny vahoaka. Mitatitra amintsika i Ahmed Medien.
Topimaso Maimaika Amin'ireo Tolotra Famatsiana Tetikasa Madinika Ataon'ny Rising Voices
Manomboka any Afghanistan hatrany Zimbabwe, Rising Voices dia nahazo tolotra miisa 1175 avy any amin'ny firenena 124 maneran-tany. Indro misy topimaso maimaika amin'ny fanazavana ara-demografika avy amin'ireo tolotra tetikasa, anisan'izany ireo firenena niaviany, tanjona kendreny, ary ireo teny nampiasainy tao amin'ny fanoritsoritana ny tetikasa. Izany fahasamihafana izany dia mampiseho ny fahalinana sy ny filàna mitondra ny fampielezam-baovaon'olontsotra ho any amin'ireo vondrom-piarahamonina madinika zara raha hita sy re.