Shina: Tsy Mahataitra Ny Fanapahan-kevitry Ny Twitter Hanivan-tena

Ny fanambaran'i Twitter ny Alakamisy teo fa hanomboka hanivana ireo votoaty ao anatiny izy araka ireo lalàna mipetraka, ireo fandrindràna sy ireo politikan'ny firenena tsirairay izay ahitana  mpampiasa Twitter dia narahan'ny rehetra, tsy ireo mpampiasa aterineto Amerikana irery ihany, fa norasahana hatrany lavitra any tahaka an'i Shina.

Na dia mbola voasakana aza ny Twitter any Shina, ireo mpampiasa ny vohikala amin'ny teny Sinoa, vondrona marolafy iray, dia nihetsika faingana mba ho loharano handrisihana ny olona handika [zh] ny fanambaran'ilay orinasa sy hikaroka ny mety ho dikan'izany—ny Twitter.cn, ohatra, na, araka ny vinavinan'i Ai Weiwei, raha tonga ny fotoana hihetsehana hitadiavana sehatra iray vaovao hafa izay manana fanajàna bebe kokoa ho an'ny mpampiasa azy [zh].

Wen Yunchao, mafana fo iray fanta-daza ao amin'ny Aterineto avy any Guangzhou izay ankehitriny dia miasa anatinà fanaovana sesintany ny tenany ao an-toerana ihany any Hong Kong amin'ny maha-mpamokatra anatina foibe TV vaovao azy, dia namoaka ny heviny momba ireo fepetra vaovao fanivanan'i Twitter ao amin'ny kaonty Twitterany (@wenyunchao) ora maro lasa izay:

从推特发布的公告来看,现在是比以前进步了,以前是接到一国政府要求删除推特信息时,全球均不可见,现在是只是该国用户不可见。(1)

1. Avy amin'ny fijerena ny fanambaran'ny Twitter, fivoarana izany. Teo aloha, voafafa ny bitsika iray noho ny fangatahan'ny governemantanà firenena iray, mahatonga na iza na iza tsy ho afaka hahita izany intsony. Ankehitriny, ireo mpampiasa aterineto any amin'izany firenena voafaritra izany ihany no tsy afaka mahita io vaovao voakasika io.

推特新的审查政策不会对现有中文用户产生影响。现在翻墙使用推特的用户,推特很难从技术上认定这些用户来自中国,因此亦无足够的依据屏蔽这些信息在中国的显示(无从显示)。(2)

2. Tsy hisy fiatraikany eo amin'ireo mpampiasa ny teny Sinoa ny politikam-panivanana vaovaon'ny Twitter. Tsy mora ho an'ny Twitter ny hamantatra avy amin'ireo fitaovana teknika hoe iza amin'ireo mpampiasa azy no avy any Shina, satria mila mandalo ny GFW izy ireo mba hidirany ao amin'ny vohikala, izay midika fa tsy hanana fahalalana betsaka ny orinasa hahafantarany hoe iza any Shina no hosakanana tsy hamoaka ny vaovao alefany.

推特想进入中国,至少存在两在不可克服的障碍。一是黑箱的审查机制与透明规则之间的冲突无法解决。除非像谷歌那样以内资公司的方式存在,否则推特屏蔽特定信息将面临用户的诉讼。(3)

3. Raha manapa-kevitra ny hanangana teti-piasana any Shina ny Twitter, misy sakana roa raha kely indrindra mety tsy hahatanteraka izany. Ny voalohany dia tsy misy fomba hamahana ny fifandirana misy eo amin'ireo mpampiodina ny boaty maintin'ny fanivanana  sy ireo fampanarahan-dalàna mangarahara. Raha tsy hoe hanao tahaka ny Google ka hametraka “joint venture”, karazana zana-sampana any Shina, hisy ny fanenjehana amin'ny lalàna ireo mpampiasa rehetra izay voatsimpona amin'izany.

二是推特既然有新浪的政府公关能力,亦无法做到像新浪一样巨量的审查投入。对于中国当局来说,不会允许一个比新浪更宽松的类推特平台在中国提供服务。(4)

4. Ny faharoa dia ny hoe na ohatra aza ka manana tsindrin'entana betsaka – PR (Public Relation, mpikarakara ny serasera amin'ny daholobe) manerana ny governemanta noho ny Sina ny Twitter, tsy mbola afaka loharano sy fitaovana goavana be tahaka an'i Shina ny Twitter hanivànana ireo vaovao. Na ireo manampahefana Sinoa aza tsy hamela sehatra fiadinkevitra tahaka an'i Twitter, misokatra malalaka lavitra noho i Sina, hanome tolotra avy ao anatin'i Shina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.