Mpanao politika maintimolaly Zambiana sady efa nisy fotoana efa diplaomaty natao ho solontena maharitry ny firenena tao amin'ny Firenena Mikambana i Vernon Mwaanga, izay nitafa tao amin'ny radion'olo-tsotra niteny fa tsy tokony hanao tsinontsinona an'i Iran ny Tandrefana satria efa lasa Hery ara-nokleary izy izao.
Nametraka sazy an-katerena tamin'i Iran noho ny fandaharan'asa nokleary voatendry hampihenana ny vola raisiny avy amin'ny solika, fidiram-bolany voalohany [Iran] sy betsaka indrindra, i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana.
Efa nisahana andraikitra maro tao amin'ny governemanta Atoa Mwaanga ka anisan'izany ny minisiteran'ny raharaham-bahiny izay notazoniny nandritra ny fitondran'ny filoha efatra farany tamin'ny dimy efa nitantana ny firenena hatrizay ary efa nitana ny andraikitra masoivoho tany amin'ny firenena maro ihany koa tahaka ny tany amin'ny Firaisana Sovietika tamin'ny fahatanorany, hoy ny Political Crossfire, iray amin'ny radio velomin'olo-tsotra Zambiana ary mandeha amin'ny aterineto. Nolazainy fa tokony hampiditra an'i Iran amin'ny alalan'ny International Atomic Energy Agency [sampana iraisampirenena misahana ny angovo nokleary] na ny Ligy Arabo na fikambanana hafa tahaka ny Firenena Mikambana hifampiraharahana fa tsy ifanandrinana ny Tandrefana.
Nandritra ny tafatafa tamin'ny 7 Janoary, no nilaza tamin'ny alalan'ny antso am-pinday niainga avy tao Lusaka, Zambia ny diplaomaty teo aloha :
Efa nifampiamboho (mifampitodi-damosina hoy isika ankehitriny) hatry ny taona maro i Iran sy ny Tandrefana ary matoky aho fa hahita vahaolana anaty filaminana ry zareo. Tsy safidy intsony ny manao tsinontsinona na ataon'i Iran tsinontsinona.
Nametraka sazy henjana tamin'i Iran noho ny fandaharan'asa nokleary ataony i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana. Nokendrena hampihenana ny vola raisin'i Iran amin'ny solika fidiram-bolany voalohany ny sazy.