Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011.
Malek Mostafa, Ahmed Abd El-Fatah ary Ahmed Harara dia Ejiptiana telo voatifitra teo amin'ny masony teo ampanaovana hetsi-panoherana tao amin'ny kianja Tahrir. Harara dia poaka ny masony haiva nandritra ny fihatsiketsehana nantsoina hoe Andrompahatezerana ony 28 Janoary 2011, nanoherana ny filoha teo aloha Mubarak, ary taty aoriana dia poaka indray ny masony faharoa taorian'ny tifitra nahazo azy nandritra ilay onja faharoan'ny revolisiona nanoherana ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana.
@linawardani: Nandeha namangy an'i Ahmed Harara aho, niteny arahaba aho no sady nanoI said hi and lotra ny tanako, tsy namaly izy, tsy afaka ny hahita ahy satria vaky ny masony iray tamin'ny 28 Jan, ary ny iray tamin'ny 18 nov
Na ireo olon'ny mpitandro filaminan'ity firenena ity izay namono nahafaty na nandratra Ejiptiana an-jatony nandritra ny onja voalohan'ny revolisiona, na ireo izay namerina nanao izany nandritra ny onja faharoa dia samy tsy mbla nisy voasazy. Na izany aza, tato anatin'ny roa andro lasa, ny olona dia nanomboka nizara lahatsary iray mampiseho manampahefan'ny polisy iray mitifitra [ar] ary olona iray midera azy nahavita nikendry tsara ny mason'ny iray tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.
Fitsaram-bahoaka
Nanomgoka hatreto dia nifampizara sary mifanosona ny mpiondana aterineto mampiseho ny endrik'ilay manampahefana ary nanapa-kevitra ny hiroso lalindalina kokoa sy hamoaka ny mombamomba azy

Dikasarin'ny fàfana mampiseho ny endrik'ilay manampahefana. Sary nozarain'i @Sabrology tao amin'ny Twitpic
Taty aoriana kely, ireo mpampiasa Twitter dia nanamafy fa vitan-dry zareo ny namantatra azy [ar]:
Ho toy ny làlana hanalàm-baraka ilay nahavanon-doza sy hamantarana azy, ny olona dia nanaparitaka ihany koa taratasy kely [ar] ary nanao sary graffiti [ar] eny amin'ireo làlana manodidina [ar] mikasika ilay manampahefana miaraka amin'ny anarany sy ny heloka vitany misoratra eo ambany, mangataka ny olona hikaroka azy.
Bilaogy iray hafa no namoaka vaovao misimisy kokoa [ar] mikasika ny eritreretina ho adiresy misy azy, ny laharana findainy [ar] ary ny valisoa omena izay mahavita misambotra azy.
Mifanipaka be ny fomba fijery mikasika izay tokony hatao amin'ilay manampahefana rehefa tratra. Doaa El-Shamy mahita fa ny fampitahioana azy amin'ny fomba tsy misy herisetra no safidy tsara [ar] :
Manome soso-kevitra i Abdelrahman Ayyash [ar]:
Nilaza zava-mahatsikaiky momba ny zava-mitranga i Ahmed Fikry [ar]:
Ny Fikambanana Ejiptiana Mpiaro Zon'Olombelona dia nanapa-kevitra hanenjika araka ny lalàna ilay manampahefana, raha ilay mpampiasa Twitter, @MohHKamel [ar] kosa mino fa ny fizaràna ny mombamomba ilay manampahefana dia heloka ary tokony hatsahatra.
Ny mpampiasa Twitter sasany dia niteny fa tsy marina ilay adiresy nifampizaràn'ny olona [ar].
Ohatra iray hafa amin'ny antso hanaovana fitsaram-bahoaka no nivoaka rehefa nandefa tatitra ireo mpampiasa Twitter toa an-dry @WagdyMez [ar] sy @waelabbas [ar] niampanga toeram-pivarotam-panafody iray izay nandà tsy hanome fanafody ny olona raha vao fantatr'izy ireo fa hoentina ho any amin'ny kianja Tahrir izy ireny, ivon'ny hetsi-panoherana.
Na izany aza, ny mifanohitra tanteraka amin'izay [ar] no notaterin’ ireo [ar] mpampiasa twitter hafa :
Mitoetra foana ny fanontaniana, raha toa ka ny fitsaram-bahoaka no safidy tsara indrindra rehefa tsy mahahovoka ny rafitra napetraky ny lalàna hiarovana ny zon'ny vahoaka. Inoana fa tsy vao ny voalohany tamin'ny toy izany ireo ohatra ato anatin'ity lahatsoratra ity ; Piggipedia (@Piggipedia) dia zatra nanao sarintsarin'ireo mpitandro filaminan'i Hosni Mubarak izay voarohirohy tamin'ny fampijaliana sy famoretana ny tsy mitovy hevitra aminy, amin'ny famoahana ny sarin-dry zareo. Ary tena angamba, tsy mbola ho ny farany amin'ny karazana fitsaram-bahoaka misy aty Ejipta.
Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011.