Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011.
Maherin'ny 100.000 ireo olona voalaza fa ao amin'ny Kianja Tahrir amin'izao fotoana, ary ny polisy sy ny tafika dia mitohy midaroka ny mpanao fihetsiketsehana mangataka ny fitsaharan'ny fitondràna miaramila ao Ejipta. Anaty ady tsy mitsahatra manenjika ireo olona mitam-piadiana miasa ho an'ny governemanta Ejiptiana ireo mpanao fihetsiketsehana hatramin'ny Zoma ary ankehitriny dia mitoetra ho tsy azo hozongozonina ao an-kianja mandra-pivalin'ny fangatahan-dry zareo. Hatreto dia olona 35 no voatatitra fa maty tao anatin'ireo fifandonana.
Anisan'ny fangatahana fototra ny fangatahana ny hisian'ny governemanta sivily, hisolo toerana ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana / Supreme Council for Armed Forces (SCAF), ilay fitondràna miaramila nametraka ny tenany ho toy ny mpifehy an'i Ejjipta noho ny zava-nitranga taorian'ny nionganan'ny filoha teo aloha Hosni Mubarak tamin'ny Febroary.
Nandefa siokantsera ilay mpitatitry ny NBC, Richard Engel :
@richardengelnbc: #egypt. Angamba eo amin'ny 100 k eo izao ny ao #Tahrir. Mijoro ny trano lay goavana
Ilay mpilaza vaovao avy any Emira dia mampakatra sary avy amin'ny Al Jazeera Mubasher manpiseho ireo vahoaka marobe:
@SultanAlQassemi: Kianja Tahrir amin'izao fotoana – ora ao Kairo 10:40 alina ny Alatsinainy
Ary Jack Shenker manampy hoe:
Sary famantarna ny Tantawi miantona amin'ny andrin-jiro ao #Tahrir , tsy misy hafa amin'ny sary famantarana an'i Mubarak tamin'ny Janoary : pic.twitter.com/h7zjZu9s
Ny Maréchal Mohamed Hussein Tantawi dia komandy ambonin'ny SCAF ary ireo mpanao fihetsiketsehana dia efa am-bolana no nangataka ny fametraham-pialàny.
Marian mikiaka hoe:
@Maroo84: Aty an-trano! 🙂 Mahafinaritra ny Ejiptiana! Ambony ny herin-tsaina amam-panahy ao an-kianja! TSY HILAVO LEFONA ISIKA! TSY HISINTAKA ISIKA 🙂 #tahrir Adaboka ny SCAF
Saingy miafina eny anjoronjorony eny ny korontana, na izany amin'ny alalan'ny fampiasàna entona mandatsa-dranomaso, basimborona na hatramin'ny bala tena izy mihitsy
Yasmine G dia mizara sarinà bala tena izy, ny iray vita Amerikana ary ny iray hafa avy any Italia, nampiasaina nanosehana ireo mpanao fihetsiketsehana.
@_YasmineG_: Vita avy any Etazonia sy Vita avy any Italie, ireo no karazana bala izay manaparitaka bala kiritika kely marobe #Tahrir #nov19 yfrog.com/nu6gngnj
Bel Trew manaiky hoe:
@Beltrew: Mikaroka mpitifitra miafina mampiasa irony fitaovana fakàna sary ahitàna amin'ny alina irony izahay #tahrir
Jonathan Rashad miteny amintsika hoe :
@JonathanRashad: Betsaka ny bala tena izy ampiasaina hanesorana antay izao aty amin'ny araben'i Mohamed Mahmoud. Efa ho 57 ora izao ny fifanandrinana. Ambony be ny izan'ireo nidiran'andro.
Ary i Josh Shahryar ity sary miteny ho ay ity ho antsika :
@JShahryar: Akory ny haratsin'ny tifitra tao Tahrir? Ity sary ity no manazava azy tsara : https://fbcdn-sphotos-a.akamaihd.net/hphotos-ak-snc7/s720x720/374922_310620258948089_279164165427032_1277693_48204579_n.jpg #Egypt via @Elazul
Mandritra izany, ilay mafàna fo Mona Seif dia nitsidika ny tranompaty izay nametrahana ireo maritiora namoy aina tamin'ny fanafihan'ny polisy an'ireo mpanao hetsi-panoherana. Mitatitra izy:
@Monasosh: Ireo maritiora rehetra ato amin'ny tranompaty dia matin'ny bala tena izy avokoa, afa-tsy ireo sempotry ny entona mandatsa-dranomaso, sy iray vaky karandoha #Tahrir #Mashra7a
nampiany hoe vatana mangatsiaka 23 no tao [ar]:
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011