05 Oktobra 2011

Tantara tamin'ny 05 Oktobra 2011

Myanmar: Naaton'ny Filoha ny Fananganana Tohodrano

Nanaitra ny maro ny nataon'ny fitondran'i Myanmar tamin'ny baiko fampiatoana ny fananganana ilay tohodrano niteraka andihevitra ho valin'ny fanoherana sy ny fanangonan-tsonia nataon'ny tambanivohitra sy ny fiarahamonim-pirenena. Adikan'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices mydaydream ho antsika ny vaovao amin'ny teny Birmana sy ny domberina azo tamin'ny fampiatoana ny tetikasa

05 Oktobra 2011

Brezila : Kabary Manantantaran'i Dilma Rousseff Tao Amin'ny ONU

Dilma Vana Rousseff, vehivavy voalohany lany ho filohan'i Brezila, no notendrena ihany koa ho vehivavy voalohany hanokatra ny fivoriambe fanao isan-taonan'ny Firenena Mikambana ny 21 septambra 2011.Ankoatra ny maha-fotoana manan-tantara azy dia niavaka tamin'ny fahasahiana sy ny tsindro-paingotra ho an'ny firenena tandrefana tratry ny krizy, tamin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny fanekena an'i Palestina ho mpikambana ao amin'ny ONU ny kabariny

05 Oktobra 2011