Ny metro no fitaovan-pifamoivoizana haingana indrindra, azo antoka sy mety tsara mba hialàna amin'ny fitohanana eny an'arabe ao Séoul, renivohitr'i Korea Atsimo. Miaraka amin'ny fiakaran'ny fanavakavahana ny lahy sy ny vavy any anaty metro, indrindra indrindra fa mandritra ny ora mahabe ny mpivezivezy sy rehefa alim-be, dia nanapa-kevitra ireo manampahefana ao an-tanànan'i Séoul ny hametraka fiaran-dalamby natokana fotsiny ho an'ny andriambavilanitra mba hampiatoana io fiakaran'ny fanavakavahana eo amin'ny lahy sy vavy io, fihetsika izay niteraka fanehoan-kevitra nafampàna tokoa teo anivon'ny aterineto.
Nanambàra ny tanànan'i Seoul tamin'ny 20 Jolay 2011 fa hametraka fiaran-dalamby natao manokana ho an'ny andriambavilanitra ao amin'ny metro Zotra faha 2 manomboka amin'ny Septambra. Raha tsara ny tamberina avy amin'ny mponina, dia ho haparitaky ao amin'ny tanàna ilay tetikasa.
Araka ny tatitra iray avy ao an-toerana avy amin'ny polisin'ny metro [ko], herisetra ara-nofo 550 no naharaisana tatitra nandritra ny volana dimy voalohany tamin'ity 2011 ity, izay maneho fiakarana 22 isan-jato raha mitaha amin'ny tamin'ny taona lasa. Tatitra iray hafa avy ao an-toerana no namoaka [ko] fa nahatratra 1.192 ny isan'ireo mpanolana tamin'ny 2010.
Ny ahiahin'ireo mponin'ny aterineto

Fiaran-dalamby amin'ny metro, Seoul, Korea Atsimo. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr Matthew R Lloyd (CC BY-NC-ND 2.0).
Ny ankabeazan'ireo mponin'ny aterineto, misalasala ny amin'ny mety ho fahombiazan'ilay hevitra, dia nanohitra mafy ilay rafitra vaovao. Seo Yong-hwan (@a2n5) izay mitantana fivarotana kirarom-behivavy aty anaty aterineto dia nandefa bitsika hoe [ko]:
[…]전 지하철 타면 성추행으로 오해받을까봐 최대한 조심히타는데 이건 역차별일 수 있네요 그리고 출퇴근시간에 여성전용칸에 타려하는분이 많을까요??아니면 환승이 가까운 곳에 타는분이 많을까요??
Kang Hyun-ju (@nymphtintin), vehivavy mpianatry ny Anjerimanontolo, dia nibitsika hoe [ko]:
지하철 여성 전용칸은 진짜 무리수.노약자 임산부 전용좌석도 안지켜지는데.
Tsy vao voalohany izao ny hevitra hametrahana fiara natokana ho an'ny vehivavy any anaty metro no nandramana mivantana teo amin'ny fiainana andavanandro. Tamin'ny 1992, rafitra mitovitovy amin'izay no efa nampiharina tao amin'ny Zotra 1, saingy tsy ela dia nadaboka rehefa tsy noraharahain'ny olona ilay fepetra. Rehefa ireo mpianatra na mpiasa rempotra no miala any, ny zava-dehibe indrindra aminy dia ny hoe tafiditra amin'ny metro tokony handehanany, fa tsy ny hifidy izay fiara sahaza any akory.
Fanavakavahana ara-tsokajy
Ao anatin'ilay seha-pifanakalozan-dresaka Daum Agora, isan'ny tena be mpampiasa indrindra, nanoratra ilay mpampiasa aterineto, RaphyRyu [ko] fa sarotra ny hampiasa ny fanavakavahana ho fanalahidin'ny herisetra ara-nofo:
여성전용칸의 시행 목적은 여성을 범죄로부터 보호하는 것일 겁니다. 그렇다면 여성에 대한 범죄를 예방하고 범죄자를 강력하게 처벌해야 할것이고, 이를 위해선 지하철 내 치안을 강화하고 처벌규정을 강화하는것이 옳은 일이라고 생각합니다 하지만 여성전용칸을 만들어 여성을 한 군데로 모아 격리시키는 것은 얼핏보면 범죄 자체를 원천적으로 방지한다고 볼 수 있습니다만 결국 문제를 해결할 능력이 없어서 문제로부터 도망치는 것밖에 안됩니다. 거꾸로 생각해서 여성전용칸이 아닌 다른 칸이나 여성전용칸을 시행하지 않은 시간대의 지하철을 탄 여성에 대한 보호는 전혀 고려하지 않은 제도지요.
Betsaka amin'ireo mpampiasa aterineto, toa an'i Min-goon, no nampahatsiahy [ko] ny hafa ny tsy fetezan-javatra tamin'ny metro tamin'ny taona 1997 rehefa napetraka ilay fiara natokana ho an'ny vehivavy, avy eo nadaboka nialàna fotsiny tamin'izao.
Zareo Lehilahy, tena manana fironana hanao heloka ara-nofo?
Mpampiasa aterineto i Green note izay milaza ny tenany ho mpianatra eny amin'ny Lisea ary 20 taona mandray ny metro saika ho isanandro mihitsy, nanoratra izy[ko]:
집에서 나와 버스를 타고 잠실역에 도착하면 정말 사람 많습니다. 지하철을 타는 사람들이 길게 줄을 늘어서 있을 때 그 지하철을 타면 이런 생각이 먼저 듭니다. “오늘도 편하게 가기는 글렀군.” 왜냐하면 불필요한 신체접촉이 발생할 가능성이 농후하기 때문입니다. […] 여성 전용칸을 만들자고 하는 것에 찬성한다는 것 자체가 모든 남자들을 (성추행범으로 보지는 않더라도) “암묵적” 성추행범으로 보는 것입니다.
Ny ankabeazan'ireo valinteny ao amin'ny aterineto momba ilay rafitra vaovao dia miiba avokoa. Na izany aza, misy ampahan'olona vitsy ihany miaro ilay rafitra. Nibitsika i [ko] Dong-hyun (@Beautiful_KWON) :
[…] 가족이나 여친을 생각한다는 말은 결정적이다. 찬성에 한 표!!
Nisy fifidianana taty anaty aterineto teo aloha teo [ko] izay natao herinandro maro nialoha ny fanapahan-kevitry ny tanàna, naneho marina fa tany ampiandohana ireo Korea Tatsimo mpampiasa aterineto dia nitia ilay hevitra satria hiteraka vokatsoa ho an'ny andaniny sy ny ankilany io: hahatsiaro tena ho tsara aro ny vehivavy, raha ho afaka amin'ny hevitra tsy mifankahazo tsy misy ilàna noho ny kisendrasendran'ny fifanosehana any anaty metro manao fatra-tsaonjo kosa ny lehilahy.