Tamin'ny herinandro, ny fandaharana fitafatafàna isan'andro Misr El-Naharda (Egipta Androany), izay alefa amin'ny fantsona fahitalavi-panjakàna Egiptiana Al-Masreya, dia niady hevitra momba an'i Facebook sy ny vokany eo amin'ny fiaraha-monina Egiptiana.
Manoratra momba ilay fandaharana i Zeinobia ao amin'ny blaoginy, sy ny nokendrena tao anaty adihevitra te-hamely ny Facebook.
Lasa lasibatry ny esoeson'ny tontolon'ny blaogy Egiptiana ilay fandaharana, noho ny mpanolotra ny fandaharana Mona El Sharkawy, niaraka tamin'ireo vahiny roa tao, Nadia Radwan sy Gamal Mukhtar nanao fanamarihana diso – sady nahatsikaiky – nandritra ny fandaharana. Noraiketina ary nampiakarina tamin'ny YouTube [Ar] ilay fandaharana, ary ireo mpitoraka blaogy toa an-dry Aam Mina kosa namerina ireo teny tena nahatsikaiky nolazaina nandritra izany.
نادية رضوان: فيه بردو موقع “مي بليس” شبيه ليه.
…
مني الشرقاوي: احنا بقينا جواسيس لبلدنا.. بنفضح بلدنا.
مني الشرقاوي: الحمدلله ان استخدام الانترنت لسة محدود
Nadia Radwan: Ao koa i “My Place”, izay vohikala tena mitovy aminy.
…
Mona El Sharkawy: Dia lasa mpitsikilo mitsikilo ny firenentsika ihany isika izao.
Mona El Sharkawy: Isaorana Andriamanitra fa mbola voafetra ihany ny tahan'ny fidirana aterineto aty Egipta.
UltimateServ koa dia nanoratra tao amin'ny Twitter momba ny nanovan'ilay mpanolotra fandaharana manokana ho an'i Facebook, izay tsy mbola nampiasainy akory tany aloha.
Taorian'ny fandaharana dia maro ny mpitoraka blaogy no nanomboka nieritreritra fa mety ho hetsika avy amin'ny governemanta iny hanalavirana ny vahoaka amin'i Facebook, mba hisakanana azy aty any aoriana, indrindra taorian'ny fandrosoana amin'ny sehatra haino aman-jery sosialy Egyptiana sy haino aman-jery fototra. Ny sasany aza nanomboka nanontany tena hoe mety hamorona sehatra tambajotra sosialy hafa izay azony fehezina ny governemanta. Nanoratra bebe kokoa momba izany i Zeinobia ao amin'ny blaoginy.
Farany ny Ministeran'ny Fifandraisan-davitra sy ny Teknolojia vaovao dia nandà ireo tsaho rehetra momba ny fanakànana ny Facebook [Ar]. Na izany aza dia tsy nanàkana ny esoeso efa mandeha amin'ny Twitter izany momba ny mety hisian'ny solon'ny Facebook hoforonin'ny fanjakàna, sy ny mety ho endrik'izany[Ar/En].