Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny faritry ny anjerimanontolo. Efa nampiely sary sy horonantsary maro dia maro mahakasika ity hetsik’izy ireo ity ny mpianatra ao amin’ny tranok’lam-baovao antsoina hoe Amir Kabir News. Nitatitra ity toe-draharaha ity ny mpitoraka bolongana maro, izay mampiseho karazana firehan-kevitra ary mitondra tantara manokana.
Eto ambany dia misy ny horonantsary misy ny fihetsiketsehana tao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir, koa tamin’izany no nitondran’ireto mpianatra fanoharana ny governemanta iranianina ho toy ny Afghan Taliban ary nohiraihirain’izy ireo ny teny hoe:”Ambany miaraka amin’ny Taliban!”
Ao anatin’ity horonantsary hafa ity kosa dia naseho ireo miaramila “manao haza lambo ny mpianatra mpanao fihetsiketsehana”, araky ny vaovao avy amin’ny Amir Kabir News:
Navoakan’ny mpitoraka blaogy maro, toy I Jdaneshjoo ny fanambarana nataon’ny Fikambanan’ny mpianatra Silamo avy amin’ny anjerimanontolo Amirk Abir mahakasika ity raharaha vao haingana ity. Tsy eken’ity fikambanana mpianatra ity mihintsy ny fanapahan-kevitry ny mpitondra fanjakana amin’ny fandevenana ireto maty maritiora tsy fantatra anarana ao amin’ny tany itoeran’ny anjerimanontolo, eritreretiny ihany koa fa fialana olana ho an’ny mpitandro ny filaminana izany mba hijanonan’izy ireo maharitra ao amin’ny anjerimanontolo, izay entina hamoretana ireo hetsika ataon’ny mpianatra.
Milaza I Ghomar Asheghane fa tian’ny mpitondra fanjakana avadika ho fasana ny toeram-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo, ary nanampy ny resany izy [fa]:
1 hevitra