Ny fampakaram-bady maro sy ny SIDA any Afrika

Ny blaogy Reseau sida Afrique dia mamoavoafy mikasika ny fampakaram-bady maro sy ny SIDA any Afrika :

« Comme l’on sait dans certains pays comme le Congo Brazzaville, la polygamie est légalisée – un homme a droit officiellement d’épouser 4 femmes ?
Peut-on parler de fidélité comme un moyen efficace de prévention ? Dans ce cas, l’époux pourra t-il vraiment faire le test de dépistage avec ses quatre épouses s’il en a quatre ?
Dans la polygamie on ne sait pas qui apporte la maladie dans le couple. Un homme qui a 4 femmes est- ce qu’il n’a pas de maîtresses ? Et ses 4 femmes n’ont – elles pas des amants ? Tant qu’il y aura la polygamie la fidélité comme moyen de prévention n’aura pas sa place. Malheureusement dans nos traditions la femme est toujours lésée au second plan on ne pense à elle que lorsque la situation est grave. Même si c’est l’homme qui l’a contaminé c’est elle qui subit la discrimination, qui est rejetée par la famille et le monsieur peut prendre une autre femme sans aucun souci. »

« Iaraha-mahalala fa eken'ny lalàna any amin'ny firenena toa an'i Kôngô Brazzaville ny fampakaram-bady maro – ara-dalàna ve raha lehilahy iray manambady vehivavy efatra ?
Afaka heverina ho fomba fisorohana ny fihanaky ny aretina ve ny tsy fampirafesana [fidélité] ? Raha izany ary no zava-misy, moa ve ily rangahy dia tena hanatanteraka tokoa ny fitiliana miaraka amin'ireo ramatoa efatra, raha toa ka efatra ny isan'ny vadiny ?
Ao amin'ny fampakaram-bady maro koa dia tsy mba fantampantatra mihitsy izay nampiditra ny otrikaretina tao amin'ny fanambadiana. Moa ve tsy manana andefi-mandry hafa any ambadika any ralehilahy izay efa manambady efatra ? Ary ireo vadiny efatra – moa ve tsy mampirafy amin'ny lahy hafa ry zareo ? Raha mbola mitoetra ny fampakaram-bady maro dia tsy manana ny toerana ho isan'ny fomba fisorohana ny fihanaky ny aretina ny tsy fampirafesana. Mampalehelo matetika fa atao ankila-bao ireo vehivavy ary tsy heverina izay toe-draharaha mihatra aminy raha tsy efa tena “an-dohalika ny ranom-bary.” Ka raha toa aza ka ilay lehilahy no nihavian'ny loza sy nampiditra ny otrik'aretina [tao amin'ny fanambadiana] dia izy vehivavy no ianjadian'ny fanilakilahan'ny mpiara-monina, sy isitahan'ny fianakaviana fa ilay rangahy kosa dia afaka mampakatra vady hafa vaovao, amin'ny fomba tsotsotra.  »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.