Tantara mikasika ny Namibia

Azo iainana Tsara Ve Any Amin'ireo Tanan-dehibe Afrikana ?

  20 Aogositra 2012

Fanadihadiana iray nataon'ny The Economist Intelligence [en] momba ireo tanàn-dehibe eran'izao tontolo izao azo iainana tsara (ny tatitra manontolo amin'ny endriny pdf) , no manolotra hoe amin'ireo tanàna 10 sarotra iainana indrindra eto ambonin'ny tany, 6 no aty Afrika. Kanefa, misy fandaharana iray hafa mampiseho fa sambatsambatra kokoa any amin'ny firenena afrikana sasantsasany noho ny any amin'ny firenena eoropeana maro

Madagasikara: Mankafy ny Fiadiana Tompon-dakan'i Afrika 2012 ho an'ny baolina lavalava

  16 Jolay 2012

Madagasikara no mampiantrano ny Fiadiana Tompon-daka nokarakarain'ny Konfederasiona Afrikana ho an'ny Baolina Lavalava (CAR), fifaninanan'ny Vondrona 1B nanomboka ny 4 Jolay hatramin'ny 11 Jolay lasa teo. Ireo firenena hafa tao amin'ny vondrona dia i Maraoka, Namibia ary Senegaly. Raha sahirana tamin'ny olana ara-toekarena sy ara-politika ny firenena nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 2009, miezaka ny miala amin'ny adin-tsainy isanandro ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny ekipa Nasionaly Malagasy amin'ny baolina lavalava, fantatra amin'ny anarana hoe "Makis de Madagascar" (Ny Maki an'i Madagasikara)

Afrika: Firenena maro no tsy mahatsiaro ny Andron'i Afrika

  28 Mey 2009

Ny Andron'i Afrika dia fahatsiarovana isan-taona ny 25 may 1963 izay vanin'andro nijoroan'ny Firaisam-be Afrikaan na ny OUA tany Etiopia. Hetsika maro no nankalazana azy ity tany amin'ny faritra samihafa eran-tany. Nahatsiaro izany vanin'andro izany koa ny mpitoraka bilaogy sy ny mpiserasera twitter ka manoratra mamelabelatra momba ity Andron'i Afrika...

Namibia : Tandindon-doza hoan'ny Namibia ve ny Siantolojika ?

  19 Desambra 2007

Ny mpiblaogy Rob dia mampitandrina ireo Namibiana amin'ny tandidon-dozan'ny Siantolojika : « Scientologists are a big threat to poorer nations and especially to a populus who will be more vulnerable to the scheming, cunning, seconhand car sales pitch they spew. Watch out Namibia – the loony scientologists are coming for you. »...