Tantara tamin'ny Tselatra sy Teknolojia
Mpikatroka iray nandika ny Minecraft, manga, sy Harry Potter avy amin'ny teny Rosiana ho amin'ny fiteny Chuvash
Nihamafy vao haingana ny fahalianana amin'ny fiteny indizeny any amin'ny repoblika sasany ao Rosia. Mipoitra amin'ny media sosialy isan-karazany ny vondrom-piarahamonina, manampy amin'ny fianarana ny fiteny sy mampiasa azy ireny amin'ny fiainana andavanandro.
Anatin'ny fotoana tena manandanja ho an'ny krizy manerantany, nohalefahan'ny X (Twitter tany aloha) ireo pôlitikany momba ny kabary mahery setra
Nohalefahan'ny X be mihitsy ny pôlitikany momba ny kabary mahery setra, tamin'ny fampihenàna ihany koa ny tokotanim-pampiharany ireo fepetrany momba ny kabary mahery setra sy ny vokadratsy aterak'izany rehefa tratra ny kabary tahàka izany
Nanala rakotra ny tanànany “smart” voalohany, avy amin'ny anaran'ny filohany teo aloha, i Turkmenistan
Mbola manjavozavo ny hoavin'i Arkadag noho ny fitsipika tsirefesimandidy sy hafahafa ataon'ny governemanta ho an'ireo honina ao aminy
Misy mitanila ve ny “OpenAI” ? Izahay no nisolo tena anareo nanamarina izany
Notrandrahan'ny Global Voices ny fomba nataon'ny AI iray mpamokatra sary namoronana sary avy amina fiteny samihafa. Fehezanteny iray no notendrenay tamina fiteny sivy samihafa ary nahazoana valiny tena samihafa.
CIMER: Sehatra revôlisiônera iray sa fitaovana fitorohana eo an-tànan'ireo mpiaradia amin'ny fanjakana?
Napetraky ny Antoko eo amin'ny fitondrana "Rariny sy Fandrosoana" tamin'ny 2015, ny tolotra CIMER dia natao handefasan'ireo olompirenena tiorka ny "olan'izy ireo, ny fitarainana sy fangatahana" mankany amin'ny filoha.
Lehiben'ny fampanoavana ao Armenia te-hanara-maso ny votoaty anaty aterineto
Tao anaty taratasy iray nalefa ho an'ny governemanta armeniàna tamin'ny 4 Jolay, nolazain'i Artur Davtyan fa tokony ho ambany fanarahamason'ny fanjakana ary ho arindran'ny lalàna ny aterineto
Mety ho voabahana tanteraka ao Rosia ny Twitter amin'ny volana ambony
Raha manohy tsy miraharaha ny fangatahany hanalàna anaty tambajotra ireo votoaty lazainy fa tsy ara-dalàna ny Twitter, dia nilaza ny Roskomnadzor fa efa niomanany ny hibahana tanteraka ny tolotra
Nolanian'ny Kongresy Breziliana Ny Lalàna Momba Ny Zon'ny Mpisera Aterineto
Lany tao amin'ny Kongresim-pirenenan'i Brezila ihany nony farany ny lalàna Marco Civil ka ny latsa-bato ao amin'ny Antenimieran-doholona indray no andrasana manaraka.
Mandraisa Anjara Manao Sariitatra Momba Ny Fanaraha-Mason'ny (Fitsikilovan'ny) NSA Ary Mahazoa $1000
Ny The Web We Want [ny web tiantsika] no manasa ny mpanao sariitatra, mpamorona ary artista handray anjara amin'ny The Day We Fight Back [ny andron'ny valin-kafatra] amin'ny 11 Febroary 2014 amin'ny fananganana sariitatra noforoninao momba ny fanaraha-maso an-tserasera sy ny zo hanana fiainana manokana. Ny sariitatra dia tokony hanampy...
Afaka Nibitsika Ihany Pussy Riot Nony Farany!
Efa mampanonjanonja sahady ny tontolon'ny fitorahana bilaogy kiritika ry Maria Alekhina sy Nadezhda Tolokonnikova.