Lehiben'ny fampanoavana ao Armenia te-hanara-maso ny votoaty anaty aterineto

Sary an'ny FLY:D tao amin'ny Unsplash. Fampiasàna malalaka miaraka amin'ny lisansa Unsplash.

Tao anaty taratasy iray nalefa ho an'ny governemanta armeniàna tamin'ny 4 Jolay, nolazain'i Artur Davtyan, Lehiben'ny Fampanoavana ao Armenia, fa tokony ho ambany fanarahamason'ny fanjakana ary ho arindran'ny lalàna ny aterineto, araka ny tatitr'ireo media ao an-toerana.

Rehefa tsy misy ny fanarahamaso tahaka izany, dia hotohizan'ireo sehatra fampitam-baovao ny fanelezana tsy misy sakantsakana ireny votoaty ireny, ny fanovàna sy fanararaotana tafahoatra ny fotokevitra demaokratika iorenan'ny fahalalahana maneho hevitra. Ny mifanohitra amin'izay, any amina firenena maromaro, toa an'i Alemaina, Rosia sy Zeorzia, fehezin'ny lalàna ny fiarovana ny vaovao aely amin'ny alàlan'ireo loharano an-tambajotra, hoy ny vakin'ilay tolokevitra

Araka ny nambaran'ny biraon'ny Fampanoavana, ilay tolokevitra momba ny hanaraha-maso ny votoaty anaty aterineto dia tonga ao anatin'ny fotoana iray izay “nisian'ny fitomboan'ny fielezan'ny fanavakavahana nasiônaly, ara-pinoana, ara-pananahana sy hafa koa ety anaty aterineto sy ny tambajotra sôsialy, ary ireo votoaty hafa voarara ao Armenia, isan'ireny ny dokambarotra atao ho an'ny fanafody”.  Nomarihan'ilay birao ihany koa tao anatin'ny taratasy nalefany fa ireo telo ireo dia ilaina handaniana ireo fepetra araka ny lalàna mety “hisorohana ny fanelezana” ny votoaty tahaka izany.

Araka ny ambaran'ny sehatra iray an'ny fanaovana gazety mpanadihady Hetq.am , dia tandindon'ny Roskomnadzor ilay tolodalàna — ilay Sampandraharaha Federaly ao Rosia natao hanara-maso ny Teknôlôjian'ny Fifandraisana, ny Vaovao ary ny Media ho an'ny Daholobe, izay fantatra ihany koa amin'ny maha-mpanivana voalohany ny media sy ny aterineto ao amin'ny firenena. Ho an'ireo mpanakiana ilay tolokevitra dia fitaovana iray hanenjehana no fijerin-dry zareo azy io, ary haneritery ny fahalalahana maneho hevitra.

Ny lehiben'ny fampanoavana ao #Armenia dia manolona tolokevitra hamoronana rantsana mpanivana aterineto, mitovy amin'ilay Roskomnadzor ao #Russia. https://t.co/dKQY2oqykO

Tao anaty antsafa niarahany tamin'ny Sampana Armeniàna ao amin'ny Radio Liberty, Shushan Doydoyan, Talen'ny Ivontoerana ho an'ny Fahalalahan'ny Fampahalalambaovao, manana ny biraony ao Yerevan, nilaza hoe, “Raha ny fijeriko, tsy andraikitr'ireo mpampanoa lalàna ny hetsika tahaka izany.”

Momba ny fampandrosoana, izay tsy hoe fotsiny hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fandrosoana ara-politika eto Armenia, fa koa hanohintohina ny sehatry ny teknôlôjia sy ny toekarena ao anatin'ny firoboroboany tanteraka ao Armenia. Ny aterineto malalaka no fomba tsara indrindra hisarihana ireo fisainana tanora, tsara sy mamiratra indrindra. https://t.co/crUuBIhVu8

Samvel Martirosyan, mpanadalina tsy miankina, nanoratra tao anatin'ny matoandahatsorany hoe kasain'ny biraon'ny fampanoavana ny hamorona “ministeran'ny sivana”.  Martirosyan, raha nanamarika ny fitoviana misy amin'ny Rosskomnadzor, dia nilaza hoe, “Raha manaraka ny dian'i Rosia isika, dia dieny hatrany am-boalohany, ho vaky ny ady amin'ireo mpamatsy  zavamahadomelina sy ireo antso hanao famonoantena ety anaty aterineto. Dia avy eo, ho hitantsika indray andro any fa miditra amin'ny fibahanana ny fanjakana. Ankoatra izay, dia ireo manana endrika politika indrindra indrindra.”

Tamin'ny 2012 ny Roskomnadzor dia nanomboka nampiditra ho anaty lisitra mainty sy nibahana ary nanery ireo tranonkala mba hikatona fony napetraka ilay lalàna rosiàna momba ny lisitra mainty anaty aterineto. Tamin'izany fotoana, nasesiky ny fanjakana fa nilaina ilay lalàna mba “hiarovana ireo tsy ampy taona manoloana ireo tranonkala mampiseho fanararaotana ara-nofo amin'ny ankizy, na manome antsipirihany momba ny fomba famonoana tena, mandrisika ireo mpampiasa mba handray zavamahadomelina, ary ireo tranonkala manentana ny ankizy hiditra amin'ny resa-betaveta.” Lazain'ireo mpanakiana ilay tolokevitra fa resaka fotoana fotsiny no nandrasana mba hampiharana ilay lalàna tamin'ireo tranonkala mifantoka amin'ny demaokrasia, araka ny tatitry ny BBC. Taona roa taty aoriana, Roskomnadzor nanomboka nibahana ” ireo tranonkala izay niantso famoriam-bahoaka, fanaovana hetsika fampihorohoroana, na fandraisana anjara amina hetsi-bahoaka voarara.” Tena vao haingana mihitsy, taorian'ny fananiham-bohitra nataon'i Rosia ao Okraina, nodidian'ny Roskomnadzor, “ireo media mpilaza vaovao mba hamafa ireo tatitra nampiasàna ny hoe ‘fanafihana’, ‘fananiham-bohitra’, na ‘fihantsiana ady’ nentiny namaritana ny fitsofohana ara-tafika goavana sy tsy nisy nandranitra nataon'i Rosia tamin'i Okraina mpifanila vodirindrina aminy.”

Ireo hafa mpanakiana ilay tolokevitra, toa an'i Boris Navasardyan, filohan'ny Yerevan Press Club, nilaza fa nanan-danja ny fotoana namoahana ilay tolokevitra noho izy navoaka taorian'ny fihaonana an-tampony iray teo amin'ireo filoham-panjakana tamin'ny Aprily 2022. Araka ny lisitra iray misy antontan-taratasy marobe voasonia nandritra ny fitsidihana, ny iray dia miresaka ny fifanaraham-piarahamiasa ao anatin'ny sehatry ny fiarovana ny vaovao eo amin'ny firenena roa tonta.

Raha toa ilay tolokevitra ka apetraka ho anatin'ny lalàna efa misy, mety hihatra amin'ireo media sy hatramin'ireo lahatsoratra zaraina anaty tambajotra sôsialy ireo fepetra.

Ny Desambra lasa teo, nolanian'ireo Armeniàna mpanao lalàna ireo andiana tolodalàna maromaro niteraka resabe izay “mitazona ireo media ho tomponandraikitra amin'ny fampiasàna ireo vaovao manendrikendrika sy manala baraka azo avy amina loharanom-baovao “tsy voamarina” hoy ny tatitry ny Hetq.am.

Ny Martsa tamin'ny taona lasa, nisy fanavaozana maro nampidirin'ny Antenimieram-Pirenena Armeniàna ho ao anatin'ny Fehezandalana Sivily, nampitombo ho avo telo heny ny sazy ara-bola ho an'ny fanalàna baràka na fanivaivàna. Tao anaty fanambaràna iray navoakan'ny Freedom House tamin'izany fotoana izany, ny mpanaramaso iraisampirenena dia nilaza hoe, “Mampalahelo fa tohanan'ny governemanta armeniàna ny fampandoavana onitra izay hanakantsakana ny fahalalahana maneho hevitra ary hanohintohina ny fahaveloman'ireo mpamoaka vaovao eto amin'ny firenena. Nokianin'ny fiarahamonina sivily tsara mihitsy ilay tolodalàna izay mety ho ampiasaina ho araraotina hametrahana sazy ara-bola tafahoatra sy hanaovana tsindry pôlitika amin'ireo fikambanana mpilaza vaovao tsy miankina noho izy ireny nanakiana pôlitisiàna sy olona ambony hafa matanjaka. Manainga ireo manampahefana armeniàna izahay mba handray amin'ny fomba matotra ny ahiahin'ny fiarahamonina sivily sy ireo fikambanan'ny mpampahalala vaovao, ary hanafoana ity lalàna ity.”

Ho an'ny hetsika Aterineto Misokatra ho an'ny Demaokrasia, ireo andiana fepetra araka ny lalàna nampidirina ao Armenia tamin'ny taona lasa dia “mametra ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ary maneritery araka izany ny fahafahan'ireo mpanao gazety hisahana ny toeran'ny ‘alika mpiambina mpiaro vahoaka’.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.