Mety ho voabahana tanteraka ao Rosia ny Twitter amin'ny volana ambony

Mety tsy hoe voakenda fotsiny intsony fa tena ho voabahana tanteraka ao Rosia ny Twitter. Sary an'i Gerd Altmann tao amin'ny Pixabay.

Amin'ny volana ambony io, mety ho voabahana tanteraka ao Rosia ilay sehatra fanoratana bilaogy bitika, araka ny voalazan'ny Roskomnadzor sampandraharaham-panjakana rosiàna mpandrindra ny media sy ny aterineto.

Ny 16 Martsa, nolazain'ilay mpandrindra fa tohizan'ilay sehatra ny tsy firaharahàna  ny fangatahany hanesorana ireo votoaty lazainy ho tsy ara-dalàna. Raha mbola hita mijanona ao anaty tambajotra ireo votoaty manafintohina, dia nilaza ny Roskomnadzor fa efa niomanany ny hibahana tanteraka ilay tolotra, hahatonga azy io tsy ho azon'ireo mpampiasa azy hidirana intsony ao Rosia.

Vadim Subbotin, tale lefitry ny Roskomnadzor, nilaza tamin'ny alàlan'ny masoivohom-baovaom-panjakana TASS fa hiandry iray volana ry zareo “hanarahana maso izay ho fihetsiky ny Twitter momba ilay olana fanesorana ireo vaovao voaràra” ary avy eo mety “handray fanapahankevitra mifanaraka amin'izany,” miankina amin'izay valinteny avy amin'ilay orinasa:

Если Twitter не исполнит требования Роскомнадзора, требования российского законодательства, соответственно, будем рассматривать вопрос о полной блокировке сервиса на территории России.

Raha tsy valian'ny Twitter ireo fangatahan'ny Roskomnadzor, sy ireo fitakian'ny lalàna rosiàna, dia mifanaraka amin'izay, hodinihanay ny momba ilay resaka fibahanana tanteraka ilay tolotra manerana ny faritany rosiàna.

Araka ny efa notaterina teo aloha, ny 10 Martsa dia natombok‘ireo Rosiana mpanivana ny fangejàna ny hafainganam-pandehan'ny fanokafana ny Twitter tao amin'ny firenena, tamin'ny fampiasàna ny fitaovana DPI (deep-packet inspection – fitsirihana lalina ireo fonosan-kafatra) izay takiana amin'ireo rosiàana mpanome tolotra aterineto ny hametrahany azy, ampahany amin'ny tetikadiny vaovao momba ny “fiandrianan'ny aterineto”.

VAKIO MISIMISY KOKOA (amin'ny fiteny anglisy) : Behold Russia's new ‘sovereign internet’

Tamin'izany fotoana izany, ny Roskomnadzor dia niaro ilay hetsika ho toy ny fampitandremana voalohany taorian'ireo fangatahana marobe mba hanesorana ireo votoaty manafintohina, izay nambara fa tsy noraharahian'ny Twitter.  Vao haingana ihany koa ilay sehatra no namoahana sazy ara-bola noho ny tsy nahavitàny nanaisotra “ireo antso hanaovana hetsibahoaka tsy nahazoana alàlana natodika tamin'ireo tanora tsy ampy taona,” izay mbola tsy nihetsehany ihany koa.

Mahatsikaiky, tsipihan'ireo manampahaizana manokana momba ny zon'olombelona fa mety ho mora tokoa ny fametrahana ny fibahanana manontolo ny Twitter ao Rosia raha miohatra amin'ny famerana mahomby ny hafainganan'ny fidirana aminy. Vladislav Zdolnikov, izay mitantana ny fantsona Telegram  “IT and SORM,” mihevitra fa Twitter dia sehatra iray azo antoka ny hibahanan'ny fanjakana azy satria “zara raha manana mpampiasa vitsivitsy ao Rosia izy” ary azo ampiasaina ho toy ny “kalo fampitahoram-borona ho an'ny Google” sy ireo hafa, nefa tsy hiteraka be loatra ny hatezeran'ny vahoaka:

Твиттер будет заблокирован в течение 15 минут с момента принятия решения об этом.
Телеграм не удалось заблокировать не потому, что РКН криворукие, а потому что он вложил в это огромное количество ресурсов — как финансовых, так и уникальных скиллов.
Заблокировать сайт не составляет никакой сложности. Если приложение не сопротивляется блокировкам, оно тоже будет заблокировано.

 15 minitra aorian'ny fandraisana fanapahankevitra momba azy dia ho voabahana ny Twitter. Tsy vitan-dry zareo ny nibahana ny Telegram, tsy hoe satria mampalahelo [ny Roskomnadzor], fa satria nanaiky nanome fitaovana maro  [ny Telegram] –ara-bola sy fahaizamanao azy manokana.
Tsy dia sarotra manao ahoana ny fibahanana tranonkala iray. Raha tsy manohitra ilay fibahanana aza ny fampiharana iray, dia hobahanana ihany koa.

Misy ireo hafa mpikirakira vaovao no mbola tsy resy lahatra amin'ny hoe mety hiatrika fandrahonana tahaka izany ireo goavan'ny aterineto toa an'i Google, satria tena zavadehibe ho an'ny rafipiainan'ny RuNet ny fisiany. Mariëlle Wijermars, Nerlandey iray mpikaroka mandalina momba ny fiarovana anaty tambajotra sy ny zo nomerika ao Rosia, mihevitra fa ireo tolotra marobe omen'ny Google, isan'ireny ny Youtube, dia “tafalentika lalina” ao anatin'ny toekarena nomerikan'ilay firenena:

Mpisehatra iray mampiasa fotodrafitrasa ny Google (oh: Android) raha voafetra ihany kosa ny mety ho tratran'ny Twitter. Mety hitondra any amin'ny fahasorenan'ny olona ny fibahanana ito farany, saingy ny fitsabahana ao amin'ny Google dia azo antoka fa hiteraka fahatapahan'ireo raharahan'ny governemanta sy ny fandraharahàna, ny otripo faobe eny anivon'ny vahoaka, hanimba ny fampielezankevitry ny fanjakana

— Mariëlle Wijermars (@Marielle_W_) 16 Martsa 2021

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.