Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Jona, 2014
I Jen Psaki, Fahavalo Voalohan'ireo Rosiana Mpampiasa Aterineto
Lasa fomba fiteny ho fampiasàna ny zavatra rehetra ny hoe “Psaki”, ho an'ireo Rosiana rehetra tsy tia ny politika ivelany ampiasain'i Etazonia (indrindra fa ny fidirana antsehatry ny Amerikana any Okraina)
Dihy Amin'ny Tsatoby Nandritra Ny Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Ankizy Tao Amin'ny Tanàna Rosiana Iray
Tamin'ny Alahady lasa teo, nankalaza ny faha-277 taona nisiany sy ny Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Ankizy ny tanàna Tolyatti. Niteraka esoeso sy fahatezerana ny fahitana vehivavy nandihy tamin'ny tsatoby tamin'ny fampiratiana fiara.
Fanazavana Sasantsasany Mikasika Ny Fitsipika Vaovao Mifehy Ny Bilaogera Rosiana
Namoaka tahirin-kevitra milaza antsipirihany mikasika ny fomba fampiharana ny lalàna mifehy ny bilaogy izay hanan-kery amin'ity fahavaratra ity farafahatarany ny sampan-draharaha Rosiana misahana ny fandaminana ny aterineto, Roskomnadzor.
Azia Afovoany : Tsy Avy Mihitsy Ny Orana Fa Rehefa Avy Izy Dia Oram-Batravatra
Niharan'ny tondradrano sy rivo-mahery ny faritra Azia Afovoany tamin'ny 30-31 May teo, naharava ireo fotodrafitrasa fony tamin'ny vanim-potoana Sovietika ary nahafatesana olona iray tao Kyrgyzstan.
Inona no Malaza Amin'ny Aterineto Ao Okraina Atsinanana
Manohy amin'ny fampiasana ny tambajotran-tserasera ireo milisy roa mifanandrina ho fampitàna ny fizotran'ny hetsika (fanentanana) ara-miaramila ataon-dry zareo
Fomba 3 Kasain'ny Governemanta Rosiana Handaminana Ny Web
Maro ireo sampan-draharaham-panjakana ao Rosia amin'izao fotoana izao no eo am-pandrafetana ny naotim-panjakana hamaritana ny fomba hampiharan'ny manampahefana tokoa ity lalàna vaovao mampiady hevitra momba ny aterineto ity.
Mariazy Anelakelatrano, “Fandresena Kely” Hoan'ny Pelaka Ao Tajikistan
Vao voalohany angamba i Tajikistan no nahitana mariazy tsy ara-dalàna eo amin'ny samy pelaka. Maro ireo Tajikistana no tsy faly tamin'izany ary niampanga ny tandrefana ho nampiroborobo izany.
Ny Ady Ao Okraina Amin'izao Fotoana Izao
Ny zomà lasa teo, lasa nibaribary kokoa ny ady ao Okraina tao amin'ny kaonty Facebook-n'ny iray amin'ireo "cyber-punk", miaramila ivelan'ny fitondràna, olom-pirenena mitam-basy mifanaretsaka ao amin'ilay faritra.