Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Avrily, 2010
Polonina: 10 aprily 2010 Sabotsy mainty, Andro fisaonana
Satria isika mbola mamakivaky tanteraka ao anatin’ny 24 ora voalohany amin'ny fangirifirian’ny firenena Poloney, maneho hevitra mikasika ny zava-nitranga io maraina io ireo fampahalalam-baovao ara-sosialy isan-karazany, raha namoy ny Filoham-pireneny sy olo-manan-kaja hafa miisa 95 i Polona.
Poland: Fihetsika amin'ny horonantsary taorian'ny fahafatesana noho ny fianjeran'ny fiaramanidina
Taorian'ny vaovao mampalahelo tamin'ny nahalasanan'ny Filoha Lech Kaczyński sy manamboninahitra 95 hafa, manomboka herinandro fisaonana amin'ny fomba ofisialy i Poland. Ankoatry ny habetsahan'ny fihetsika tamina toerana isan-karazany amin'ny aterineto, ireo hafatra amin'ny horonantsary koa dia fitaovana iray matanjaka anehoana ny fihetsehampon'ny firenena manontolo.
Rosia: Fampihomehezana amin'ny aterineto tamin'ny andron'ny lainga
Na dia nosembanin'ny voina sy ny alahelo [RUS] aza ny fiandohan'iny herinandro iny, niezaka ny nanome toerana ho an'ny tsikitsiky teo amin'ny fiainany ihany ireo mpitoraka blaogy Rosiana sy ireo adalan'ny solosaina. Ireto misy fampihomehezana vitsivitsy natolotr'ireo mpitoraka blaogy sy orinasana maro mpanao rindrambaiko .
Kazakhstan: Adihevitra mikasika ny vokatry ny lalao olaimpika
Somary tsotsotra ihany ny fahaiza-manaon'i Kazakhstan tamin'ny lalaon'ny ririnina Vancouver noho ny medaly vola fotsy iray mba azon'i Elena Krustaleva tamin'ny biathlon 15km-n'ny vehivavy. Avy any Rosia i Elena ary nihazakazaka ho an'i Rosia foana nefa dia araka ny miseho dia novidian'i Kazakhstan izy ary dia nisy vokany izany, hoy...
Rosia: Eritreritra manodidina ny politika sy baomba nipoaka t@ metro
Herinandro izay no lasa taorian'ireo baomba nipoaka tamin'ny 29 Marsa tany amin'ny metrô-n'i Moskoa, izay nahafatesana olona 40 sy naharatrana olona mihoatra ny 100. Indreto apetraka eto ambany eto ny singa vitsivitsy amin'izay adihevitra ataon'ny mpamaham-bolongana miteny Rosiana amin'izao fotoana izao. mpampiasa ny LJ matiutia no nanoratra (RUS) momba ny fifanenana...