Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Avrily, 2011
Azia Afovoany: “Cyber Chaikhana,” Boky Nosoratan'Ireo Mpitoraka Bilaogy
"Cyber Chaikhana" dia tetikasam-boky iray mikasika ireo mpitoraka bilaogy any Azia Afovoany sy ny fomba fahitàn'izy ireny ny any amin'ny faritra, ny kolotsaina sy ny fianana andavanandro. Natontan'i Christopher Schwartz sy navoakan'i HIVOS, ilay boky dia fantina an'ireo fitantarana nosoratan'ireo mpitoraka bilaogy ao amin'ny NewEurasia.net, ilay tambajotra fitorahana bilaogy ao Azia Afovoany. Ny tanjon'ilay tetikasa dia ny sady hahazo mpamaky betsaka na ao Azia Afovoany (miteny Rosiana), na manerantany
Azia Afovoany: Hevitra sy zava-baovaon'ny BarCamp
BarCamp ao Azia Afovoany, valandresaka tsy miresa-barotra faha-efatra ho an'ireo za-draharaha amin'ny valan-tserasera no natao tao Almaty, Kazakhstan, ny 15-17 Aprily 2011, ka nahavory ireo mpanao gazety, bilaogera, manam-pahaizana manokana momba ny TIC , mpikirakira ny web sy ireo rehetra izay liana amin'ny Aterineto sy ny fomba vaovao fampitam-baovao. Zava-baovao ny...
Rosia: Saripikan'i Moskoa, nanodidina ny taona 1931
Mpisera LJ nikolas11 no mizara [ru] sary vitsy mpanana ahitana an'i Moskoa nanodidina ny taona 1931 nopihan'i Branson DeCou, Mpivezivezin'ny taonjato XX sy mpaka sary. Sary nolokoina tanana mamelatra ny renivohitra Rosiana roa taona taorian'ny “Fiolahana Lehibe” ary nialoha ny nandravan'ny Bolshevika ny fiangonana maro tao Moskoa.
Belarosia:Ny Ambadiky ny Baomba sy ny Fipoahana
Tsy mbola levona akory ny setroka naterak'ilay fipoahana tao amin'ny Metro ao Minsk tamin'ny Alatsinainy, ny fanontaniana roa manao hoe : "Inona no tokony hatao? - Iza no tompon'andraikitra?" no apetraky ny tontolon'ny fitorahana bilaogy Belarosiana. Firehan-kevitra roa lehibe no mibahana, fiampangana na ny Filoha President Lukashenko na ny mpanohitra ara-politika, na eo aza ny fihetseham-po lalina mankany amin'ireo niharan-doza toa mampiray ny vahoaka ao Minsk.
Belarosia: Fihetseham-po taorian'ny fipoahana tao anaty metro
Nahafaty olona 12 hatramin'izao ny baomba nipoaka tao anatin'ny fiantsonana ktyabrskaya, métro any Minsk ny 11 aprily 2011 teo, ary an-jatony ireo naratra. Vetivety kely taorian'ny loza niseho, nandray ny fampaherezana nalefa tamin'ny tweet ireo fianakaviana sy naman'ireo niharam-boina tamin'ny alalan'ny tenifototra #minsk sy #minskblast (fipoahan'ny minsk). Nitanisa vavolombelona maromaro tao an-toerana...
Okraina: Miteraka resabe ny dite “Stalin”
Fihetseham-po misavoritaka izay mitodika amin'ny rafitra kaominista fahiny no tsy ananan'ireo mpamokatra ny fitrandrahana azy. Tetyana Bohdanova mitatitra nby adihevitra mivaivay misy amin'izao fotoana eny anivon'ireo Okrainiana mpiondana aterineto, nateraky ny dokambarotra momba ny dite nomena anarana hoe Joseph Stalin.