Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Desambra, 2012
Hamehana Noho Ny Ranomandry Ao Okraina Andrefana
Ny Alahady 16 Desambra, anjatony ireo fiara no voageja teny an-dalamben'i Okraina Andrefana noho ny tafiotran-dranomandry mavesatra nisy. Araka ny nambaran'ireo mpampita vaovao mahazatra isan-karazany sy ny tatitr'ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, enjana be ny zava-nisy, satria marobe tamin'ireo tavela tany anatin'ny fiarany no nanomboka lany vatsy, rano sy solika, nefa ny toetrandro tsy nihatsara mihitsy.
Mamy Manaikitra Ny Sioka Ho an'ny Depiote Kyrgyz Malaza
Nanipy adihevitra ilay solombavambahoaka Kyrgyzy tao Kyrgyzstan, mikasika ny hoe: rehefa inona ny mpanao gazety no afaka manatsonga sioka amin'ny Twitter ho halefany vaovao na tsia. Nivinitra i Shirin Aimatova, mpikambana ao amin'ny Antoko Ata-Meken amin'izao fotoana izao raha namoaka ny siokany nandritra ny olan'ny antenimiera farany teo ny bilaogim-baovao ao an-toerana...