Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Febroary, 2017
Ao Anatin'ny Toeran-Tsarotra ny Twitter Ao Rosia
Nahoana ny Twitter no mankatoa ny fitakian'ny Kremlin hanivana sioka ao anatin'i Rosia? Satria sarotsarotra ny fandidiana.
Tampoka teo Dia Tadiavin'ny Mpanivana ao Rosia Ho Fantatra Bebe Kokoa ny Momba ireo Fantsona Telegram
Niaraka tamin'ny fanampian'ny hetsika politika iray natombok'i Poutine, nanao fivoriana nikatom-baravarana niaraka tamin'ireo mpanoratra marobe avy amin'ireo fantsona Telegram ilay mpanivana federaly ao Rosia, Roskomnadzor. Tsy misy mahalala izay antony, na iray aza.
Tratran'ny Mpanaramaso ny Ady Amin'ny Kolikoly Okrainiana Indray Ireo Depiote Mandatsa-bato Imbetsaka
Knopkodavstvo, na tsindry bokotra fanampiny, araka ny fahafantarana ny paikady, no manjaka amin'ny latsa-bato ao amin'ny parlemanta ao Okraina nandritra ny taona maro.
Okrainiana Roa Voasazy Dimy Taona Am-Ponja Noho Ny Fanohanana Ny Fisintahana Ao Amin'ny Media Sosialy
Nosazian'ny fitsarana ao an-tanànan'i Sloviansk ny lehilahy roa noho ny fandrahonana ny filaminam-pirenena ao Okraina.
Endrika Sarimiaina Manaitaitra Filàna No Endrika Manambina Tsy Ofisialin'ny Mpanivan'ny Governemantan'i Rosia
Ilay endrika mpanjakazaka “Roskomnadzor-chan,” nomena anaran'ny masoivoho federaly ary fantatra amin'ny anjarany ao anatin'ny sarimiaina manaitaitra filàna ao amin'ny Aterineto, no lasa endrika manambina tsy ofisialin'ny mpanivana ao amin'ny fanjakan'i Rosia.
Endrika Maharikoriko Namboarinà Holande Ilay Sary Mahatsikaiky Farany indrindra Tamin'ny Aterineto Aterineto tao Rosia
Raha mandany fotoana betsaka loatra miditra amin'ny Aterineto Rosiana ianao, izay tsy maintsy ahitanao zavatra mitovitovy amin'ny otaria mipetraka ambony seza, manery ireo tanany sady miandry milamina. I Zhdun io.
Ny Rosiana Misompatra Ny Angano Tianareo. (LOL.)
Tsy natao ho an'ny olona rehetra, nefa raha mahafehy ny teny Rosiana sy Anglisy ianao, ary tsy mampaninona anao ny teny ratsy kely,, azo antoka fa ho tianao ity sary mahatsikaiky ity.
Gazety Mpanàla Azy Milaza Amin'ireo Mpanararaotra Ny Fomba Hitrandrahana Ny Fanaovan'ny ao Rosia ny Herisetra An-Tokantrano ho tsy Heloka Bevava
Nozarain'ny “Life”, gazety mpanala azy mpiandany amin'i Kremlin ny lahatsary iray hafahafa, nomeny lohateny hoe “Tiany Ianao Matoa Darohany,” tamin'ny fitetezany ireo “laharana dimy voalohany amin'ny endrika isehoan'ny herisetra an-tokantrano".
Mananontanona Ilay Hopitaly Fitsaboana Homamiadana Tsara Indrindra Any Maosko Ny Fisintahan'ny Fanjakana
Hikatona miaraka amin'ireo fanakianana mampitebiteby noho ny hetsika goavana mankany amin'ny fisintahan'ny fanjakana Rosiana amin'ny rafitry ny fisahanana ny ara-pahasalamana ny Hopitaly No62 any Maosko.
Polisy Rosiana, Very Fomba Iray Tsotra Hamandrihana ireo Mahery Fihetsika Amin'ny Aterineto
Tamin'nyTalata 24 Janoary, raha nanitsy ny iray amin'ireo tefiny momba ny fiainana manokana, nampihena be ny isan'ny sary nozaraina ho azon'ny rehetra jerena hita tany anaty pejy manokana ny Vkontakte. Tamin'ny talata, raha nanitsy ny iray amin'ireo tefy momba ny fiainana manokana, ny tambajotra sosialy Vkontakte nampihena be ny isan'ny tahirin-tsary nozaraina am-pahibemaso hita any amin'ny pejin'ny kaonty manokana.