Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Septambra, 2011
Kyrgyzstan: Habetsahana sy Hatsarana mialoha ny Fifidianana
Hisy fifidianana Filoham-pirenena ilay firenena kely nalaza tamin'ny rotaka politika amin'ny volana Oktobra 2011. Ankehitriny dia manam-bintana halaza amin'ny zavatra hafa indray i Kyrgyzstan: mpizaka zom-pirenena Kyrgyz 83 no nisoratra anarana hifaninana hameno ny banga amin'ny sezan'ny Filoha. Mahavalalanina ihany ny lisitry ny kandidà. Misy ny mpahay lalàna, tantsaha, mpandraharaha,...
Kazakhstan: Nitory Ny Fiverimberenan'ny Sakana Atao Amin'ny LiveJournal Ireo Bilaogera
Ny 19 Aogositra, ny sehatra fitorahana bilaogy lehibe indrindra amin'ny teny Rosiana, Livejournal, dia voasakana tao Kazakhstan, herintaona latsaka taorian'ny namerenana nanokatra indray ny fahafahana miditra tao aminy tany amin'ny faran'ny taona 2010.
Rosia : Sigara Natao Ho An'ny Vehivavy Tanora Nahatonga Fifandirana
Dokambarotra iray vao tsy ela izay sy fonosana navaozin'ilay orinasa mpanao sigara isan'ny matanjaka ao Rosia no nahasosotra ny bilaogera Rosiana ka nahatonga adihevitra teo amin'ny andraikitra ara-barotra sy ny dokambarotra. Nanaraka akaiky ilay raharaha i Ashley Cleek .