Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Novambra, 2014
Voafehin'i Kremlin Raha Propagandy, Fa Tsy Ny Photoshop: Fihomehezan'ny RuNet Manoloana ny Sary Hosoka MH17
Niteraka vazivazy tao amin'ny RuNet ny sary zanabolana vaovao voalaza fa mampiseho porofo mivaingana fa tompon'andraikitra tamin'ny fianjeran'ny sidina MH17 Malaysia Airlines i Okraina.
Sazian'ny Governemanta Rosiana Ny Vondrona Mpanohana Ny LGBT Noho Ny Filazan'izy ireo Fa Mahery Fo Ny Tanora Pelaka
Toa milaza amin'ireo ankizy LGBT ny governemanta Rosiana fa mampidi-doza ny hafa izy ireo; ary mila ny fanarahamason'ireo mpitsabo izy ireo
Mbola Miady hevitra Ny Lafitsara Sy Ny Lafiratsin'ny “Halloween” i Tajikistana
Tafaverina indray ao anatin'ny fandaharan'asan'ny governemanta any Tajikistana ny andro fialan-tsasatry ny "Halloween", midika izany fa tokony hitandrina ireo mponina manana voatavo lehibe.
Rosia : Nanampy Tamin'ny Fangalarana Vola 5 Lavitrisa Dolara Amerikana i Alexander Belov, Hoy Ny Polisy, Nefa Mbola Tian'ireo Mpanohitra Havotana Ihany
Navaivay tamin'ity herinandro ity ny ahiahy mikasaika ny fiarovana ara-batana an'i Belov any amin'ny fitazonana vonjimaika, taorian'ny nanoratan'ny rahalahiny, Vladimir Basmanov, tao amin'ny LiveJournal mikasika ny tetikasan'ny Sampam-piarovana Federaly (FSB) ny hampijaly an'i Belov any am-ponja
Hitan'ny Mpikatroka ny Mahareniranontay Ny Reniranon'i St. Petersburg
Tamin'ny fikarohana nomen'izy ireo anarana hoe “Zotran-Diky", dia nametraka fitaovana - famantarana GPS sivy nohakelezina sy tsy mety lena ao anaty tranom-pivoahana tamin'ny fonenana iray ireo mpikatroka ary nanomboka nandrakitra an-tsarintany ny marika napetraky ny fitaovana.
Videon'ny Hollaback! Maharitra Ora 10 : Izao Ve no Hamaritana Ny hoe Fanorisorenana?
Mafana dia mafana tokoa ny adihevitra nataon'ny mpiserasera tamin'ny lahatsarin'ny Hollaback! nifandresy lahatra ary matetika nifandramatra tamin'ny dikan'ny hoe fanorisorenana sy ny fanavakavahana.
Vokatra Landihazo ao Ouzbékistan : Volamena Fotsy Mampanankarena Ny Fitondrana Fa Tsy Ny Vahoaka
Fantatra amin'ny asa an-terivozona ary indrindra ny fampiasana ankizy i Ouzbékistan. Tafiditra amin'izany ny asa fiotazana landihazo izay ny filoha no mahazo tombony be indrindra amin'izany.
Mety Ho Lalana Iray Hanasemporana Ireo Media Tsy Miankina Ny Fanamboarana Aterineto Haingam-pandeha Any Rosia
Ao Rosia, izay ahitàna fihenana haingana ho an'ny anjaran-toerana amin'ny sehatry ny Aterineto an'ireo media tsy miankina, loza iray lehibe mananontanona ny vinavina hisian'ny fahataperan'ny tsy fiandaniana sy ny fanivànana ny votoaty amin'ny Aterineto.