Ny Ady Ao Okraina Amin'izao Fotoana Izao

 

A Ukrainian military helicopter flying over Ukrainian regular troops in the Donetsk region. YouTube screenshot.

Angidimby an'ny miaramila Okraniana misidina eo ambonin'ny tafi-panjakana ara-dalàna Okraniana ao amin'ny faritr'i Donetsk. Dikasary YouTube 

Tamin'ny 25 May 2014, nanao fifidianana filoham-pirenena nialoha ny fotoana i Okraina. Lany tamin'ny dingana voalohany, tamin'ny isam-bato mihoatra ny 50 % i Petr Poroshenko, lehilahy mpanankarena andavitrisany. Na dia izany aza anefa, nijanona ho ratsy hatrany ny toe-draharaha teny an-kianja tany Okraina Atsinanana, nandritra ny faran'ny herinandro nisian'ny fifidianana, ary tsy nampiseho afa-tsy fiharatsiana. Miseho hatrany amin'ny tambajotra sosialy ny ady, izay efa zava-nisy nandritra ny herinandro maromaro izay. Vao maika hita toa nibaribary izany tamin'ny kaonty Facebook-n'ny iray amin'ireo  “cyber-punk”, miaramila ivelan'ny fitondràna, olom-pirenena mitam-basy mifanaretsaka ao amin'ilay faritra.

I Semyon Semyonchenko, lehiben'ny fikambanana “Donbass Battalion,” fikambanana milisy milatsaka antsitra-po, izay hita fa vatsian'ireo Okrainiana miankina amin'ny fanjakana, nandefa tatitra momba ny zava-misy ao amin'ny kaonty facebook-ny (mitovitovy amin'ny ataon'i Igor Strelkov, lehiben'ny vondrona mpisintaka Slavyansk, izay manely vaovao amin'ny bilaogy LiveJournal). Tamin'ny Zomà, nanao fanavaozana maro i Semyonchenko tamin'ny alalan'ny findainy, izay niantomboka tamin'ity iray ity:

Только что в районе с.Карловки Донецкой области батальон “Донбасс” попал в засаду. Принял бой. Против батальон работают автоматчики, снайпера и РПГ. Есть раненые. Отойти не можем, потому, что часть людей находится в окружении. Просим подмоги находящихся поблизости воинских частей.

Amin'izao ankehitriny izao, eto amin'ny manodidina ny tanànan'i Karlovka, faritry Donetsk, tratran'ny fandrika ny Donbass battalion. Nipoaka ny ady. Mampiasa fitaovam-piadiana matanjaka, mpitily mahay ary tafondro mandefa grenady ny fahavalo. Nisy ireo naratra. Tsy afaka mihemotra intsony izahay satria ny sasany amin'ireo namanay efa voahodidin'ny fahavalo. Mangataka fanampiana amin'ireo miaramila akaiky eto izahay.

Namaly izany ny mpitondra fanehoan-kevitra iray:

Это жесть просить подмоги на фб, а что нет штаба, где координируются все передвижения? Удачи вам!

Toa tsy manaraka lalàna koa izany mitady fanampiana amin'ny FB izany, angaha moa tsy misy foibe fibaikoana izay andaminana ny hetsika rehetra ? Mirary soa e!

Ny tsy fisian'ny fiaraha-mitantana no tena lesoka be teo amin'ireo andian-tafika Okrainiana tsy ara-dalàna mpilatsaka antsitra-po nanampy ny “hetsika Manohitra ny mpampihorohoro” tao Okraina Atsinanana. Naohararaotin'ireo mpisintaka io hampihitsohana sy ho fandresena ho azy, na dia tsy nanana fanampiana an-habakabaka aza izy ireo. Nisy fanavaozana indray tao aoriana kelin'ilay lahatsoratra nalefa voalohany, izay mangataka fiara tsy laitram-bala (APC) hitaterana olona, ary manamafy fa tsy noraharahian'ny mpitondra mahefa teo an-toerana akory ireo antso fanampiana nataon'ireo miaramila Okraniana tao an-toerana. Fanavaozana hafa indray ora roa taty aoriana, taorian'ny nahafahan'ny ankamaroan'ireo “battalion” tamin'ny fandrika, mangataka APC mba entina hanavotana ireo andiany voahodidin'ny fahavalo sy ataony fahirano ao amin'ny tranobe iray tsy misy mipetraka intsony. Notaterin'ny mpitoraka bilaogy Rosiana iray tato aoriana kely fa tratra babo i Semyonchenko, miaraka amin'ny mpikambana avy ao amin'ny “Donbass” hafa, izay nolaviny taty aoriana.

Taorian'ny fifidianana, tamin'ny 26 May, nanao tatitra mazava tao amin'ny Facebook-ny i Semyonchenko, momba ilay ady niseho. Tamin'ny niafaran'ny fifampitifirana naharitra adiny dimy, tao anatin'ny ekipa niisa 25, olona 5 no maty tamin'ny tariky ny “Donbass” ary 6 no naratra. Satria tokony holazaina amin'izany tatitra izany ny zavatra nitranga rehetra, voalaza fa mbola betsaka noho ireo ny fahaverezana teo amin'ny fahavalo — 11 no maty, ary 6 no naratra tao anatin'ny fahavalo niisa 100. (nilaza matetika ihany koa i Igor Strelkov, mpitarika ny vondrona mpisintaka, fa betsaka kokoa ny fahavoazan'ny fahavalo.) Tsy mazava moa hoe avy aiza no nahitan'i Semyonchenko ireo isa ireo, na ny loharanom-baovao milaza fa “mpahay ady chechen” no nandrafitra ilay vondrona “Vostok Battalion” noheverina ho nifanandrina tamin'ny “Donbass”. Fa ny fampielezan-kevitra mandritra ny ady dia fampielezan-kevitra mandritra ny fotoanan'ny ady, indrindra fa tamin'ny Facebook. Namarana ny lahatsoratrany ary nilaza fandresena moa i Semyonchenko:

Легко вооруженное гражданское ополчение жителей Донецкой области – батальон “Донбасс”, без всякой поддержки со стороны госструктур, нанес значительный урон вооруженным до зубов, прошедшему спецподготовку подразделению террористов.

Olona sivily zara raha manana fitaovam-piadiana avy amin'ny faritry Donetsk – ny vondrona Donbass battalion, miasa tsy misy fanampian'ny fitondràna, nandravarava ireo mpampihorohoro izay ampy fitaovam-piadiana sy nahazo fanomanana manokana momba ny ady.

Hita fa tsy mamaly an'i Igor Strelkov ao Slavyansk, izay misahana ny vondron'ny  mpisintaka “Vostok”– vondrona mitondra anarana mitovy, mampifanjevo, amin'ilay hery manokana Chechen izay efa ela no rava. Farafahakeliny, tsy naneho hevitra momba ny fifampitifirana nisy izy tao amin'ny tatitra nataony tamin'io andro io. (Kanefa, nivoaka tamin'ny vaovao tamin'ny endriny hafa indray izy tamin'ny faran'ny herinandro — mandidy ny hamonoana mpikambana roa ao amin'ny milisy mpisintaka noho ny “hala-botry.” Hita tamin'ny aterineto ny dika mitovy amin'ny didy nataony, izay niantsoany ny hanatanterahana ny fitsipika Sovietika tamin'ny Ady Lehibe faharoa. nanamafy ny fahamarinan'izany i Strelkov.) Mety ho milisy tarihan'ilay (naorin'ilay) mpanankarena andavitrisany Rinat Akmetov ny vondrona Vostok raha araka ny fanadihadiana nataon'ny sasantsasany amin'ireo Rosiana mpandalina, izay efa nanao avo feo manohitra ny fahaleovantenan'i Okraina Atsinanana. Vaovao vao haingana, niady tamin'ireo miaramilan'ny fitondrana ny “Vostok” hakàna ny seranam-piaramanidina ao an-tanànan'i Donetsk, nefa ao anatin'izao rahon'ady izao, izay maro ny milisy manao fisavàna eny ambanivohitra, beatsaka no azo andikàna azy io. Ny zavatra mazava izao dia, toy ny nofafàn'iny fifidianana iny tamin'ny fomba mahagaga ny olan'ny Okraina Atsinanana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.