Vao mainka nanaratsy ny fahalotoan'ny rivotra any amin'ny faritra maro ao amin'ny faritr'i Azia Atsimo Atsinanana ny doro ala matevina nitranga tao Indonezia. Nitondra zavon-tsetroka ilay fahamaizana, nateraky ny haintany sy ny fanadiovana faritra hanaovana tavy, zavona tsy teny amin'ny lanitra fotsiny tao Indonezia fa hatrany MAlezia sy Singapaoro.
Olana mateti-pitranga ny zavon-tsetroka izay anomezan'ny maro tsiny ireo fambolena tavy sy fomba fanaon'ny tantsaha madinika ary ireo toerana goavana fambolena voanio. Nampanantena i Indonezia fa hanenjika ireny olona sy orinasa ireny mba hampitsaharana ny doro ala.
Mandritra izany, mbola miparitaka ny afo ao andrefan'i Indonezia, ary mitohy midina mankany amin'ireo tanàna marobe ao amin'ny firenena sy i Malezia ary Singapaoro eo akaiky eo ny setroka.
Ireto ambany ireto ny sary sasantsasany mampiseho ny zavatra zakain'ireo mponina ao amin'ny faritra noho ny dona naterak'ilay zavon-tsetroka.
Indonezia
Malezia
Singapaoro
Tamin'ny 17 Septambra 2015, namoaka ity torolàlana ity ny Masoivohom-Pirenena ao Singapaoro momba ny Tontolo iainana mikasika ny fiantraikan'ilay zavon-tsetroka amin'ny fahasalamana:
Raha jerena ny kalitaon'ny rivotra ato anatin'ny 24 ora hoavy, tokony hampihena ny fampiasàna vatana mandritry ny fotoana maharitra na mitaky ezaka betsaka fanaony any ivelan'ny trano ireo olona salama tsara. Ireo zokiolona, bevohoka ary ankizy dia tokony hampihena ny fampiasàna vatana mandritry ny fotoana maharitra na mitaky ezaka betsaka fanaony any ivelan'ny trano, ary ireo taizan'aretin'ny taovam-pisefoana na aretim-po dia tokony hampihena ny fampiasàna vatana mandritry ny fotoana maharitra na mitaky ezaka betsaka fanaony any ivelan'ny trano. Ireo olona mahatsapa tsy dia metimety loatra, indrindra fa ireo zokiolona sy ny ankizy, dia tokony hanao fizahana fahasalamana.
Mampiasa ny tenifototra #sghaze ireo mpampiasa Twitter avy ao Singapaoro hizaràna sary. Rakotra zavon-tsetroka ilay toerana malaza Marina Bays Sands ao Singapoaro.
200 PSI is the new 400 PSI. #sghaze [Photo by my friend WK] pic.twitter.com/i0bGUWwfbZ
— mrbrown (@mrbrown) September 14, 2015
200 PSI no lasa 400 PSI vaovao. #sghaze [Sary avy amin'ny namako WK]
Will this lead to heaven #sghaze pic.twitter.com/Z3BuAnhrxt
— o,o (@jinglebells61) September 14, 2015
Hitondra mankany am-paradisa ve ity
Ary farany, ity hala tàhaka nalaina tamin'ilay afisy goavan'ny sarimihetsika Hollywood ity, manesoeso ny zava-pitranga ao Singapaoro andoany:
If Maze Runner is filmed in Singapore #sghaze pic.twitter.com/i0KTTfgZhc
— ㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤ ㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤ (@M2CTR) September 13, 2015
Raha tao Singapaoro no noraketina an-tsary ny Maze Runner
1 hevitra