
Ankohonana mitangina kodiarandroa sady misaron-tava hiarovana amin'ny setroka ao amin'ny faritanin'i Riau, Indonezia. Sary an'i Fachrozi Amri, Fizakàmanana @Demotix (9/17/2015)
Vao mainka nanaratsy ny fahalotoan'ny rivotra any amin'ny faritra maro ao amin'ny faritr'i Azia Atsimo Atsinanana ny doro ala matevina nitranga tao Indonezia. Nitondra zavon-tsetroka ilay fahamaizana, nateraky ny haintany sy ny fanadiovana faritra hanaovana tavy, zavona tsy teny amin'ny lanitra fotsiny tao Indonezia fa hatrany MAlezia sy Singapaoro.
Olana mateti-pitranga ny zavon-tsetroka izay anomezan'ny maro tsiny ireo fambolena tavy sy fomba fanaon'ny tantsaha madinika ary ireo toerana goavana fambolena voanio. Nampanantena i Indonezia fa hanenjika ireny olona sy orinasa ireny mba hampitsaharana ny doro ala.
Mandritra izany, mbola miparitaka ny afo ao andrefan'i Indonezia, ary mitohy midina mankany amin'ireo tanàna marobe ao amin'ny firenena sy i Malezia ary Singapaoro eo akaiky eo ny setroka.
Ireto ambany ireto ny sary sasantsasany mampiseho ny zavatra zakain'ireo mponina ao amin'ny faritra noho ny dona naterak'ilay zavon-tsetroka.
Indonezia

Mpirotsaka an-tsitrapo miezaka mamono ny afo ao amin'ny toerana iray fakàna fompotra ao Rimbo Long, Kampar, faritanin'i Riau, Indonezia. Sary an'i Fachrozi Amri, Fizakàmanana @Demotix (14/09/2015)

Miaramila mamono ny afo ao amin'ireo faritra fakàna fompotra ao Rimbo Long, Kampar, faritanin'i Riau, Sumatra Indoneziana. Sary an'i Fachrozi Amri, Fizakàmanana @Demotix (16//092015)

Mpihazakazaka manao tampin'orona ho fiarovana amin'ny setroka ao amin'ny faritanin'i Riau, Indonezia. Sary an'i Fachrozi Amri, Fizakàmanana @Demotix (17/09/2015)

Mpivarotra gazety manao tampin'orona raha rakotry ny zavon-tsetroka ny faritanin'i Pekanbaru ao Indonezia. Sary an'i Fachrozi Amri, Fizakàmanana @Demotix (14/09/2015)

Zavona matevina nandrakotra ny seranam-piaramanidina Sultan Syarif Kasim II ao amin'ny faritanin'i Riau, Indonezia izay niafara tamin'ny fahataràna sy fanafoanana sidina ivelany sy anatiny sasantsasany. Sary an'i Fachrozi Amri, Fizakàmanana @Demotix (9/15/2015)
Malezia

Rangahy iray manao tampin'orona eo am-pijerena ny findainy fa rakotry ny zavon-tsetroka matevioja i ny tanànan'i Johor ao Malezia. Sary an'i Fadzil Daud, Fizakàmanana @Demotix (9/13/2015)

Zazalahy misarona tampin'orona no sady milalao baolina tao Kuala Lumpur. Hita rakotry ny zavon-tsetroka ireo Tranoavo mampiavaka an'i Kuala Lumpur (ery aoriana). Sary an'i Mukhriz Hazim Mohammad Zabidi, Fizakàmanana @Demotix (9/13/2015)

Mpianatra mitondra tampin'orona mandritry ny fotoana fampianarana, nohon'ny zavon-tsetroka mandrakotra fanjakana maro ao MAlezia. Sary an'i Fadzil Daud, Fizakàmanana @Demotix (9/13/2015)

Tonga amin'ny haavo manohintohina ny fahasalamana ny fahalotoan'ny rivotra ao MAlezia ka manery ireo mpianatra mba hitondra tampin'orona any an-tsekoly. Sary an'i Fadzil Daud, Fizakàmanana @Demotix (9/13/2015)
Singapaoro
Tamin'ny 17 Septambra 2015, namoaka ity torolàlana ity ny Masoivohom-Pirenena ao Singapaoro momba ny Tontolo iainana mikasika ny fiantraikan'ilay zavon-tsetroka amin'ny fahasalamana:
Raha jerena ny kalitaon'ny rivotra ato anatin'ny 24 ora hoavy, tokony hampihena ny fampiasàna vatana mandritry ny fotoana maharitra na mitaky ezaka betsaka fanaony any ivelan'ny trano ireo olona salama tsara. Ireo zokiolona, bevohoka ary ankizy dia tokony hampihena ny fampiasàna vatana mandritry ny fotoana maharitra na mitaky ezaka betsaka fanaony any ivelan'ny trano, ary ireo taizan'aretin'ny taovam-pisefoana na aretim-po dia tokony hampihena ny fampiasàna vatana mandritry ny fotoana maharitra na mitaky ezaka betsaka fanaony any ivelan'ny trano. Ireo olona mahatsapa tsy dia metimety loatra, indrindra fa ireo zokiolona sy ny ankizy, dia tokony hanao fizahana fahasalamana.
Mampiasa ny tenifototra #sghaze ireo mpampiasa Twitter avy ao Singapaoro hizaràna sary. Rakotra zavon-tsetroka ilay toerana malaza Marina Bays Sands ao Singapoaro.
200 PSI is the new 400 PSI. #sghaze [Photo by my friend WK] pic.twitter.com/i0bGUWwfbZ
— mrbrown (@mrbrown) September 14, 2015
200 PSI no lasa 400 PSI vaovao. #sghaze [Sary avy amin'ny namako WK]
Will this lead to heaven #sghaze pic.twitter.com/Z3BuAnhrxt
— o,o (@jinglebells61) September 14, 2015
Hitondra mankany am-paradisa ve ity
Ary farany, ity hala tàhaka nalaina tamin'ilay afisy goavan'ny sarimihetsika Hollywood ity, manesoeso ny zava-pitranga ao Singapaoro andoany:
If Maze Runner is filmed in Singapore #sghaze pic.twitter.com/i0KTTfgZhc
— ㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤ ㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤㅤ (@M2CTR) September 13, 2015
Raha tao Singapaoro no noraketina an-tsary ny Maze Runner
1 hevitra