Fipoahana baomba fanaovana sorona ny tena iray indray no nitranga ny Alahady lasa teo (25 Septambra) tao Solo, afovoan'i Java ao Indonezia. Ilay fipoahana dia niseho tao amin'ny Fiangonan'i Kepunton, fiangonana protestanta iray, rehefa nirava ny fotoam-pivavahana ka iny nivoaka ny fiangonana iny ireo mpivavaka rehetra
Tamin'ny fotoana nanoratana, roampolo ny olona voalaza fa naratra ary roa ny olona maty tamin'ilay fipoahana. Anisany ilay mpanapoaka ilay baomba..
Ny Filoha Susilo Bambang dia nilaza [id] fa nahita fitoviana teo amin'io fipoahana tao Solo io sy ilay iray izay nitranga tao Cirebon enim-bolana lasa izay, ary araka ny fanadihadiana manokana nataon'ny polisy, dia natao ho fampitahorana ny mpiangona rehetra iny fipoahana iny.
Ireo mpisera Twitter nampiasa ny tenifototra #prayforsolo sy #pray4solo :
Mpisera Twitter tao Solo sy tany an-kafa no nandefa ny fiaraha-miory tamin'izy ireo sy naneho ny fahadisoam-panantenany mikasika iny tranga nampalahelo iny. Indreto ary misy fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpisera twitter, nampiasa tenifototra #prayforsolo sy #pray4solo :
@radixhidayat: Ini bukan soal agamamu dan agamaku. Ini soal Indonesiamu dan Indonesiaku. #prayForSolo
@papanjari: ini akibat dr masyarakat yg kurang mdapat pendidikan yg layak..mudah dipengaruhi org tdk bertanggung jawab.. #prayforsolo #prayforindonesia
@BiancaAllysa: Masi ngebom?astagfirullah islam tidak pernah mengajarkan umatnya untuk mencelakai sesama mahluk hidup
@RyuDeka: Tuhan, sesungguhnya kami lelah dengan segala tindak kebencian yang mengatasnamakan-Mu..#prayforSolo
@tarsih_ekp: Utk temen di media harap jeli, jangan bawa masalah #bomsolo ke ranah minoritas /pun mayoritas #pray4solo
Ary indreto ny fanehoan-kevitra avy amin'ny tenifototra #bomsolo :
@ferouz_afr: Selama gerakan ormas2 agama yg radikal yg jelas2 ada tdk d tindak dan d biarkan teror2 bom akn selalu ada krn d situ lah bibit2 nya #bomsolo
@gstff:#BomSolo Kepada para agen intelijen yg jadi makelar pengaburan persoalan: kalian semua penghianat bangsa.
@inyourdeathbed : Tsy ampy saina ilay nanao sorona ny tenany, tsy nahavita NA INONA NA INONA ianao kanefa mampatsiahy anay fa ny fitantanana ny governemantanay dia TSY FAHOMBIAZANA TANTERAKA. #BomSolo
@blangk_on: Ada pihak2 tertentu di republik ini yg tetap melihara monster pembunuh dg ideologi agama. Kapan pun bs mrk gunakan #bomSolo
@AlexKomang2000: Di mana kita mencari perlindungan keselamatan di negara ini?#bomsolo
Solo (fantatra ihany koa amin'ny hoe Surakarta) dia fantatra fa faritra mahabe mpanaraka an'i Abu Bakar Bashir, ilay emiran'i Tambazotra Al Qaeda Atsimon'i Azia teo aloha antsoina hoe Jemaah Islamiyah sady mpitarika ara-panahin'i Ngruki Al Mukmin.
Ny sasany amin'ireo mpianatr'i Ngruki teo aloha dia voarohirohy taminà fipoahana isan-karazany tao Indonezia. Na dia izany aza ilay fianarana dia tsy nakaton'ny governemanta Indoneziana mihitsy. Tetsy ankilany, ny haino aman-jery rehetra dia nanamarika ny fitomboan'ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ireo antokom-pivavahana ny taona 2010.