Tantara tamin'ny 06 Oktobra 2011
Tsy Fifankahazoan-dresaka Momba Ny Toerana Handraisana Ny Vovonana momba ny Fitantanana ny Aterineto (IGF)2012

Raha efa an-dalan'ny hanakatona ny varavarany ny andiany faha-6 amin'ny Vovonana momba ny Fitantanana ny Aterineto (IGF), mipongatra etsy anilany kosa ny fifamalian-dresaka momba ny toerana manaraka. Tsy nakàna ny hevitry ny mpiara-miombon'antoka rehetra ny amin'ilay toerana (anisan'izany, tsy ny governemanta na ny mpandraharaha fotsiny fa koa ny vondrom-piarahamonina sivily). Ary dia ireo nahilika tamin'ny fandraisana fanapahan-kevitra no tena manana olana mikasika an'i Azerbaijan.
Madagasikara: doro-trano namotika trano 164 any Amparihy, Taolagñaro [Fort-Dauphin]
trano miisa 164 no potiky ny doro-trano any any Amparihy, Taolagñaro [Fort-Dauphin] Madagasikara
Indonezia : Fipoahana baomba fanaovana sorona ny tena tao aminà Fiangonana Protestanta
Fiangonana protestanta ao Solo, afovoan'i Java ao Indonezia no tratran'ny fipoahana fanaovana sorona ny tena [andro maro lasa izay]. Mpampiasa Twitter tao Solo sy tany an-kafa no nandefa ny fiaraha-miory tamin'izy ireo sy naneho ny fahadisoam-panantenany mikasika iny tranga nampalahelo iny. Indreto ary misy fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpisera twitter tamin'ny fampiasana tenifototra #prayforsolo sy #pray4solo
Sina: Mpianatra Miofana Arak'asa Sa Mpikarama Vary Masaka?
Mba hiatrehana ilay olana dia nanomboka nandrisika ny fanorenana ivontoerana tantanin'olon-tsotra ny governemanta Sinoa mba hampitomboana ny isan'ireo sekoly manofana hiasa. Mizara ny tsy fahafaliany eto anivon'ny aterineto ireo mpianatra tafiditra amin'ilay lasitra "Orinasa etsy aloha, sekoly ao an-damosina".
Shina: Ny Sandan'ny Fitetezana Habakabaka
Kihondalana amin'ny hazakazaka hitety habakabaka indray ny fandefasan'i Shina tamin'ny herinandro lasa ny Tiangong-1 tobin-danitra azo onenana, iray amin'izay tokony atahoran'ny rehetra. Indrindra fa ny Aziatika mpiara-dia amin'i Etazonia, mazava?...
Fihaonan'ny Bilaogera ao Tonizia Andian'ny Fahatelo
Nisokatra tamin'ny Alatsinainy 3 oktobra tao Tonizia ny Fihaonana fahatelo ny bilaogera arabo, valandresaka no nisantarana izany. Niara-nikarakara ity fihaonana ity ny Global Voices, Nawaat sy ny fikambanana Heinrich Böll ; teo amin'ny...
Etazonia: Mitombo ny Tahan'ny Fahantran'ny Hispanika
Miharatsy hatrany ny toe-karena Amerikana. Manampy ny tahan'ny tsy fisian'asa efa tsy mety miala ihany koa ny tahan'ny fahantrana izay mahakasika vahoaka maherin'ny 46 tapitrisa, 15,1 isan-jaton'ny vahoaka, araka ny...