Ny 19 Jolay 2011, ny Filoham-pirenen'i Panamà, Ricardo Martinelli, dia nahatezitra ny Twitter. Toy ny mahazatra, nanomboka nibitsika momba ny tanjon'ny governemantany ny filoha (@rmartinelli) ary naneso ny mpanohitra. Nanomboka nanakiana [es] fanambarana iray nivoaka tamin'ny gazety mpivoaka isan'andro La Prensa izy, izay nanambara ny trosan'i Panamà (37%) raha oharina amin'ny an'i Etazonia (84%).
Sin argumentos, politicos neofitos y el diario del N0 a todo,no dicen que la relacion deuda pib es de 37% en Panama versus USA que es de 84%
Novaliany tamin'ny fanehoan-kevitra ratsy vitsivitsy taty aoriana kely, tamim-pahatoniana ny voalohany, na dia lasa nanelingelina aza raha nandevilevy azy tamin'ny fomba henjana i Osmar Nuñez (@osmaramed) noho ny fiakatry ny vidim-piainana any Panamà. Nofafàna ireo bitsika, nefa afaka jerena amin'ny sary izay mipetaka etsy ambany izany.
Novalian'ny Filoha tamin'ny teny izay nahatonga resabe mavaivay ilay bitsika: “hajao, hp” (Any Panamà, ny teny ‘hp’ dia manana dikany ratsy, mitovy amin'ny ‘sento’, zanakà mak***ly amin'ny Malagasy, son of a b***h ho an'ny Anglisy).
Tsy nisalasala ny haneho hevitra ireo mpampiasa Twitter ary namorona ny tenifototra #respetahp izay, voalohany sy manan-danja indrindra, nanokam-potoana mihitsy ry zareo Panameana hitady izay rehetra mety ho azo ambara ao ambadik'ilay teny.
Alvaro Mateu (@alvaromateu) naka ohatra tamin'ny toetoetran'i Harry Potter, ilay olo-malazan'ny boky sy sarimihetsika :
#RespetaHP Respeta Harry Potter
Juan José Castillo (@jjcastillo19) nandika izany ho toy ny fanoherana ny Ministy ny Fididiana ny Fitondram-panjakàna, Jimmy Papadimitriu :
#respetaHP quizo decir Hijo de Papadimitri @la_cascara
Erick Manuel Herrera (@xMavErick17) nisafidy ny handinika ny fahasamihafana kely mety hisy ara-politika sy ny mety hakana ho ohatra ny antoko mpanohitra PRD [es] :
@la_cascara respeta hambriento perredista. #RespetaHP
Nandritra ny fotoana maromaro, maro no naminavina fa hoe nisy nisandoka ny kaont Twitter-n'ny filoha, nefa tsy nisy na dia iray aza avy ao amin'ny Fitondrana nanamarina izany. Ny marina dia nofafàna ilay bitsika ary nibitsika [es] ny Filoha avy eo niampanga ny olona ho avy hatrany dia manao tsoa-kevitra maimaika, raha naka ho ohatra an'ilay mpamosavy malaza, Harry Potter fotsiny no nataony :
Para todos los mal pensados hp es Harry Potter. Gracias
Ho famaliana ny valintenin'ny filoha, Carlos Ernesto Riera (@CarlosErnestico) dia manontany tena, Fa inona no nataon'ilay mpanosavy tanora tamin'ny lohan'ny frenena? :
Eso es lo malo de Harry Potter por que le falto el respeto a nuestro presidente? #respetaHP
Namorona ny takelaka vohikala respetahp.com [es] ny vondrona Panameana iray, izay ahafahany maneho ny vava tsy ambiny.
Ho an'ny sasany, mampihomehy ny zava-miseho, kanefa ho an'ny hafa dia mahamenatra ny toetran'ny filoha. Ilay mpampiasa Twitter, Fútbol Extremo (@futbolextremo), dia mino fa na eo aza izay notenenin'i @osmaramed, tsy tokony namaly tamin'ny fomba tahakà izany ny filoha :
Ese señor se pasò con el presidente pero no se debiò igualar,,, que pena!!!!
Nito Cortizo (@NitoCortizo), iray amin'ireo antenaina ho filoha amin'ny 2014, dia nanamarika tao amin'ny kaontiny :
Los políticos tenemos q aprovechar las redes sociales para promover el debate de altura, recibir las ideas, criticas y consejos de todos.
Ny mpampiasa izay nahazo fanevatevana dia nampitombo ny lazany avy any amin'ny 20 ho any amin'ny mpanjohy mihoatra ny 800. Azo antoka fa hitohy ny lohahevitra, hanome zavatra azon'ny olona resahana ato anatin'ny andro vitsivitsy manaraka eo anivon'ireo tambajotra sosialy.
Mandritra izany, mbola miandry ny tena dikany marina ho an'ilay fehezanteny “hajao hp” ny Panameana.