Fanapoizinana sy fandroahana ao Paragoay ataon'ny indostrian'ny hena ao Eoropa

Sary nataon'i Naoko Okamoto sy Jazmín Troche ho an'i El Surtidor Illustration by Naoko Okamoto and Jazmín Troche for El Surtidor

 Nosoratan'i Maximiliano Manzoni ho an'ny famoaham-boky aman-gazety Paragoayana El Surtidor ity lahatsoratra ity, ary naverina navoaka ato amin'ny Global Voices indray araka ny fifanarahan'ny samy fampitam-baovao.

Mividy saozaha amin'orinasa na mpamokatra voarohirohy amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mihatra amin'ireo vondrom-piarahamonina indizeny sy campesino any Paragoay atsinanana anaty raharaha fito farafahakeliny ny Gargill sy ny ADM mpanondrana ara-pambolena an'i Etazonia, araka ny tatitra vaovao an'ny fikambanana Global Witness mpiaro ny zon'olombelona sy ny tontolo iainana.

Afaka nanamarina ny Global Witness fa ny saozaha tafiditra amin'ny trangam-panapoizinan'ny famonoana bibikely, ny famindran-toerana an-terisetra ny Vazimba teratany, ary ny fahafatesana mihitsy aza, dia voafangaro any an-tsompitr'ireo mpanondrana ara-pambolena, indrindra fa ny ADM sy ny Cargill. Afindran'ireo orinasa ireo ambongadiny mankany amin'ny seranan-tsambony any Arzantina sy Orogoay ny saozaha avy eo. Ary any no entina mankany amin'ny toerana andefasana azy farany: toeram-pambolena roa any Eoropa, iray ho an'ny akoho any Angletera (2 Sisters) ary iray hafa ho an'ny kisoa any Danemark (Danish Crown). Samy mamatsy ny henany any amin'ireo marika sy toeram-pivarotana Eoropeana maherin'ny 26, toy ny Carrefour, KFC, ary ny McDonald's ireo orinasa roa ireo.

Ny fihariana manapoizina sy mandroaka ireo vondronolona hivarotana saozaha any Eoropa

Ny ADM, ohatra, mividy saozaha avy amin'ny orinasa iray voampanga ho nanao famafazana vokatra ara-pambolena simika tsy ara-dalàna, miasa tsy misy fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana, ary manondraka famonoana bibikely amin'ny lalan-drano ao amin'ny faritr'i Colonia Yerutí any amin'ny faritra Paragoay atsinanana. Tamin'ny taona 2011, namoy ny ainy i Rubén Portillo noho ny soritr'aretina fanapoizinana tamin'ny famonoana bibikely, ary olona 22 hafa avy amin'ny vondrom-piarahamonina no naiditra hopitaly.

Tamin'ny taona 2019, nandidy hamely ny Fanjakan'i Paragoay ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona. Nanatsoa-kevitra izy fa tsy nahavita niaro ny zon'i Portillo ho velona, ny an'ny fianakaviany, ary ny an'i Colonia Yerutí iray manontolo ny orinasa ary tsy nampihatra ny lalàna mifehy ny fampiasana fanafody famonoana bibikely na nanadihady momba ny fahafatesana sy ny fanapoizinana. Ity no didy voalohany teto amin'izao tontolo izao tamin'ny raharaha mifandraika amin'ny fambolena ara-simika. Manohy miasa ao amin'ny faritra ihany koa ny Cóndor Agrícola, orinasa iray hafa voalaza tamin'ity raharaha ity. Tamin'ny taona 2021, nahazo hevitra hafa avy amin'ny Firenena Mikambana i Paragoay tamin'ny raharaha mitovy amin'izany, dia ny an'ny vondrom-piarahamonina Ava Guaraní ao Campo Agua'e, any Canindeyú ihany koa.

Ankoatra an'i Yerutí sy Campo Agua'e, nahita tranga dimy hafa izay, nahazoana tatitra fampiasana tsy ara-dalàna ny fambolena ara-simika ny Global Witness, misy ny ady tany izay ambolena ny saozaha amidin'ny mpanondrana ara-pambolena.

Indroa niharan'ny fandroahana an-keriny ny Ka'a Poty, vondrom-piarahamonina Vazimba Ava Guaraní tamin'ny taona 2021, ankoatra ny fandravana ny tranony sy ny sekoly. Vehivavy mitondra vohoka valo volana no namoy ny zanany noho ny herisetra natao nandritra ny iray tamin’ireo fandroahana. Nitranga izany rehetra izany na dia nanana titra amin'ny taniny sy ny didy navoakan’ny fitsarana manohana azy ireo aza ny vondrom-piarahamonina. Nalaza ho niaina nandritra ny valo volana teny amin’ny araben’i Asunción ny vondrom-piarahamonina talohan’ny niverenany tany amin’ny taniny tamin’ny  volana Jiona 2022. Mbola nitohy anefa ny fifanolanana tamin’ireo mpamboly saozaha. Tamin’ny volana aogositra teo, nanao bemidina tany amin'ny iray tamin’ireo toeram-pambolena izay miorina amin’ny tany lazain’izy ireo fa azy ny vondrom-piarahamonina. Voalaza fa nandrahona sy nidaroka ary nanafika ny mponina izy ireo. Olona miisa 17  avy ao amin'ny vondrom-piarahamonina no voasambotra tamin’ity raharaha ity.

Ao anatin'ny fifandirana ara-tantara, ara-pitsarana ary ara-politika, dia samy mividy saozaha avy amin'ireo mpamokatra miasa amin'ny tany takian'ny vondrom-piarahamonina Ka'a Poty ny Cargill sy ADM.

Fihariana manjavozavo

Afaka nanamarina ny Global Witness fa ny saozaha Paragoayana avy amin'ny ADM sy Cargill dia novidian'ny roa amin'ireo toeram-pambolena lehibe indrindra ao amin'ny kaontinanta any Eoropa farafahakeliny: 2 Sisters, orinasa Anglisy mpiompy akoho; sy ny Danish Crown, orinasa Danoà mpiompy kisoa. Nohamafisin'ny fikambanana fa mamatsy marika, toeram-pivarotana lehibe ary mpaninjara 26 farafahakeliny any Eoropa izy ireo, anisan'izany ny KFC, Lidl, Carrefour, Marks and Spencer, ary McDonald's.

Sarotra ny rojom-pamatsiana saozaha. “Indostria diso manjavozavo be izy io”, hoy ny fanamarihan’ny Global Witness tao amin’ny tatitra nataony. Niezaka nifandray tamin'ireo orinasa rehetra voakasiky ny tatitra ny fikambanana talohan'ny namoahana azy, manomboka amin'ireo mpamokatra saozaha any Paragoay ka hatramin'ny mpividy any Eoropa. Tsy te hamaly ny ankamaroan'izy ireo. Tamin'ireo izay nanao izany, tsy nisy nandà ny fikarohana afa-tsy ny ADM.

Ny fanjavoazoana ao amin'ny rojom-pamatsiana aza no mahatonga azy ho sarotra ny mamantatra raha saozaha nambolena tao Yerutí no ampiasaina manokana ho an'ny akoho sy kisoa avy amin'ny Crown Danish na 2 Sisters izay mamatsy hena, ohatra, mankany amin'ny McDonald's. Saingy izany fanjavozavoana izany ihany no mahatonga ny orinasa rehetra ao amin'ny rojom-pamatsiana ahiana ho mpiray tsikombakomba.

“Raha izany no izy, dia voarohirohy mivantana amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona izay misy fiantraikany amin'ny vondrom-piarahamonina indizeny sy campesino ao Paragoay ireo orinasa rehetra voalaza ao amin'ity tatitra ity,” hoy ny tatitra. Manitsakitsaka ny fenitry ny fandraharahana iraisam-pirenena izy ireo – toy ny Fitsipika mifehy ny Orinasa sy ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana (2011)  sy ny tari-dalan'ny Fikambanana ho an'ny Fiarahamiasa sy Fampandrosoana Ara-toekarena (OCDE) momba ny andraikitry ny vondron'orinasa amin'ny fampandrosoana sy ny ny paikam-pirosoana tsy manimba – izany hoe , tompon'andraikitra amin'ny fisorohana sy fandraisana fepetra manoloana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ireo mpamatsy azy ireo ry zareo. Hanitsakitsaka ny fitsipiky ny fanekena malalaka, mialoha sy efa nampahafantarina ihany koa ry zareo, izay lafiny fototra amin'ny Fanambaràn'ny Firenena Mikambana momba ny zon'ny Vazimba teratany (2007), izay nampiharin'i Paragoay tao amin'ny lalànany nanomboka tamin'ny taona 2018.

Ny ahiahy fotsiny amin'ny fifandrohizan'ny hena Eoropeana amin'ny saozaha avy any Yerutí na Ka'a Poty fotsiny dia efa mampiseho ny tsy fahombiazan'ny fizotran'ny “andraikitry ny tenany” ataon'ny orinasa Eoropeana. “Noho ny tsy fitandreman'izy ireo manokana, dia nandray anjara nandritra ny taona maro tamin'ny fandikan-dalàna toy ilay noraketinay tany Paragoay ny vondron'orinasa Eoropeana, sy ny mpivarotra,” hoy ny fanamarihan'ny mpikaroka.

Nanontanian'ny Global Witness momba ny vokatry ny fanadihadiana, nampitandrina i Marcos Orellana, mpampakatenin'ny Firenena Mikambana mikasika ny akora misy poizina sy ny zon'olombelona fa noho ireo mpamokatra tsy manaja ny lalàna dia “atahorana ho tafasaraka amin'ny tsena iraisam-pirenena i Paragoay, raha jerena ny fironana mihamitombo mba hahazoana antoka fa manaja ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zon'olombelona ny rojo famatsiana.”

Vakio ny lahatsoratra feno amin'ny teny Espaniola ao amin'ny El Surtidor.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.