Tamin'ny 31 Marsa, nandefa izao siokantsera manaraka izao ny mpanao gazety sady bilaogera Sarah Carr manontany ny raharaha Maikel Nabil Sanad amin'ny fitsarana miaramila. Ny bilaogera Nabil moa dia nosamborina tao an-tokantranony ny 28 Marsa, ary nampangaina ho “nanompa ny tafika” sy namoaka [Ar] “vaovao diso momba ny tafika”.
Mandritra izany fotoana izany dia mpisera Twitter maro no miampanga ny fampahalalam-baovao ao an-toerana tsy te-hahalala izay mahazo an'i Nabil, ka manontany ny mpanentana ny ON-TV ejipsiana (Yosri Fouda) mba hanome fanazavana amin'ity raharaha ity. Nanapa-kevitra ny hamelatra kokoa ny heviny momba ity raharaha ity i Fouda.
@YosriFouda: Plz don't ask me to demand release of anyone. I'm not a judge; I'm a journalist and I don't even know their charges. Fix your country
first.
Nanapa-kevita avy eo i Carr ny hiady hevitra amin'i Fouda momba ny anjara toerany amin'ny maha-mpanentana fahitalavitra azy.
@Sarahcarr: @YosriFouda U don't have to demand their release. Host someone on yr programme who will.
@Sarahcarr: @YosriFouda It might also be worth finding out the charges against people.
@YosriFouda Fa mety ilaina ihany koa ny mitady ny vesatra iampangana ny olona.
Niditra tamin'ity adihevitra ity ihany koa ny mpisera Twitter hafa.
@AmrBassiouny: @Sarahcarr @YosriFouda Yes, we need to at least bring the #MaikelNabil case to light. There is a media blackout about this, why?
@Adham_Mostafa: @YosriFouda When you said:”Fix YOUR country” are you not one of us???
Fa mitovy hevitra tanteraka amin'i Fouda kosa ny hafa
@DrZee01: @YosriFouda Well said , couldn't agree more.
@Neofluxs: @YosriFouda I respect you alot.you're a professional Journalist in a time where this is rare.God bless you 🙂
Vao maika nanamafy ny heviny i Fouda ary nilaza ny anjara toeran'ny fampahalalam-baovao araka ny fijeriny manokana.
@YosriFouda: Some thought Jazeera can liberate Jerusalem, some now think ONtv can start a revolution. They can't help if ppl don't help themselves first.
@YosriFouda: That frustration and pressure should be positively directed somewhere else and not at friends
Farany, ary lavitra an'i Yosri Fouda izay iray amin'ireo mpanentana vitsy amin'ny fahitalavitra mba ao amin'ny Twitter, dia miaza ny heviny amin'ity tifitra mafanavay mahazo an'i Fouda manokana ity i Andre. Nohitsian'i Fares ary fa mitsikera azy izy ireo amin'ny ankapobeny satria manaja azy.
@andreasfares: @YosriFouda We respect you. I'm sure you know this. But you also know that we are #ANGRY no one mentions the detainees as if they don't know.