11 Avrily 2011

Tantara tamin'ny 11 Avrily 2011

Brezila: Momba ny Fanokafana Ny Tahirim-Bakoky Ny Fitondrana Jadona

Napetraka ny fitorahana bilaogy ifarimbonana mba hangatahana ny fanokafana ny tahirim-bakoky ny fitondrana jadona miaramila Breziliana (1964-1985), tompon'antoka tamin'ny fampijaliana olona an'arivony sy famonoana Breziliana efa ho 380. ka tamin'ireo dia 147 no tsy mbola hita popoka ary tsy misy zavatra fantatra ny amin'izay niafaran'ny nofo mangatsiak'izy ireny. Mandrak'ankehitriny ny fianakavian'izy ireny dia mbola mangirifiry tsy mahalala ny tantaran-dry zareo.

11 Avrily 2011

Ejipta: Basboussa ho filoha!

Nanambara tao amin'ny kaontiny Twitter ny mpanolotra fandaharana sady mpikatroka ejipsiana Bothaina Kamel fa mety hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ravehivavy. Indreto ny tora-po manohana sy manohitra izany.

11 Avrily 2011