Tafintohina ireo bilaogera Toniziana tamin'ny fanesorana ny Minisitry ny Atitany vonjimaika Farhat Rajhi androany.Tamin'ny fihetsika tsy nampoizina, dia nosoloina an'i Hbib El-Seed izy.
Nandritra ny fihetsiketsehana izay namely ny firenena ny tapaky ny volana desambra tamin'ny taona lasa, niventsoventso ireo mpanao fihetsiketsehana hoe “Minisitera mpampihorohoro ny Minisiteran'ny Atitany.” Raha voatendry ho Minisitry ny Atitany anefa i Rajhi, dia nanomboka nihalefaka ny fahasosorana tamin'ny Minisitera. Araka izany, niasa toy ny Minisitry ny Atitany izy nandritra ny roa volana, nahazo indray ny fahatokisan'ny vahoaka noho ny fangaraharahany, sy noho ny fiezahany namaly ny hetahetan'ireo vahoaka ary noho ny toetranny tia vazivazy ihany koa.
Ny andro voalohany nandraisany ny asa, dia nanala mpiasa-panjakana ambony mpanao kolikoly miisa 45 i Rajhi. Nanome fahafaham-po tamin'ireo fitakiana roa lehibe notadiavin'ny olona izy – dia ny fandravana ny RCD, antokon'ny fitondrana teo aloha endriky ny famoretana sy ny kolikoly, ary ny Polisy miafina. Nandray anjara tamin'ny famerenana ny filaminana sy nanao izay hampitombina ny fitondrana taorian'ny fanjakan'i Baroa tao Tonizia nanjaka tany Tonizia rehefa voaroaka ny Filoha Toniziana teo aloha Zeine Al Abedine Ben Ali. Na dia teo aza ireo zava-bita malaza nataon'i Rajhi’, dia mbola tsy fantatra mazava ny antony nanesorana azy.
Nidera an'i Farhat Rajhi ny bilaogera:
Nandray ny vaovao tamin-katezerana sy fahagagana noho ny antony tsiambaratelo mbola nanesorana an'i Farhat Rajhi indray ireo bilaogera .
Tezitra mafy tamin'ny Praiminisitra vonjimaika Beji Caed Sebsi i Nizar Toumi noho ny fanapaha-keviny nanaisotra an'i Rajhiwas . Nanoratra izy hoe:
Nampiany hoe:
لمّلمّا جاء “هيبة الدّولة” منعه من المبادرة و من الاتّصال بوسائل الإعلام بدعوى أنّ النّاطق باسم الحكومة هو الوحيد المخوّل له الإدلاء بالتّصريحات ، و منع من اتّخاذ أيّ قرار منفردا و وقع إلزامه فقط بتطبيق قرارات الحكومة “هيبة الدّولة” ، ثمّ طُلب منه القبض على ناشطي الفيس بوك … و لم يفعل … فوقعت إقالته ، فرحات الرّاجحي كان بمثابة الجلد بالنّسبة للجسد ، الحاجز الأوّل لحمايته من الجراثيم
Nilaza i Merkhi Souhail:
Je croyais que le président provisoire n'avait pas le pouvoir de limoger un ministre ! En tout cas c'était ce que j'avais cru lire dans les articles de notre feu constitution.
Nampiany hoe:
Le profane que je suis ne peut trouver de bonnes raisons pour démettre cet homme simple de discours et qui avait démontré une efficacité jamais vue dans notre gouvernance. Ces deux qualité lui ont valu un grand respect et une popularité qui ferait mourirde jalousie nos politiciens en paille .
Fikambanan'ny Facebook miaraka amin'i Farhat Rajhi:
Ao amin'ny pejin'ny Facebook “Isika rehetra miaraka amin'ny Minisitry ny Atitany Farhat Rajhi” “Tous Unis Avec le Ministre de l'Intérieur Farhat Rajhi” ( All United with the Interior Minister Farhat Rajhi), i Sinda Boukhari nanoratra:
tous unis bech nraj3ou Mr farhat rajhi ministre de l'interieur
Alohan'ny naha-Minisitry ny Atitany azy, dia mpitsara i Rajhi. Pejy Facebook hafa indray no natao. Nahataona olona mpankafy maherin'ny 3000 tao anatin'ny 24 ora monja,ny lohateniny dia hoe:
لنا مع رجوع الراجحي كوزير عدل و يا السبسي يزي مالظلم نحن نقرر