Voaheloka 3 taona sy tapany an-tranomaizina i Hu Jia 

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Rehefa nigadra nandritra ny efa-bolana tany am-ponja ilay bilaogera monina ao Beijing, Hu Jia dia voaheloka higadra 3 taona sy tapany an-tranomaizina noho ny “fanozongozonana ny fanjakàna”, izay heverin'ny mpisolovavany Li Fangping fa ” mety hisarika tsikera maro iraisampirenena momba ny fanaraha-mason'ny firenena ara-politika alohan'ny Lalao Olaimpikan'i Beijing io fanapahan-kevitra io. “

Tsy vazivazy.

Ankafizo ny Lalao Olaimpika, Beijing, kanefa aza mitaraina. Ianareo ihany no nitady izany.

Nanana folo andro i Hu nampiakarana ny raharahany . Jereo eto raha maniry ny hahafantatra bebe kokoa ny fomba samihafa nanehoan'ireo bilaogera an'i Hu sy ny vadiny Zeng Jinyan ny fanohanany.  .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.