Meksika: Fanentanana hiarovana ny safidim-bato

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny jolay 2009)
cuidemos-el-voto_1246666001459Misy tranonkala vaovao iray mikasa hiaro ny safidin'ny Meksikana amin'ny fifidianan'ny 5 jolay (2009) manoloana ireo “fahavalo ela”: herisetra, karapanondro hosoka, fangalaram-bato, fanimbana ny vata fandrotsaham-bato ary ireo sakana hafa amin'ny fisian'ny fifidianana mangarahara. Tetikasa manjohy ny fihevitry ny “olontsotra tia mampita vaovao” ny “Cuidemos el voto [es]” [“Andao arovana ny vato”] izay hijery ireo fifanoheran-javatra hita mandritra ny fifidianana amin'ny alalan'ny tatitra SMS, Twitter ary ny tranonkalany manokana.

Ity “Cuidemos el voto” ity dia naorina tamin'ny Ushahidi, sehatra tovozina malalaka (open source) ahafahan'ny olom-pirenena mandefa torohay haingana sy amin'ny fomba tsotra amin'ny alalan'ny telefonin-tsela sy aterineto natao hitateram-baovao rehefa misy krizy: manangona tatitra, rohy, saripika ary lahatsary izy io ary mametraka azy ireny eo amin'ny sarintany izay azo anatsongàna ireo torohay. Vao haingana ny “maotera” no nampiasaina hanaovana fitateram-baovao: tamin'ny fiandohan'ny taona 2009, nampiasa azy ity ny tambajotram-baovao Al Jazeera hitateram-baovao momba ny ady tao Gazà ary taty aoriana ny tetikasa mahaleotena iray nampiasa azy hanaraha-maso ny fivoaran'ny gripan-kisoa.

Ity no tetikasa ofisialin'ny Ushahidi voalohany any Amerika Latina. Ekipan'olona malalatsaina manana fahalalàna eo amin'ny fifandraisandavitra, fandrafetana tanandehibe ary media elekthrônika no nanangana ity tetikasa ity ao Meksika, niaraka tamin'ny fanampian'ny Center for Future Civic Media avy ao amin'ny MIT. Anisan'ny mpitarika ity tetikasa ity i Óscar Salazar (avy amin'ny Colima, MX; Twitter) sy i Andrés Lajous (avy amin'ny Distrika Federaly, MX, Twitter, blaogy),miaraka amin'i Jorge Soto (Monterrey, MX) ary i José Oviedo (Colima, blaogy). Nataon'ity ekipa ity ny handika ny sehatra Ushahidi ho amin'ny teny espaniola, mba hanamora ny ezaka ataon'izay ekipa amerikana latina hafa te-hanao zavatra mitovy amin'izao.

Miantso ireo olompirenena meksikana ny “Cuidemos el voto” hitatitra izay tsy fanarahan-dalàna rehetra tsikariny na hitany amin'ny fampahalalam-baovao. Azo alefa amin'ny fomba maro ny tatitra:

  • Mampiasa takelaka elekthrônika ao amin'ny tranonkalan'ny “Cuidemos el voto [es]”
  • Mandefa SMS amin'ny laharana 55-3269-0062 (any Meksika), ahitana ny fari-pifidianana, tanàna, ary ireo karazana fanitsakitsahan-dalàna mila taterina
  • Mandefa imailaka ahitana ireo torohay mila lazaina ao amin'ny reporte@cuidemoselvoto.org
  • Mitatitra ny tranga ao amin'ny Twitter amin'ny fampiasana ny farangon-teny #cuidemoselvoto

Mba hahafantarana bebe kokoa ny fomba fitaterana tsara mandritra ny fifidianan'ny alahady, dia manome torohevitra fototra amin'ny famantarana ireo heloka ara-pifidianana sy ny fomba fanoratana azy ireny haingana amin'ny alalan'ny kaodin-tarehintsoratra efatra ny lahatsoratry ry zareo mitondra ny lohateny hoe “Ahoana no hitaterana toe-javatra mitranga? [es]”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.