Fampirantiana iray vaovao any UK mamerina ny lova navelan'ny governora britanika iray mahery setra ; hanaraka izany ve i Trinidad sy Tobago?

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2022)

Toerana roa ao Trinidad nomena ny  anaran'i Thomas Picton, izay governoran'ny nosy nanomboka ny 1797 hatramin'ny 1803, nandritra izany fotoana izany no namelany lova feno rà. Pikantsary nalaina tamin'ny Google Maps.

Ny 25 Mey 2020, namonoana an'i George Floyd,  lehilahy afrikana-amerikana izay matim-pahafatesana niadana, nampijaliana ary tena ampahibemaso teo am-pelatanan'ny polisy fotsy hoditra iray tany Minneapolis, Minnesota, no nampiakatra ny haavon'ny hatezerana manoloan'ny fiheverana ireo olona mainty hoditra any Etazonia sy ny fandraisana anjara manerantany tamin'ny hetsika Black Lives Matter (BLM).

Voka-dratsy iray ateraky ny fifantohan'izao tontolo izao indray amin'ireo olana momba ny tsy fitoviana ara-pirazanana dia andrana niraisana handravàna ireo rafitra nahafahan'izany hitranga — ny ampahany sasany amin'izy ireo dia mbola nitoetra tsy nisy voakitika, manome fankatoavana an-kolaka ny tsy rariny mitohy amin'ny alàlan'io sariohatra izay ankalazaina eo ambanin'ny fanevan'ny tantara. Taorian'ny fahafatesan'i Floyd dia nisy antso vaovao hanesorana ny sarivongana izay nankalaza ireo tompon'andevo tsy mifaditrovana sy ireo hafa mpanavakavaka. Ohatra, nalàn'ny governemantan'i Barbados ilay sarivongan'i Horatio Nelson  tsy ho eo amin'ilay toerany avo tao amin'ny Kianjan'ny Mahery Fom-pirenena ao Bridgetown. Nandritra ny taona maro, nekena ho Britanika manamboninahitra mahay tao amin'ny tafika an-dranomasina izy, nefa tsy noresahana ny andraikiny tamin'ny varotra andevo namakivaky an'i Atlantika.

Ankehitriny, antenain'ny fampirantiana iray vaovao ao amin'ny National Museum Cardiff, izay haharitra hatramin'ny 3 Septambra, ny hamolavola indray ny lova navelan'ny olo-malaza ara-tantara iray hafa miteraka resabe ao Karaiba, dia ny Lieutenant-General Sir Thomas Picton, izay nifehy an'i Trinidad tamin'ny fomba hentitra fony izy governora, ny 1797 hatramin'ny 1803. Nandritra ny zato taona mahery ny sarin'i Picton no nitàna toerana nalaza tao amin'ny tranombakoka, nanome voninahitra ireo zava-bitany ara-tafika. Noho ny fitondrana feno habibiana nataony an'ireo olona miloko volonkoditra — na vazimba teratany na Afrikana andevo — dia nesorina tamin'ny taona lasa izany. Ankehitriny, naseho indray izy io, na dia samyh afa mihitsy aza ny toe-javatra sy ny hevitra manodidina azy.

Voalohany indrindra, tsy ao amin'ny teorana fototra ao amin'ny galeria intsony ilay sary, fa ao amin'ny efitra an-tsisiny iray tsotsotra kokoa ; tsy mihantona amin'ny rindrina, fa kosa, voarakitra mafy ao anaty vata vita tamin'ny lafin-takelaka hazo, izay milaza an-kolaka fa efa hivoaka ny trano izy io – zavakanto iray tsy mifanaraka amin'ny fotoana sy ny habaka maoderina intsony. Fanampin'izay, voapetraka tsara mifanaraka amin'ny tokony ho izy izao i Picton, voahodidin'ny torohay sy sary mampiseho ny fitondrany feno habibiana nataony an'ireo olona nofeheziny, anisan'izany ny fampijaliana an'i Luisa Calderón, tovovavy safiotra iray, 14 taona, izay voampanga ho nangalatra.

Nanasongadin'ilay fampirantiana ihany koa ireo sanganasan'ny mpanakanto Trinidadiana-Nizeriana Gesiye Souza-Okpofabri sy ny vondrona Laku Neg any Angletera, izay manana fifandraisana matanjaka amin'i Trinidad sy Tobago ireo mpanakanto ao aminy. Ny “Spirited”, sehatra fanandramana traikefa napetrak'izy ireo, dia ahafahan'ny mpitsidika mahafantatra izay mety ho niainan'i Calderón, hatramin'i Thisbe sy Present, vehivavy roa niharan'ny herisetra nataon'i Picton. Ny fomba fiasan'i Souza-Okpofabri misandrahaka amina taranja maro samihafa, kosa, dia mampiditra ny famolavolana tombokavatsa, ary koa ny fampisehoana sy ny sarimihetsika.

Hiverenana ny any Trinidad, mandray an-tsoratra ny olona, ​​manampy ny feony amin’ny resaka momba izay fomba tsara indrindra hiatrehana ireo lova sarotra toy ny an'i Picton. Niharihary ny fampifanandrifiana ny fananana ny andrana ataon'ny National Museum Cardiff hamerina handrafitra ny lova navelan'i Picton raha toa ka “mbola manome voninahitra ilay mpanao jadona” i Trinidad sy Tobago.

Tamin'ny Novambra 2021, fotoana fohy taorian'ny nanesoran'ny tranombakoka ny sariny tsy ho amin'ilay fampirantiana, nanoratra matoandahatsoratra iray ny Trinidad &Tobago Express:

Hafahafa ihany ilay toetsaina tsy mivaky lohan'ny T&T amin'ny fitazonana ireo marika manome voninahitra lehilahy iray izay nitantana ity firenena ity tamin'ny habibiana tsy voafehy ary nanorina ny harenany tamin'ny varotra andevo kanefa na ny tanindrazany aza tsy manaiky ny fanomezana voninahitra azy.

Nandritra ny fankalazana ny Andron’ny Famotsorana, ny 1 aogositra tamin’ity taona ity, dia niantso ny governemanta ny mpanorina ny Freedom Project Karaiba, Shabaka Kambon, mba hamerina handinika indray ireo tsangambato sy anaran-toerana manome voninahitra an'i Picton sy ireo hafa mpanjanaka izay namono maro tamin'ireo Afrikana sy Teratany nandevozina.

Vao haingana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ao Trinidad sy Tobago, Fitzgerald Hinds, no nanambara fa nanangana komity ny Praiminisitra Keith Rowley, volana lasa vitsivitsy izay, nomena andraikitra handinika ny olana momba ny fametrahana anaty teojavatra araka ny tokony ho izy ny tantaran'ny firenena sy hamaritra izay fomba mety indrindra hahatongavana amin'izany.

Tao amin'ny Facebook, nomarihan'i Dominic Kalipersad, mpankafy tantara sady mpikirakira media, fa alalana ho famonoana ho faty hatramin'ny 35 no nomen’i Picton nandritra ny fitondràny. Na teo aza izany, misy toerana maro any Trinidad sy Tobago mitondra ny anarany.

Tao anaty lahatsoratra iray tany aloha, nanamarika i Kalipersad fa:

Voasoratra ny tantara – ary indraindray naverina nosoratana – nataon'ireo mpandresy izany, izay no antony ahitantsika ireo toa an'i Sir Thomas Picton, Governora Britanika tao Trinidad tamin'ny 1797–1803, ho niankohofana.

Amin'ny maha-Lieutenant General azy dia izy no manamboninahitra ambony indrindra tamin'ny tafika britanika, lavo tamin'ny ady tao Waterloo tany Belzika, 200 taona lasa izay.

Na izany aza, ilay mahery fon'ny tafika britanika no ilay mpampahory an'i Trinidad.

Nahafantarana azy ny fampiasàna ny varotra andevo  mba hanangonana harena be, ary ny fomba fitondrany an'ireo Afrikana nandevozina dia nanamarika azy ho mpitarika iray tsy nifaditrovana.

Nampiasa fomba hentitra i Picton hanoherana izay rehetra olona ahiahiny ho nanandrana nanimba ny governemantany, ary tonga hatrany amin'ny fananganana fanantonana olona teo an-tokotanin'ny Lapan'ny Governemanta mba hampisehoana fa tena tsy misangy izy.

Ny pejy Facebook trinidadfolklo tamin'ny Andron’ ny Famotsorana dia nanampy:

Ny fanandevozana dia fanafoanana tanteraka ny tena ary ny rafitra ara-tsosialy sy ara-kolontsaina.

Picton, amin'ny naha-governora azy, no nanome baiko hamotehana ireo hazon-dandihazo satria notsidihan'ny Afrikana ho toy ny hazo itoeran'ny fahefana izy ireny. […] Tsy afaka mihitsy hanolo ny zavatra verintsika isika, saingy amin'ny fitadiavana dia hahita hatrany ny lalantsika isika.

Ny fanehoankevitra sasany momba ny fampirantian'ny National Museum Cardiff dia nalahelo noho ny faharavan'ny tantara, ka nanosoka hevitra ny mpampiasa Facebook LF Buckland:

Tsy ho ela dia tsy hanana tantara intsony isika. Ahoana no hahafantaran'ny taranaka ho avy ireo vaninandro tany aloha, raha esorina daholo ny zava-drehetra? Ny mahatsikaiky dia hoe ‘tanora no mitarika’ ity fanombanana ity, ary indrindra fa ireo manana fiaviana avy ao Trinidad.

Ao Trinidad, nahatsapa toy izany koa ny sasany tamin'ireo mpampiasa media sosialy, ny hafa kosa nihevitra fa manana olana maika lavitra tokony hovahàny ny firenena, saingy angamba ilay matoandahatsoratry ny Express no namintina tsara ny fahasamihafàna rehefa nilaza hoe, ” Fanesoana avo indrindra ny hoe tokony hangina amin'ny resaka Picton i Trinidad, amin'ny toerana rehetra. Na izany aza, ny tahotra asehon'ireo manam-pahefana sy ny sampana eo amin'ny fiarahamonim-pirenena manoloana ireo olana mampiady hevitra momba ny tantara, dia mampiseho fa mbola betsaka ny làlana tsy maintsy hizorantsika mba hahitàna herim-po hiatrehana ny lasantsika nampijaliana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.