Ny fihetsiky ny Ghaneana tamin'ny fampindraman'ny UK ny harena sarobidy norobaina tamin-dry zareo

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTuben'ny BBC NewsRavaka satroboninahitra norobain'ny miaramila Britanika naverina tany Ghana amin'ny alalan'ny fampindramana‘ avy amin'ny BBC News. Fampiasana ara-drariny.

Sambany tao anatin’ny 150 taona no hampodiana vonjimaika ilay akanjo regalia volamena sy volafotsy an’ny Fanjakana Asante (Ashanti), izay nangalarin’i Grande-Bretagne. Niditra tao amin'ny media sosialy ny Ghaneana mba haneho ny tsy fahafaliany momba ity fifanarahana fampindramana ity.

Araka ny notaterin'ny BBC, voalahatra haseho ao amin'ny Mozean'ny Lapan'i Manhyia ao an-tanànan'i Kumasi ao Ghana amin'ny faran'ity taona ity ho fahatsiarovana ny jobily volafotsin'ny mpanjaka Asante ireo entana ireo. Na izany aza, natao teo ambany fanekena fampindramana maharitra telo taona teo amin'i Otumfo Osei Tutu II, mpanjaka Asante ankehitriny, fantatra amin'ny anarana hoe Asantehene, izay nanatrika ny fanokanana ny Mpanjaka Charles III tamin'ny herintaona izany.

Nanao fanambaràna fa miara-miasa amin'ny Tranombakoka Victoria & Albert (V&A) any Londra sy ny Mozea Britanika ny Mozea Lapan'i Manhyia tamin'ny 22 Janoary, izay nanazava ny antsoin'izy ireo hoe “fiaraha-miasa ara-kolontsaina manan-danja.”

Fehezin'ny Lalànan'ny Mozea Britanika tamin'ny taona 1963 ireo mozea lehibe any UK, toy ny V&A sy ny Mozea Britanika mba tsy hamerina amin'ny fotoana maharitra ireo angon'entana ifandirana. Ny fifanarahana fampindramana no hany fomba ahafahan'ny mozea manamora ny famerenana ireo zavatra any amin'ny firenena niaviany.

Nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ara-kolontsaina sy ara-panahy ireo zavatra ireo i Nana Oforiatta Ayim, mpanolotsaina manokan'ny minisitry ny kolontsaina ao Ghana, ary nilaza tamin'ny BBC hoe: “Tsy zavatra fotsiny izy ireo; manana ny lanjany ara-panahy koa izy ireo. Anisan’ny fanahin’ny firenena izy ireo. Ampahany aminay miverina izany. ” Mihevitra izy fa dingana tsara amin'ny tsingerintaonan'ny fandrobàna, fihetsika ho amin'ny fanasitranana, ary fahatsiarovana ny herisetra nitranga ilay fampindramana.

Nilaza izy fa “fanombohana tsara” amin'ny tsingerintaonan'ny fandrobàna ny fampindramana ary “mariky ny karazana fanasitranana sy fahatsiarovana ny herisetra nitranga”. Araka ny tatitry ny Conversation, tao Kumasi no nitrangan'ny fandrobàna nandritra ny ady fahatelo sy fahefatra Anglo-Ashanti (1873–74 sy 1895-96). Tsy fihetsika nanararaotra fotsiny ihany ity fandrobàna ity fa nanana tanjona ara-politika ihany koa, mikendry ny hanala baraka ny mponin'ny fanjakan'i Asante, araka ny nasongadin'ny BBC sy ny Conversation.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny BBC, nilaza i Nana Oforiat Ayim fa tsy natao niaraka tamin'ny governemanta Ghaneana ny fifanarahana fampindramana fa natao mivantana niaraka tamin'ny mpanjaka Asante noho ny fahasarotana sasantsasany. Mifanohitra amin'izany, hita ho dingana tsotra kokoa ny fifampiraharahana tamin'ny mpanjaka Asante. Niainga avy amin'ny V&A ny fifanarahana ary nizotra tany amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna Ghaneana saingy niatrika fandavana noho ireo fepetra maromaro momba ny fomba tokony handraisan'i Ghana indray ireo entana ireo. Saingy, araka ny nasongadin'i Nana Oforiatta Ayim, inoana fa manana fahaiza-manao hamaritana ny fomba hikolokoloany ireo entany manokana i Ghana.

Antsipirihany momba ireo zavatra

Araka ny nambaran'ny BBC, fitambarana entana 32 no averina any Ghana: sombin-javatra 17 avy amin'ny V&A ary 15 avy amin'ny Tranombakoka Britanika. Anisan'izany ny mari-pamantarana telo mpanadio fanahy, saba-panjakana, satroka fanaovana amin'ny fombafomba ary valiha-harpa vita lasitra volamena. Azo tamin'ny lavanty tamin'ny taonjato faha-19 ny mari-pamantarana mpanadio fanahy, raha norobaina nandritra ny fifandonana tany amin'ny faritr'i Asante kosa ny sabatry ny fanjakana sy ny satroka amin'ny fombafomba. Na izany aza, tsy norobaina ilay valiha harpa vita lasitra volamena fa fanomezana ho an'ilay mpanoratra sady diplaomaty britanika, Thomas Bowdich tamin'ny taona 1817, ary natao ho fanomezana avy amin'ny Asantehene ho an'ny tranombakoka hanehoana ny harena sy ny satan'ny firenena Asante.

Fanehoan-kevitra tao amin'ny media sosialy

Niditra tao amin'ny media sosialy ny Ghaneana mba haneho ny tsy fahafaham-pony manoloana ity fifanarahana fampindramana ity.

Mpikirakira media sosialy maro no nanontany ny fomba hampindramana zavatra nangalarina tamin'ny tompony tany am-boalohany. Mpisera ao amin'ny X (Twitter taloha) nilaza hoe:

Zavatra norobaina ireo. Midika hoe nangalarina izay norobaina. Nahoana izy ireny no tsy averina tsy misy fepetra miaraka amin'ny fialan-tsiny? Nahoana izy ireny no hampindramina indray amin’ny tompony tany am-boalohany?

Halatra ve lasa fananana amin'ny toe-javatra sasany?

Araka ny nasongadin'i OkayAfrica, maro no mino fa ny fampiasana ny teny hoe “mampindrana” dia midika fa tsy Ghana no tompon'ny fananana.

Mpisera iray hafa ao amin'ny X nilaza hoe:

Wei…Raha toa ka mitovy tanteraka amin'ireo harena niaviany izany! Afaka mamolavola zavatra hafa ho azy ireo fotsiny izy ireo!

Manasongadina ny hasaro-padin'ny olana ireo fanehoan-kevitra amin'ny media sosialy, amin'ireo olona manontany ny amin'ny fampindramana entana halatra ary manantitrantitra ny tokony hamerenana izany.

Nilaza ny tatitra nasain'ny filoha frantsay Emmanuel Macron nambara fa ny 90 isan-jaton'ny fananana ara-kolontsaina afrikanina dia mipetraka ao amin'ny mozea eoropeana amin'izao fotoana izao. Nihamafy ny antso ho famerenana an-tanindrazana ireo vakoka nangalarina naseho tao amin’ny Mozea Tandrefana ireo, indrindra fa ireo maneho ny lova ara-kolontsain’ireo olona voageja norobain’ny tafika mpanjanaka tamin’ny taonjato faha-19 na novidin’ny misionera sy ny ambasadaoro tamin'ny fomba tsy ara-drariny. Anisan'ny ohatra miavaka ny sary sokitra Parthenon (The Elgin Marbles) sy ny Bénin bronze, izay efa niezahan'i Gresy sy Nizeria hiverina an-taonany maro.

Nahazo vahana be ity hetsika ity tamin'ny volana aogositra tamin'ny herintaona, nateraky ny tranganà halatra tao amin'ny Mozea Britanika, araka ny voamarika tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny UK Guardian. Nopotehin'ny fanitsakitsahana ny fiarovana sy ny habetsahan'ny entana tehirizina ny fiheverana fa ny tranombakoka tandrefana no toerana azo antoka indrindra hitehirizana ny harenan'izao tontolo izao. Ankoatra izay, milaza ireo mpitsikera fa miady mafy hampifanaraka ny andraikiny momba ny fahatakarana ara-kolontsaina amin'ny fampisehoana ireo entana voaroba ireo ny mozea.

Nanamarika i Nana Oforiatta Ayim fa novàna ny lalàna noho ny zavatry ny Holocaust, ary afaka manosika ny fanovàna ny lalàna ihany koa ny Mozea Britanika ahafahana mamerina maharitra ireo entana norobaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.