Naharay taratasy avy amin'ny rainy migadra any Azerbaidjan i Suad kely

Saripika an'i Arzu Geybullayeva

Tamin'ny Novambra 2023, dia nataon'ny fanjakana Azerbaijaney lasibatra ny mpiaramiasa mifampizara votoaty amin'ny Global Voices, Abzas Media, fampahalalam-baovao mahaleotena. Marobe tamin'ireo mpanao gazetin'ny Abzas Media no nosamborina tamin'ny famoronana fiampangana azy ho nanao kolikoly ary mbola eo ampiandrasana fotoam-pitsaràna ao Baku. Isan'ireny i Ulvi Hasanli, Abzas talen'ilay media, izay notànana nanomboka tamin'ny 20 Novambra. Na ny tranon'i Hasanli, na ny biraon'ny Abzas Media dia samy nosavain'ny pôlisy avokoa. Ho an'itsy farany, nolazain'ny pôlisy fa nahitan-dry zareo lelavola 40.000 tao. Nolavin'i Hasanli ny fisian'ny fifandraisany amin'ilay vola. Tao anaty fanambaràna iray tao amin'ny pejy Facebook-n'izy ireo, nilaza ilay sehatra, “Amin'ny maha-Abzas, mampahafantatra anareo izahay fa ny fitazonana an'i Hasanli, ny fisavàna tao an-tranony ary ny tao amin'ny faritry ny birao, dia tsy araka ny lalàna. Ny zavatra rehetra mitranga dia misy ifandraisany mivantana amin'ny asa fanaovan’ [i Hasanli] gazety. Takianay ny hamotsorana tsy misy hatak'andro an'i Hasanli.”

Hatramin'ny 2016  no efa lasibatry ny fanafihana denial-of-service (DDoS) ny Absaz, ka nisy faritra tao amin'ilay tranonkala no tsy afaka nidiran'ny daholobe. Tamin'ny 2017, voabahana tao an-toerana fotsiny ilay tranonkala, nahavoatery an'ireo mpitantana azy hanova ny anaran-tsehatra. Tamin'ny Aprily 2020, nisy fanafihana an-jotra indray nijirika ilay tranonkala, ka vokatr'izay, lahatsoratra nandritra ny volana iray no very ary nisy nandiso ny sasany tamin'ny lohatenin'ireo lahatsoratra. Dia lasibatra indray ilay tranonkala tamin'ny Febroary 2024.

Sazy fampidirana am-ponja efatra volana nialohan'ny fitsarana no azon'i Hasanli tamin'ny 21 Novambra 2023, nampangaina ho “manao risoriso vola vahiny”. Raha voatazona ny fanamelohana azy, hiatrika sazy famonjàna mety ho tonga hatramin'ny valo taona izy.

Tamin'ny 28 Febroary, namoaka taratasy iray nisokatra i Hasanli , nalefany ho an'i Suad, zanany vavy. Nadikan'ny Global Voices ary navoaka eto ilay taratasy tsy nasiana fanovàna.
Taratasy iray misokatra ho an'ilay zanaka vavy malalako indrindra
Ry zanako vavy mahafatifaty! Malahelo anao aho. Nalàna tamiko nandritra ny 90 andro ny fahafahako mahita, mamihina anao eto an-tratrako ary mandre ny hehinao. Nosamborina noho ny asa fanaovanay gazety izaho sy ireo namako — Sevinc Vagifgizi, Nargiz Absalamova, Elnara Gasimova, Mahammad Kekalov, ary Hafiz Babali.
Ry zanako malala, amin'izao fotoana izao, mbola vao herintaona sy enim-bolana monja ianao,. Tamin'ny fotoana nisamborana anay, mbola tsy namindra akory ianao. Saingy iray volana lasa izay, nandritra ny iray tamin'ireo fotoam-pitsaràna, nolazain'i Zibeyde, mpisolovava ahy, fa efa mandeha izao ianao. Izany angamba no fotoana tena mahafinaritra indrindra sy mahafatifaty eo amin'ny fiainanao. Hatramin'ny fotoana farany nahitàko anao, efa nianatranatra fihetsika vaovao sy fitondrantena vaovao ianao. Niriako ny hahita ireny fotoana ireny sy hiaina azy ireny. Hoy aho hoe “Niriako” satria tsy nisy andro iray niposaka ka tsy niandrasako ny hisamborana tampoka anay noho izahay nanao fanadihadiana sy namboraka ny kolikoly izay nangalatra ny anio sy ny ampitson'i Azerbaijan. Ary dia izay indrindra no nitranga. Voasambotra izahay. Satria nivadika ho lasa firenena faran'izay mpamoritra indrindra eto amin'izao tontolo izao i Azerbaijan. Ary tsy maintsy ao anatin'ireny fotoana mamoadoza sy feno fampitahorana ireny no miasa ny mpanao gazety.
Ry zanako vavy malalako indrindra, tsy mbola ampy tsara ny taonano mba hamakianao izay voasoratro androany. Saingy soratako ity taratasy ity satria mangataka ny famelànao aho noho ny tsy naha-teo anilanao ahy sy mba tsy hanomezanao tsiny ahy amin'ny hoavy vantany vao takatrao izay zava-nitranga.
Ry Suad manjakely, ireo rehetra mpanao gazety ao amin'ny Abzas Media dia natoka-monina daholo anaty fepetra faran'izay henjana, nanomboka tamin'ny andro nisamborana an-dry zareo, telo volana lasa izay. Raràna izahay tsy hifankahita amin'ireo havan-tiana, na handre ny feon'izy ireny anaty telefaona. An-kerisetra no nanakanan-dry zareo ahy tsy hamihina anao, zaza vao valo ambinifolo volana monja, mandritra ny dimy hatramin'ny folo segondra fotsiny. Tsy mbola afaka mahita na manoroka anao aho. Naverina indray eto Azerbaijan ny fitondràna tsy refesimandidy sôvietika, satria fotopisainana sôvietika no mifehy ny firenena. Ankehitriny, saziana noho ny heloky ny rainy, ny an'ny reniny ny ankizy, ary ny ray aman-dreny noho ny an'ireo taranany. Tsy avela hahazo ilay hany fidirambolan-dry zareo ny reninay — ny fisotroan-drononony — satria nobahanana ny karatrany, raha ho an'ireo namanay indray dia nogiazana ny kaonty any amin'ny banky, ary tsy avela mivoaka ny firenena izy ireo.
Sambany teo amin'ny tantaran'ny fahaleovantenan'i Azerbaijan no nisy fikambanana media iray miatrika famoretana tanteraka vokatry ny asa fanakianana sy ireo fanadihadiana ataony. Toy ny hoe tsy ampy ny nisamborana anay, fa mamaly faty anay ry zareo amin'ny alàlan'ny fampitahorana ireo olona ao amin'ny fianakavianay sy ireo namanay, tsy asiana fanavahana. Na ireo izay nohelohiina noho ny heloka bevava henjana be aza tsy niatrika faneriterena tahaka izany. Matetika izahay no mandre avy amin'ny media hoe nihoana tamin'ny fianakaviany ny voampanga itsy na iroa, na niresaka an-telefaona tamin'ireo fianakaviana akaiky azy. Mandritra izany, toy ny olona alefa an-tsesitany no fomba itondràna anay, na ireny alefa amina “camp de concentration” ireny, ary saziana ary ampitahorina noho ny nataonay ny fianakavianay.
Ry zanako vavy malala, sitrako raha mba ho afaka nosoratako manokana ho anao irery ity taratasy ity. Saingy noheveriko ho zavadehibe kokoa ny mamoaka azy ho hitan'ny besinimaro satria zavadehibe amin'izao fotoana izao ilay izy, ary horaketina anaty tantara. Any aoriana, rehefa mamaky ity taratasy ity ianao, ho takatrao tsara kokoa hoe toy ny inona ireo fotoana maizina nodiavin'i Azerbaijan.
Izay aloha ny androany, ry zanako vavy.
Am-pitiavana be, Ulvi,
Febroary 2024
Ny 28 Febroary, nandritra ny fihaonana iray niarahany tamin'ny tale mpanatanteraky ny German Eastern Business Association, Michael Harms, dia nilaza ny filoha Ilham Aliyev, fa malahelo izy amin'ny fomba anehoana an'i Azerbaijan eny anivon'ireo media alemàna, ho toy ny “firenena iray tsy azo antoka ho an'ny fahalalahana, mpanagadra vahoaka noho ny fanehoankeviny, ary firenena iray mpanjakazaka fehezina mpanao jadona.” Vaovao diso ireny, hoy ilay filoha nanampy izany.
Kanefa ireo onjam-pisamborana* dia manome sary iray hafa. Azerbaijan dia voalahatra “ho tsy malalaka” ao anatin'ny tatitra “Freedom in the World” (Ny Fahalalahana Erantany) isantaona famoakan'ny Freedom House. Ao amin'ny tondro isantaona fanomeny momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny Reporters Without Borders  (RSF) dia nametraka ilay firenena ho eo amin'ny laharana faha-151 amin'ireo firenena 180, tamin'ny fanamarihana fa, “Nopotehan'ny filoha Ilham Aliyev izay rehetra endrika isehoan'ny fahamaroan-kevitra, ary hatramin'ny 2014, tsy nitsitsiany hery ny fikatsahana izay hanampenam-bava ireo mpanakiana sisa tavela.”
Niloa-bava ihany koa momba ireny fisamborana ireny ireo fikambanana hafa mpanaramaso ny resaka zon'olombelona sy ireo governemanta, ka ny Amnesty International nilaza fa “mampanahy be azy ireo manokana” ny momba ilay fisamborana, ary ireo vondrona mpanao gazety iraisampirenana hafa mitaky ny hamotsorana ireo olona nalefa any am-ponja tamin'ny fomba tsy ara-dalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.