Fikatsaham-bahaolan'ny fampiharana Dase hiadiana amin'ny jono tsy ara-dalàna

Mpanjono mianatra ny fomba fampiasana ny fampiharana Dase. Saripikan'ny EJF, nahazoana alalana.

Rehefa mihamaizina ny andro, sedran'ny fifanenana nampikorontana tamin'ny sambo mpitarika harato ny sambo iray .

Mandrahona mandrangaranga ny basin'izy ireo tamin'ny sambonay ny mpiasa miaramila ankatoavin'ny fanjakana tao anaty sambo mpitarika harato. “Nanangana haingana ny tananay mitolo-batana izahay, mihiaka mafy fa tsy piraty izahay, fa vondrona mpanao fisafoana sy manara-maso ny vondrom-piarahamonina”, hoy i Stephen Zacheus Nodem, filohan'ny Fikambanan'ny Mpanjono Moukko, nitantara ny zava-nitranga mampivarahontsana tao tamin'ny Fizarana An-dRanomasina Sanaga ao amorontsirak'i Moukko, Fari-dranomasina ao Kamerona.

“Rehefa lasa lavitra ny samboninay, dia tsikaritray nanary trondro maty tao anaty rano akaikin'ny morontsiraka ny ekipa tao anatin'ilay sambo mpitarika harato,” hoy ilay mpanjono.

Fandravahana ny fidirana antsokosoko ataon'ny sambo mpitarika harato sy ny fanjonoana manimba, tsy ara-dalàna sy tsy voatatitra ary tsy manaraka ny lalàna (IUU) eo akaikin'ny Faritra Arovana Douala-Edea Marine (MPAs-ang) ity tranga ity.

Fari-dranomasina Mouanko-Sanaga-Maritime. Saripikan'i Leocadia Bongben, nahazoana alalana.

Araka ny filazan'ny Global Voices, mampiseho ny fanadihadiana fa tsy vitany hoe mampiasa ny sainam-pamantarana hanafenana ny fomba fanjonoana IUU [mg] ireo sambo voasoratra anarana Vondrona Eoropeana, fa mitrandraka tafahoatra sy manondrana trondro kely avy any an-dranomasina lavitra morontsiraka ao amin'ny fari-dranon'i Kamerona [mg] ihany koa izy ireo.

Araka ny voasoritra ao amin'ny tatitra navoakan'ny Environmental Justice Foundation (EJF), mandrahona ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny olona miantehitra amin-dry zareo ny jono manimba (fanjonoana IUU). Asongadin'ny tatitra fa mandray anjara betsaka amin'izany ny jono madinika, mampiasa ny 90 isanjaton'ny olona tafiditra ao anatin'ny fihazana an-drano. Ankoatra izay,  manaisotra ny firenena amin'ny harenan'izy ireo an-dranomasina ny jono IUU sady manohintohina ny ezaka hampateza ny fitantanana jono .

Hampitsaharana ny fahasimban'ny zava-mananaina amoron-dranomasina,  nametraka ny Faritra Arovana An-dranomasina (MPAs) tamin'ny taona 2018 i Kamerona. Na dia teo aza izany fandraisana andraikitra izany, dia nanamarika ny manam-pahaizana fa tsy mitsaha-mitombo ny fidiran'ny sambo mpitarika harato an-tsokosoko ao amin'ny MPA, ka miteraka ny faharavan'isan'ny  trondro, toeram-ponenana an-dranomasina ary ny fitaovan'ny mpanjono madinika. Tsy vitan'ny hoe manohintohina ny fiveloman'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana izany fa mampidi-doza ny tontolo iainana amorontsiraka manontolo.

Ny fahafahan'ny minisitera Kameroney manara-maso ny sehatrasa, anisan'izany ny Fiompiana sy ny jono, mbamin'ny ala sy ny bibidia, dia voafetra be amin'ny fahafahany mandràra sy manakana amin'ny fomba mahomby ireo sambo mpanjono matanjaka (indostrialy) tsy hiditra ao amin'ireo faritra arovana ireo.

Manoloana izany dia miara-miasa amin’ny governemanta ny EJF amin’ny fanomezana fanampiana amin’ny fanaraha-maso ataon’ny vondrom-piarahamonina, mikendry hisoroka ny asa fanjonoana tsy ara-dalàna, indrindra ny fidirana an-tsokosoko ataon’ireo sambo mpitarika harato, ao anatin’ny faritra arovana an-dranomasina ao amin’ny Valan-javaboarim-Pirenena Douala-Edéa.

Amin'ny famatsiam-bola avy amin'ny Ocean 5, natomboka tamin'ny taona 2022 ny tetikasa telo taona mifantoka amin'ny MPAs mahomby sy ny fiadiana amin'ny sambo mpanjono indostrialy tsy ara-dalàna any Kamerona. Miasa am-pivitrihana mba hametraka fanarahamaso ataon'ny fiarahamonina ny EJF, amin'ny fiaraha-miasa amin'ny Ministeran'ny Ala sy ny Biby sy ny Cameroon Wildlife Conservation Society (CWCS). Nisy ny tetikasa fanampiny nanampy ny governemanta hanova ny lalàna mba hampiditra fepetram-piarahamiasa fanarahamaso.

Fampiharana Dase Cameroon handraketana ny fanjonoana manimba

Mba hanamafisana ny fisavana sy ny ezaka fanaraha-maso ataon'ny fiarahamonina, nampiditra ny fampiharana Dase Cameroon ny EJF tamin'ny faramparan'ny taona 2023. Ny anarana Dase dia midika hoe porofo, ary avy amin'ny fitenim-paritra Fante ampiasaina any Ghana, izay nanombohana voalohany ny fampiharana.

Ny Dase dia fampiharana finday novolavolaina sy nokarakarain'ny EJF, ahafahan'ny mpisera maka sary na horonan-tsary ara-potoana ho porofo momba ny fanjonoana IUU, tsy ijerena fifandraisana aterineto.

Fampiharana Dase Cameroon. Saripikan'ny EJF, nahazoana alalana.

Manazava ny fomba fampiasa, nilaza i Steve Trent, talen'ny EJF hoe: “Mila manokatra ny fampiharana Dase amin'ny sehatra rindrambaiko Collect fotsiny ny mpisera, maka ny sarin'ilay sambo miaraka amin'ny anarany na ny nomerao famantarana hita maso, ary mandrakitra ny toerana rehefa mahita sambo manimba lakana, fitaovam-panjonoana, na manao fanjonoana tsy ara-dalàna. Mampandeha ho azy ny dingana amin'ny alalan'ny fandefasana ny tatitra any amin'ny tahiry foibe avy eo ny rindrambaiko, mandrisika ny manampahefana hanao fisamborana na hampihatra sazy ho an'ireo nahavanon-doza.”

Nampiany ihany koa fa namboarina hifanaraka amin'ny fepetra takiana eo an-toerana ny rindrambaiko, ka ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mpanjono handray fepetra mavitrika amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny loharanon-karenany iankinan'ny aina. Nanome fiofanana feno momba ny fampiasana sy fiarovana ny fampiharana ny EJF mialoha ny nandefasana azy ho an'ny mpanjono, nampian'ny fampianarana teo aloha momba ny fiarovana an-dranomasina sy ny vonjy voina voalohany. Fanampin'izany, nizara akanjo fiarovan-tena, akanjo fanavotan'aina, masolavitra, ary kitapo tsy laitran-drano nandritra ny fizarana ny fikambanana mba hiarovana ny findain'ny mpanjono.

Mpanjono mandray fiofanana momba ny vonjy voina voalohany sy ny fiarovana eny an-dranomasina. Saripikan'ny EJF, nahazoana alalana.

Naneho fankasitrahana ny fampiharana Dase i Orimisan Omoruy, lehiben’ny fikambanan’ny mpanjono ao Mbiako, ka nilaza fa “Ny fahalalana sy ny traikefa no hanampy anay hitatitra (hitory) ny fidirana antsokosoko ataon'ny sambo mpitarika harato ary hanampy amin’ny fiarovana ny loharanon-karenanay sy ny fivelomanay ary koa ny fitaovam-panjonoana”.

Miaiky ny fiantraikan'ny fahalalana azo, nanamarika i Eitel Pandong, mpiambina ny Valan-javaboarim-pirenena Douala-Edéa hoe: “Amin'ny fahalalana azonay, mino aho fa ho afaka hanamafy ny ezaka fanarahamaso ataontsika isika mba hahitana sy hanakanana ny jono IUU sy ireo hetsika tsy ara-dalàna hafa ao amin'ny valan-javaboary Douala-Edéa.” Nohamafisiny fa ilaina ny fampitomboana ny fahafaha-miasa mba hahomby kokoa.

Nanentana ny EJF ihany koa ireo mpanjono mba hanara-maso ny vaovao omen’izy ireo ary nangataka fanampiana tamin’ny EJF amin’ny famerenana ireo fitaovana nosimbain'ireo sambo mpitarika harato.

Voaporofo fa mahomby amin'ny ady amin'ny jono IUU any Ghana, Liberia, ary Sénégal ny fampiharana Dase, izay nahitana mpanjono madinika maromaro sy manampahefana eo an-toerana nivondrona hiady amin'ny jono IUU.

Mba hamongorana ny jono IUU, tsy maintsy manohana ny asa fototra amin'ny fampiharana ary miara-miasa amin'ny governemanta sy ireo mpiara-miombon'antoka hafa ny manampahefana eo an-toerana. Manoloana izany, nanao sonia antontan-taratasy manangana ny vaomiera ifarimbonana voalohany indrindra hanara-maso ny jono IUU i Cyrille Yvan Abondo, lehibem-pitsinjaran'asa Sanaga-Maritime tamin'ny 20 Oktobra 2023.

EJF is also a founding member of the Coalition for Fisheries Transparency and has educated journalists in Cameroon to cover fisheries-related stories. As part of this alliance, the foundation supports the Global Charter for Transparency, endorsed by Steve Trent, as a collection of feasible, cost-effective measures to bring fisheries into the open and ensure a healthy, safe ocean.

Mpikambana mpanorina ny Vondrona ho an'ny Fangaraharahan'ny Jono (Coalition for Transparency Fisheries) ihany koa ny EJF ary nanofana ireo mpanao gazety ao Kamerona mba hitatitra ireo tantara mifandraika amin'ny jono. Ao anatin'izany fiaraha-mientana izany, manohana ny Sata Manerantany ho an'ny Mangarahara, notohanan'i Steve Trent ny Fikambanana, ho fitambarana fepetra azo tanterahina sy ahazoana tombony mba hanalalahana ny jono sy hiantohana ny ranomasina salama sy azo antoka.

Tsara homarihina ihany koa fa nanampy an'i Kamerona tamin'ny fanavaozana ny lalàna efa lany daty tamin'ny taona 1994 momba ny fanjonoana ny EJF, ka nandray anjara tamin'ny fepetra mikendry ny famerenany ny saina menan'ny Vondrona Eoropeana sy ny fandrarana ny vokatra jono avy any Kamerona tamin'ny taona 2023.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.