Ao anatin'ny fiarahana miasa amin'ny www.icicongo.net no nandraisan'ny Global Voices ity lahatsoratra ity. Ny lahatsoratra niaingàna voalohany dia afaka hita ao amin'ny tranonkala icicongo. Araka ny voalazan'ny mpanoratra, ny fandraisana indray ity lahatsoratra efa tamin'ny 2021 ity dia ho fiantsoana ireo tomponandraikitra hijery ny fanarenana ireo làlana, ao anatin'izao fotoana andalovan'i RDC fanavaozana ireo filohana andrim-panjakàna ao aminy izao, satria tsy nisy fiovàna ny zavamisy momba ireny làlana ireny.
Marobe ireo làlana any atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC) no anaty fahasimbàna tanteraka. Ny môtô no hany sisa ahafahan'ny vahoaka mifamezivezy amin'ireny làlana ireny. Mivala-ketraka ny fiara manoloana ny loza mitatao mety hamoizana ny zava-drehetra: ny fotoana sy ny fitaovana.
Tamin'ny May sy Jona 2021, tsy dia nisy orana tao RDC. Ora dimy latsaka ireo môtô dia efa mahafaka ny làlana 100 km manasaraka an'i Butembo amin'i Mangurejipa, ao amin'ny faritanin'i Kivu-Avaratra, any atsinanan'i RDC. Ora maro fisedrana eny amin'ireny làlana ireny, matetika miolankolana, izay mamakivaky tendrombohitra sy mitety ny tanàna famahàran'ireo vondrona mitam-piadiana. Mifanena aminao eny ireo reny mitondra entana eny an-damosiny ary zazakaley mihantona eny an-tendany; ireo mpitondra môtô mitatitra vokatra fihinana mavesatra be dia be miainga any am-bohitra mamonjy ny tanàndehibe.
Vakio : Iza ireo mpihoko ao anatin'ny “Mouvement du 23 mars” (M23) ao atsinanan'i RDC?
Mila mahay mamily tsara ilay fitaovana ianao, miaraka amina entana mihoatra ny 400 kg mandritra ny ora dimy mahery eny amin'ireo làlana tapatapaka voahelingelin'ny fotaka, lavaka be na tetezana simba. Mpamily fiara iray nahita ny namany eny ambony môtô miaraka amina vesatra mihoatra ny 300 kg no nihoraka hoe:
Ny hatsembohan'ny tavany no hihinanan'nyolona….vaolombelon'izany ity asa ity.
Amin'ny ampahany maro dia ireny môtô ireny izao no mpamatsy sakafo tanàna marobe, isan'izany ny : ao Kivu-Avaratra, ao Ituri, Tshopo ary any atsinanan'i RDC.
Manomboka amin'ny vovo-mangahazo ka hatramin'ny trondro,mandalo amin'ireo legioma, menaka voanio, vary, ovy, poarao, ny ankamaroan'ireny vokatra ireny dia môtô no ahatongavany any amin'ireo tanàndehibe. Louange Kasoki, vehivavy iray mpivarotra trondro ao an-tsenaben'i Butembo no mijoro ho vavolombelona:
Raha te-hitondra trondro vaovao amin'ny alàlan'ny fiara ianao, dia hiditra fatiantoka satria iray andro izany vao ho vita, nefa ora vitsy no andehanan'ny môtô eo anelanelan'ny Farihy Edouard ( 120km miala ny tanàna) sy ny tanàndehibe.
Mandritra ny vanimpotoana maintany, tena ilaina be ireo mpitondra môtô amin'ny fitaterana sakafo. Kakule Jérôme, mpitatitra Sombé (ravi-mangahazo) eny amin'ny làlana mampitohy an'i Butembo sy Muhangi, 40 Km, no manazava :
Tsy mora araka ny ieritreretana azy saingy ny zavadehibe dia ny hoe tonga haingana araka izay tratra, raha tsy izay dia ho lo daholo ny entana.
Eny, tsy maintsy jerentsika ny fomba firohotan'ireo vehivavy manodidina ireny mpivarotra niforona tampotampoka ireny.
Sady mpitondra môtô no lasa mpivarotra tampotampoka
Marobe ireo mpitondra môtô mitatitra sakafo no manao izany koa amin'ny anaran'ny tenany amin'ny maha-mpiantoka azy. Mividy any am-bohitra ry zareo ary miverina eo an-tanàna mivarotra ireo vokatra fihinana. Mijoro ho vavolombelona i Ezra Sahika, mpamily:
Ahazoana tombony kokoa noho ny mitaredretra eny amin'ireo làlana feno vovoka ao an-tanàna. Mahazo betsaka kokoa amin'io, ankoatra izay, ny hariva, afaka mody no sady mitondra olona.
Ny sasany indray manararaotra io elanelana mampididoza io mba hidirana amin'ny famarotana môtô izay ampiasain-dry zareo ho fitaovana fitaterana entana ihany koa. Manao izany ho fandraharahàny ahazoany volabe i Kamunyanane Fiston. Manamafy izy :
Mividy môtô iray efa niasa eto Butembo aho amin'ny vidiny 300$. ampiako entana, hatramin'ny 800 kg izay io môtô io ihany no hitaterako azy. Tonga any Wamba ao amin'ny faritanin'i Haut Uele ( 800 km eo ho eo miala an'i Butembo), sasàko ny môtô, soloiko ny diska ary amidiko 600 $ eo ho eo… na hody handeha an-tongotra aza aho… Jereo ny tombombarotra… indrindra fa ho an'ny fitaterana mandeha amin'ny kilôgrama, 5 na 6 $ no aloa amiko. Araka izany, ataovy ny fampitomboana ho ana 800 kg. Mila fotsiny hery sy fiaretana».
Tsy hoe tsy mitera-doza ho an'ireny mpitatitra ireny anefa ny dia. Mandritra ny dian-dry zareo, matetika ry zareo no takiana vola eny amin'ireo toeram-piampitàna na noho ny ataon'ireo jiolahy. Malahelo i Paluku Kisalya, mpitatitra sakafo :
Mandreraka be ny havesatr'ireo entana eny amin'ireny làlana tsy natao hizorana ireny. Nefa mbola marobe ny sàkana, ny fanorisorenana ary ireo miaramila eny amin'ny làlanay izy mikiky ny tombony azonay, fa dia iainana izany.
Eny amin'ireny làlana ireny, tena zara raha misy na sarotra ny hifanenàna amina fiara iray mbola afaka mikisaka satria samy simbain'ireny làlana ireny ny saina sy ny fitaovana. Tsy maintsy manam-paharetana, saina mafy mba hiatrehana ireny làlana ireny.
Fiara efa amoron-tevana
Velona ahiahy momba ilay toedraharaha ny “association des loueurs des véhicules et des transporteurs du Congo ( ALOVETRACO) – fikambanana iarahan'ireo mpampanofa fiara sy mpitatitra ao Kôngô. Mitaraina i Kavugho Mukirania, sekretera maharitr'ilay fikambanana:
Ireo tompona fiara tsy manome azy ireny intsony ho an'ireo mpikambana ato aminay noho ny tahotra hoe hotazonin-dry zareo ela any ny fiara.
Raha ny momba an'i Kanduki Fiston indray izay mpamily mihitsy no asany, aleony mamela ny fiarany ao anaty garazy toy izay hamoy tanteraka azy any amin'ireo làlana tsy fanao ianao. Marihany fa :
In-dimy nanova “lame” tamin'ny kamiaoko aho alohan'ny hahatongavako eto Butembo. Ho an'ny namako, ny “châssis” no tsy nahatanty. Tsy ho averiko velively amin'io làlana io ny fiarako raha mbola hijanona ho toy izao ny toedraharaha.
Tena iankinan'ny aina araka izany ny anjara toeran'ny môtô na goavana aza ny loza mitatao. Izany tokoa, raha misolifatra sy mianjera miaraka amin'ny môtô entiny ilay mpitatitra, dia mila olona 10 na 15 raha kely indrindra hanarina azy. Amin'io tranga io, tonga ho azy ny firaisankina. Paluku Kasimba, izay nanatrika fianjerana mpitondra môtô iray niaraka tamin'ny entana nentiny no manazava :
Raha atambatra ireo entana eo ambonina môtô dimy na enina, dia afaka mahafeno kamiao iray manana fahafahana hitatitra 8 na 10 taonina. Ankoatra izay dia nampanontany tena ahy mandrakariva ny mety ho fiainana amin'izao fotoana izao ety amin'ireo tanàndehibenay raha tsy teo ireny môtô ireny. Miaraka amin'ireo làlana tena simba be, tsy hahita mihitsy aho olona handeha hitsapatsapa hitondra ny fiarany aty. Mila hajaintsika ireny mpitatitra ireny.