
Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube-n'ny Tv5monde
Iray volana latsaka sisa ny ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC) dia hanao fifidianana ben'ny tanàna, voalahatra hatao ny 20 Desambra 2023 anatina toedraharaham-piarovana miavaka. Eny tokoa, mandalo krizim-piarovana miteraka krizy amin'ny maha-olombelona ny any atsinanan'ilay firenena. Efa niditra anaty fampielezankevitra ho an'ny fifidianana ny maro amin'ireo kandidà sy antoko pôlitika, miparitaka indrindra indrindra any anatin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra sy ny tambajotra sôsialy. RDC dia iray amin'ireo firenena afrikàna goavana manana vahoaka mihoatra ny 103 tapitrisa.
Mba hahafantarana misimisy kokoa, vakio ny : Les préparatifs pour les élections générales continuent malgré l'insécurité grandissante en RDC [fr]
Na izany aza, mbola lavitra izany hoe gazety halalaka izany: ho an'ny 2023, ny fanomezana laharana avy amin'ny Reporters sans frontières (RSF) dia mametraka ilay firenena ho faha-124 amin'ireo firenena 180. Ahitàna media marobe anefa ny tontolon'ny media. Araka ny RSF, misy fahitalavitra 177 , tobin'onjampeo 4 000, gazety 540 ary 36 ireo media an-tambajotra. Ireny media rehetra ireny dia mpanao gazety matianina miisa 7.000 mahery no mampiaina azy.
Ireo loharano avy ao an-toerana
Ao RDC, ny Radiotélévision nationale congolaise (RTNC) no vondrona mpanao gazety ôfisialy ao amin'ny firenena. Ao amin'ny “X” (Twitter fahiny), ny RTNC dia manana mpanjohy maherin'ny 33.900. Ankoatra ny RTNC, ny Radio Okapi, najoron'ny Firenena Mikambana sy ny onjampeo Top Congo, noho ny fahafahany mandrakotra lavitra ny faritry ny firenena dia media mahazatra be mpanaraka manerana ilay firenena. Ankoatra ny Top Congo izay heno amin'ny fiteny lingala sy frantsay, ny tsirairay amin'iretsy roa hafa dia mandefa amina fiteny efatra nasiônaly ao amin'ny firenena (lingala, swahili, kikongo ary ny tshiluba) ankoatra ny fiteny frantsay izay fiteny ôfisialy, ampiasain'olona mihoatra ny 50% amin'ireo vahoakany.
Fa amin'izao vanim-potoanan'ny nomerika izao, ireo media an-tambajotra no tena malaza ary tsy misalasala manolotra zoro marobe hikirakirana ny vaovao. Tamin'ny 2022, navoakan'ny fanomezana laharana ireo media an-tambajotra tena fanaraky ny olona fa ny 7sur7.cd izay mitàna ny lohany miaraka amin'ireo mpanjohy azy miisa 888 900 ao amin'ny Twitter no tranonkala tena misongadina ao amin'ny firenena. Manaraka azy akaiky eo ny tranonkalam-baovao Politico.cd izay mampiasa ny fikirakiràna vaovao pôlitika ho soavaly fitondra miady. Manana mpamandrika miisa 750.4oo ao amin'ny twitter ilay gazety an-tambajotra.
Ny tranonkala Actualite.cd izay manana mpanjohy mihoatra ny 697 900 ao amin'ny twitter, dia misehatra amin'ny famokarana lahatsary, podcast ary lahatsoratra miresaka ankapoben-javatra ao amin'ny firenena. Eo ihany koa ny Voiceofcongo manana mpanjohy mihoatra ny 328.500 ao amin'ny twitter sy ny Zoom-eco manana mpamandrika mihoatra ny 84.100 ao amin'ny twitter.
Vakio ny : IciCongo: Sarin'ny mpampita vaovao an-tserasera iray te- « hitantara an'i Kôngô amin'ny fomba hafa [mg] »
Mavitrika kokoa ireny gazety an-tambajotra ireny ao anatin'izao vanim-potoam-pifidianana izao. Ao RDC, tamin'ny fiandohan'ny 2023 dia nahatratra 22,9 % ny taham-pidirana aterineto.
Fandrakofana iraisampirenena
RDC koa dia ifantohan'ny mason'ireo gazetim-paritra marobe sy iraisampirenena, eo ny lanjany, ny harena ankibon'ny tany ao aminy, ny ady hanana dindo ifanaovan'i Etazonia sy Shina ary Eorôpa ao amin'ilay firenena. Araka izany dia tsy tara ireo mediam-paritra amin'ny fandrakofana ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana, toy ny Jeune Afrique, le360afrique, na ny sampana amin'ny fiteny frantsay ao amin'ny africanews. Miresaka izany ihany koa ireo media iraisampirenena: ny fantsona frantsay France 24, ilay media belza Radio Télévision Belge Francophone (RTBF), ny gazetiboky Afrique XXI ihany koa izay manana ny foibeny ao Parisy ary mamokatra ireo antontan-kevitra sy fandalinana mahakasika lohahevitra maro, toy ny pôlitika, ny ady ao RDC.
Toy izany koa, ny fantsona frantsay Tv5monde dia nanolotra fanadihadiana momba ireo olan'ny fifidianana, niarahany tamin'i Martin Fayulu, filohan'ny antoko ECiDé ary kandidà ho filoham-pirenena :
Zavatra toy izany ihany koa no nataony niaraka tamin'i Dr Denis Mukwege, kandidà ihany koa ho filoham-pirenena. Eto, izy dia manolotra ny fandaharanasa pôlitikany ho an'ny latsabato hatao ny 20 Desambra 2023. :
Ireo sampana miteny frantsay amin'ireo media avy amin'ny firenena mampiasa sy miteny anglisy, toy ny Voice of America (VOA Afrique), sy ny sampan'ny BBC Afrique, dia manolotra ihany koa ireo lohahevitra mahakasika ny vaovao, sy fandaharana mahaliana momba an'i RDC.
Ary ahoana ireo medià sôsialy?
Olomalaza kôngôley marobe tena mavitrika ao amin'ny tambajotra sôsialy no mizara ny fomba fijerin-dry zareo momba ny vaovao pôlitika avy ao RDC. Ohatra: Gloria Sengha, mpikatroka ho an'ny zon'olombelona sady feminista; Peter Tiani (manana mpanjohy mihoatra ny 186.400 ao amin'ny twitter), mpanao gazety na i Pascal Malegwa (manana mpanjohy mihoatra ny 172.900 ao amin'ny twitter), mpanao gazety solontenan'ny Radio France Internationale sy ny FRANCE24 ao RDC izay anisan'ireo feo mahara-baovao kokoa.
Amin'ireo pôlitisiàna na kandidà ho filoham-pirenena, mitondra ny feon'ny vaovao kôngôley ihany koa ry Moise Katumbi, Denis Mukwege, Martin Fayulu.