Sisintany Nomerika: Manararaotra ny teknôlôjia avo lenta mba hanovàna ireo fitondrantena sôsialy manerana ny kaontinanta

Hetsika iray anjorony momba ny fampitàna ny ambana,  CPHIA 2023 niarahana tamin'ny Dr. Jean Kaseya, Tale Jeneralin'ny (ivontoerana) ao Afrika misahana ny Fanarahamaso sy Fisorohana ny Aretina (Africa CDC), sy ny Prof Margaret Gyapong, mpiara-mitantana ny CPHIA 2023 (ankavian'ny Dr. Kaseya), ary i Hon. Sylvia Masebo, minisitry ny fahasalamàna ao Zambia (ankavanan'ny Dr. Kaseya). Saripika an'i Cecelia Maundu, fampiasàna nahazoana alàlana.

Ao anatin'ny tontolo iray vao mainka miha-mifandray betsaka kokoa, tsy azo lavina ny lanjan'ny teknôlôjia ho entina mitondra fiovàna miabo amin'ny fitondrantena sôsialy manerana ny tany.  Afrika, na dia tratra aoriana tamin'ny fidirana tamin'ny nomerika aza, dia nahitàna taham-pidirana nalaky be tamin'ny sehatry ny teknôlôjia. Ny angondrakitra vao haingana momba ny fidirana amin'ny aterineto sy ny kaonferansa iray nifantoka tamin'ireo zavabita sy ny fanavaozana ny sehatry ny fahasalamana ho an'ny daholobe dia manasongadina ny lanja mavesatry ny teknôlôjia ao amin'ilay tanibe. Ny Kaonferansa Erantany andiany faha-3 momba ny fahasalamam-bahoaka ao Afrika (CPHIA 2023), dia natao tao Lusaka, Zambia ary nafantoka tamin'ny fanomànana ireo vondrom-piarahamonina manoloana izay valanaretina hoavy, miaraka amin'ny firotsahana an-tsehatry ny vondrom-piarahamonina sy ny rafitra fanovàna ny fitondrantena sôsialy.

Ny fiampitàna ny sisintany nomerika dia mampiseho ny endriny marolafy, mitety sehatra isankarazany sy misy fiantraikany tamin'ny fomba maro tamin'ireo fiovàna fitondrantena.

Ny tanjaky ny Artificial Intelligence (AI) amin'ny fiovàn'ny fitondrantena sôsialy

Nipoitra ho toy ny hery goavana ny Artificial intelligence (AI) tamin'ny fandrafetana ny toetsaina sy fitondrantena ara-piarahamonina. Amin'ny fitrandrahana ireo algoritman'ny milina fianarana, azon'ny AI atao ny mamakafaka angondrakitra midadasika, mamantatra lamina sy manombana ireo fironana amin'ny hoavy. Porofoin'io fahaizamanao io ny hasarobidy manokan'ny fahalalana ny olombelona sy ny fampifanarahana ireo firotsahana an-tsehatra mba hisiana fiovàna miabo. Mba hananany fahalalana momba ny fitondrantenan'ny olona, haminavinàna ny fironana ary handrafetana firotsahana an-tsehatra mikendry lasibatra voafaritra mialoha, dia mampiasa tsikelikely ny AI ireo fikambanana sy hetsika.

Tao amin'ilay kaonferansa CPHIA 2023, noderain'ny Africa Centre for Disease Control and Prevention (Africa CDC) ny fahombiazan'ireo hetsika atosiky ny AI, miharihary any anatin'ny fanarahamaso eo noho eo mahomby amin'ny fanarahamaso ireo areti-mifindra.
Nitàna anjara toerana lehibe ireny fandraisana andraikitra ireny tamin'ny fitarihan-dàlana ireo firotsahana an-tsehatra sy tamin'ny fanangànana fahaizamanao tanaty fomba fijery Big Data ho an'ny faminavinàna, fandalinana ary fisorohana. Indrindra indrindra, nandritra ny valanaretina COVID-19, ireo rafitra fanarahamaso dia voarindra hihetsika tamin'ny fomba mangarahara, na dia tany amin'ireo tany lavitra aza, mampiseho ny fahazai-mifanaraka sy ny fiantraikan'ireny teknôlôjia revôlisiônera ireny.

“Mety tena hanampy antsika ny AI mba ho lasa kinga kokoa ary hamakafaka haingana kokoa ireny angondrakitra ireny hahafahantsika mandrindra ny firotsahantsika an-tsehatra,” hoy i Sylvia Masebo, minisitry ny fahasalamàna ao amin'ny Repoblikan'i Zambia.

Ny media sôsialy ho toy ny fanoitram-piovàna

Nanome sehatra navitrika ho fampiroboroboana ny fiovana fitondrantena ny dindon'ny media sôsialy izay saika hita eny rehetra eny.  Ny fahafahana miampita sisintany jeôgrafika dia ananan'ireo fanentanana sy hetsika izay nitrandraka ny fahafahana manatratra sy mampandray anjara ireo sehatra toy ny Facebook, X ( Twitter fahiny), ary ny Instagram. Ny media sôsialy dia ahafahana mampiely malaky ireo torohay, ny fanetsehana vondrom-piarahamonina ary ny fanelezana ny feo mba hisian'ny fiovàna mankany amin'ny tsara eny anivon'ny fiarahamonina.

“Iarahanay miasa ireo rafitra ara-pahasalamana efa amperiny mba hizaràna torohay amin'ny alàlan'ny fampiasàna ny media sôsialy,  fa hitohy hiroso izahay, tsy hoe fotsiny hizaràna torohay, fa koa hanarahana maso ny zavatra mitranga eny anaty media sôsialy.  Araka izany dia mampihatra ny fihainoana ny media sôsialy izahay ary mampiasa ireo apps toy ny CrowdTangle mba hanarahana maso ireo resaka eny anaty media sôsialy,” hoy ny Dr Jean Kaseya, tale jeneralin'ny Africa CDC.

Mihoatra noho ny fanentanana, fitaovana tena manandanja be  ireo sehatry ny media sôsialy, ahafahan'ireo mpikatroka mampiely ny feon-dry zareo sy mifandray amin'izao tontolo izao. Amin'ny fampiasàna ireo sehatra toy ny X, mikarakara hetsipanoherana ireo mpikatroka, araka ny ohatra nasehon'ireo hetsipanoherana 2019 tany Hong Kong niaraka tamin'ny tenifototra #antiELAB nanaovana ny fandrindràna teo noho eo. Ireo ezaka fikajiana ny tontolo iainana, araka izay hita iarahana amin'ny Extinction Rebellion, dia mitrandraka ny X sy ny Facebook mba hanetsehana an'izao tontolo izao. Ny adisisika ho an'ny zon'olombelona, araka ny ohatra hita tamin'ny  hetsika #BlackLivesMatter ary ny fiantraikan'ny nampiasàny ilay tenifototra, dia mitatra mankany amin'ireo sehatra toy ny X sy ny Instagram, toerana ifampizaràn'ireo mpikatroka ny sary sy tantara, niteraka adihevitra erantany momba ny tsy rariny ara-tsôsialy.

Io hery itambarana io no ahafahan'ireny hetsika ireny miatrika ireo sakana nahazatra sy mitondra fiovàna miabo eny anaty fiarahamonina manerana izao tontolo izao. Ilay endriny eo noho eo ananan'ny media sôsialy dia manamora ny fanelezana haingana ireo torohay, mitondra mankamina fiovàna fitondrantena lehibe ho setrin'ireo fanentanana ara-tsôsialy ikendrena vondrona manokana.

Famakafakàna angondrakitra hitondra amin'ny fandraisana fanapahankevitra mazava

Ny famakafakàna angondrakitra dia toy ny hazondamosina ho an'ny fandraisana fanapahankevitra miainga avy amina porofo any anatin'ireo hetsika fanovàna fitondrantena. Amin'ny famakafakàna ireo antontan'angondrakitra midadasika, mahazo torohay sarobidy momba izay mampahomby ny firotsahana an-tsehatra ireo fikambanana, ahafahan-dry zareo mandamina tsara ny tetikadiny sy mitrandraka araka ny tokony ho izy ny fiantraikany. Ny fampidirana ny famakafakàna angondrakitra dia miantoka hoe tsara kendry ireo hetsika atao, azo refesina ary afaka ampivadiana amin'ny fihetsehana mivoatran'ny fitondrantena ara-tsôsialy.

“Ny teknôlôjia no mameno ny banga amin'ny resaka fahafahana miditra mahazo ireo tolotra ara-pahasalamana. Ny Digital Disease Surveillance, izay ny Africa CDC no nitarika azy tany amina firenena enina, dia mamokatra tondro fanarahamaso nomerika sy fàfana hijerena ireo aretina, mifototra amin'ireo media sôsialy sy ireo lohamilina, mba hanazavàna ireo fanarahamaso ny areti-mifindra ao amin'ilay tanibe,” hoy i Masebo.

Any anatin'ireo hetsika ho an'ny fiovàna fitondrantena anatin'ny sehatry ny fahasalamàna, fampianarana, tontolo iainana, rariny ara-tsôsialy sy ny toekarena, dia andry lehibe ho an'ny fandraisana fanahapankevitra miainga avy amina porofo ny famakafakàna angondrakitra. Ny Khan Academy dia manatsara ny traikefan-dry zareo amin'ny alàlan'ny famakafakàna, raha ny tetikasa Climate Change in the American Mind kosa indray manombana ireo fihetsiky ny olona manoloana ny fanentanana atao momba ny tontolo iainana. Ampiasain'ny Center for Policing Equity ireo famakafakàna mba handalinany ireo lasitra fanavakavahana any anatin'ny rariny araa-tsôsialy, ary ny hetsika Global Findex ataon'ny Banky Iraisampirenena dia mampiasa ny famakafakàna angondrakitra hanaovany ireo firotsahana an-tsehatra hampiroboroboana ny fomba fampiasambola tomponandraikitra sy ny fampiatiana ara-bola manerana izao tontolo izao.

Ity fomba fiasa marolafy ity dia manasongadina hoe hatraiza no ahafahan'ny famakafakàna manampy ireo fikambanana mba hitondra fiovàna miabo eny anaty fiarahamonina, amin'ny sehatra isankarazany.

Milomano anaty tontolon'ny etika

Ireo adihevitra tamin'ny kaonferansa CPHIA 2023 dia manasongadina ny lanjan'ny filomanosana ao anatin'ny tontolon'ny etika raha mitohy kosa mitàna anjara toerana fototra amin'ny fandrafetana fitondrantena ara-piarahamonina ny teknôlôjia. Ny fiheverana ara-etika, ao anatin'izany ny fiainana manokana, ny fiantohana ny mangarahara sy ny fiarovana ny angondrakitra, dia tena zava-dehibe mba hahazoana antoka fa hitondra fiovàna miabo eny amin'ny fiarahamoniuna ireo firotsahana an-tsehatra mampiasa ny teknôlôjia, tsy hisy vokadratsy tsy ampoizina.

Nohazavain'ny Dr. Kaseya :

…Fa mazava ho azy, tafiditra amin'izany izay rehetra tokony ho tafiditra amin'ny fahatakarana ny fitambaran'ireo olana momba ny fiainana manokana, ny maha-tsiambaratelo ny angondrakitra sy ny fiarovana manodidina azy ireny ary ny fomba ikarakarantsika azy. Ary avy eo dia tsy misy afa-tsy ny mamantatra fa na misy aza ireo tombontsoa amin'ny fitrandrahana io indostria io ho an'ny AI, tsy mbola manana foana isika, na manana fa rafi-pifehezana voafetra mifehy izay fomba azo ampiasàna ny AI. Ary, araka izany, noho ny tsy fisian'ireny karazana fepetra fifehezana ireny, ilaintsika ny mitandrina manoloana izay fomba hampidirantsika azy ireny.

Arakaraky any itrandrahantsika ny sisintany nomerika ananan'ny AI, ireo media sôsialy, ny famakafakàna ny angondrakitra ary ny aterineton'ireo kasinga, dia lasa mibaribary fa ireny teknôlôjia ireny, rehefa ampiasaina amin'ny fomba maha-tomponandraikitra, dia afaka mitondra fiovàna miabo eo amin'ny sehatra erantany. Ny firotsahana an-tsehatra ataon'ireo governemanta afrikàna, ireo fikambanana iraisampirenena ary ireo mpiara-mitan-tsoroka mba hanatsara ny vokatra amin'ny resaka fahasalamana, dia maneho hoavy iray mahavelom-bolo ahitàna taratra fa ny teknôlôjia dia hery iray mitondra fiovàna miabo eo amin'ny fiarahamonina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.