Ny fomba ataon'ireo tanora avy any ambanivohitr'i São Paulo hidirana amin'ny sehatra pôlitika

Mbola feno sakana ny fandraisana anjaran'ireo tanora amin'ny pôlitika| Sary: Magno Borges/Agência Mural

Lahatsoratra nosoratan'i Jacqueline Maria da Silva ary navoaka voalohany tamin'ny 17 Oktôbra 2023, tao amin'ny tranonkalan'ny Agência Mural. Lahatsoratra nasiam-panovàna no averin'ny Global Voices avoaka etoana.

Herintaona eo, Oktôbra 2024, dia hiverina hifidy ireo Breziliàna mandritra ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolotsaina. Ary misy vondrona iray afaka ny hitondra fanovàna: ireo tanora avy any ambanivohitra.

Efa mandray anjara izy ireo any anaty hetsibahoaka, antoko pôlitika ary ny fiarahamonina any amin'ny fokontany, ka manaporofo fa misy endrika maro ny fandraisana anjara ara-pôlitika, mifanohitra amin'izay sainina mahazatra, ary liana amin'ny fandraisana anjara amin'ireo adihevitra sy hetsika ho an'izay fandaharanasa eken'ny sainy.

Ny Agência Mural dia nitafa tamin'ireo tanora nandray anjara tamin'ny pôlitika avy any ivelan'ny faritra be mponina ao São Paulo mba hahafantarana izay andrandrain-dry zareo sy iriany momba ny pôlitika ao an-toerana.

Pôlitikan'antoko

Tamin'ilay fifidianana farany natao tamin'ny 2020, ny mpanolotsaina amin'izao fotoana izao ao an-tanànan'i Mogi das Cruzes, Maria Luiza Fernandes (Solidariedade), 23 taona, no iray amin'ireo tanora indrindra nahazo ny toerany ao amin'ny antenimiera monisipaly ao amin'ny fanjakan'i São Paulo.

Fantatra amin'ny anarana hoe Malu, nambarany fa ny fandreseny dia vokatry ny fandraisany anjara tamin'ny pôlitika hatrany amin'ny fahazazàny, izay nahatonga azy ho lasa resabe teny anivon'ny tanora iray tarika aminy tao an-tanàna.

“Ny taona 2019 aho no nanomboka nisaina ny olan'ny tanora tamin'ny pôlitika ary nanapaka hevitra hirotsaka hofidiana mba hahafahako mandray anjara ao [amin'ny antenimieran'i] Mogi, izay nisy mpanolotsaina niisa 23 tamin'izany fotoana izany, ka iray ihany no vehivavy. Tsy nisy tanora”, hoy i Maria.

Toedraharaha maneho ny zavamisy ao Grande São Paulo: tanàna 10 amin'ireo 39 ao amin'ny faritra metrôpolitàna ihany no nifidy ilay tanora 24 taona mba ho ao amin'ny parlemanta monisipaly ho an'ny 2020 hatramin'ny 2024.

Tsy mitovy ny zavamisy any anatin'ireo antoko. Ao an-tanànan'i São Paulo, latsaky ny 1% amin'ireo mpikambana no eo anelanelan'ny 16 (taona ambany indrindra hidirana anaty antoko sy ahafahana mifidy) sy 24 taona, araka ny angondrakitra avy amin'ny Agência Mural. Amin'ny ankapobeny dia 11% amin'izao fotoana izao no isan'ireo mpifidy ao an-drenivohitra.

Ny distrikan'i Pedreira, any atsimon'ny renivohitra, no manana isan'ny tanora be indrindra miditra anaty antoko pôlitika: 237. Manaraka azy eo i Parelheiros (186), mbola any atsimo ihany, ary Perus (174), any amin'ny faritra avaratra.

Mpanabe ara-tsôsialy Nica Gonçalves, 21 taona| Sary: Arquivo Pessoal/ fampiasàna nahazoana alàlana

Any no monina ilay mpanabe ara-tsôsialy, Nica Gonçalves, 21 taona, niaraka tamin'ny antoko ankavia nandritra ny roa taona. Nosafidiany ny tsy hanambara ny momba azy noho ny tahotra valifaty any am-piasàna. Tsy mihevitra ny hiditra amina asam-bahoaka (asam-panjakàna), nisoratra anarana i Nica mba handray anjara amin'ireo adihevitra momba ireo olana heveriny ho manandanja amin'ny tanora any ambanivohitra, toy ny ady amin'ny fanavakavahana sy ny politika mahakasika ny fahadiovana, olana roa tena andraisany anjara be amin'ireo hetsika ara-kolontsaina ao am-bohitra.

Tombanany fa ankoatra ireo antoko, ny fihetsehana amin'ny maha-mpampita hafatra sy mpanabe azy eny anivon'ny vondrom-piarahamonina ihany koa dia efa endrika fikatrohana, mametraka sy mitoroka ireo fanaintainana iainan'ny any ambanivohitra.

“Tsy misy dikany ny ‘miampita tetezana’ hanandrana hikaroka zavatra hafahafa kokoa ho an'ny tenako manokana, satria ny fikasàko dia ny hitoetra miaraka amin'ny vahoakako. Izay rehetra ataoko, dia ny fisainana ny faritra misy ahy, amin'ny lafiny pôlitika, satria pôlitika no mameno ny amiko”, hoy i Nica.

Rehefa niala avy amina tarika iray mpilalao teatra izy, izay nahatsapàny ny fisiana fanavakavahana ara-drafitra, dia nanapaka hevitra ny hitodika any amin'ireo fikambanana ara-kolontsaina tao avaratr'i  São Paulo, toy ny Batalha da Encruzilhada, Casa de Cultura da Brasilândia sy ireo fifanintsanana Slam.

Ny tsy fisian'ny solontenan'ireo tanora avy any ambanivohitra ihany koa no nanosika an'i Rafael Lucas Leonel Cyríaco, 25 taona, mpianatra momba ny literatiora, hanalavitra ireo hetsiky ny elatra havia niarahany fahiny mba hanangana ny Maloka Socialista, tamin'ny 2019, tany atsimon'i São Paulo renivohitra. Mifamatotra amin'ny PSOL (Partido Socialista e Liberdade) ilay fikambanana, izay efa telo taona no naha-mpikambana azy tao.

“Fandaharam-potoana mitsipotipotika no iasànay, toy ny fifidianana Filankevitra mpiahy, satria fantatray fa io dia habaka iray manandanja mila ipetrahanay. Iasànay ihany koa ireo resaka hafa fitazonan'aina, toy ny hoe maripamantarana, toy ny olan'ny maha-mainty hoditra, ny LGBT, ny vehivavy, ny mpiasa, ny lalàna momba ny kolontsaina ary ny Hip-Hop”, hoy i Rafael.

Olana goavana tafiditra amin'ny asa andavanandron'i Rafael ihany ko ny fiarovana sy fanomezan-danja ireo faritra manodidina. Mihaino ireo tanora hafa avy any amin'ny manodidina ihany koa izy ary, miaraka amin'ny tantaran'izy ireny, mandray anjara amin'ny famokarana podcast Memórias Quebradas izay noforoniny niaraka tamin'ireo mpianatra hafa avy any amin'ny Anjerimanontolon'i São Paulo (USP), toerana anovozany fahalalàna, mba hitondràna ireo adihevitra sy ny tantaran'ireo vohitra any amin'ny farany atsimo indrindra ao São Paulo.

Ny fanolorantenan'i Nica sy Leonel dia maneho fomba fitondra tena mahazatra eny anivon'ireo tanora avy amin'ny faritra ambanivohitra: mitazona toerana pôlitika, amina andrim-panjakana na tsia mba hanao adihevitra sy hitondra fahitàna ireo fandaharanasa arovan-dry zareo. Afaka ny ho iray amin'ireny toerana ireny ny tambajotra sôsialy.

“Afaka mamantatra ny filàna sy ny tombontsoa iraisan'ireo tanora ao Brezila ireo tanora. Azon'izy ireo atao ihany koa ny mandinika ireo pôlitikam-panjakana momba ny fampandrosoana ny toerana misy azy ireo sy manombana izay fomba hampifandanjàna ny trosa amin'io fanjakàna io”, hoy ny fanazavan'ilay mpahay siansa pôlitika, Rafael Araújo.

Rafael Lucas, 25 taona| Saripika: Arquivo Pessoal/Fampiasàna nahazoana alàlana

Politika, fa maninona ianao no ilaiko?

Iray amin'ireo fandrosoana azo notanterahana avy amin'ny hetsika pôlitikan'ny tanora ny fampiatiana ho anatin'ny faribolan'ny daholobe an'ireo adihevitra manan-tantara goavana ho an'ireo faritra ambanivohitra, toy ny pôlitika ahafahana miditra amin'ny resaka kolontsaina, fanabeazana ary ny asa.

“Iray amin'ireo fandaharanasa niravaka fahombiazana tena akaiky indrindra ny tolona fanoherana ny fanomezana ho an'ny tsy miankina ireo Tranoben'ny Kolontsaina, izay tena akaikin'ny fonay amin'ny maha-ambanivohitra anay. Iray tamin'ireo tolokevitry ny Sekretarian'ny Kolontsaina ao amin'ny Prefektioran'i São Paulo izany, izay natsahatra, taorian'ireo tsindry maro”, hoy ny tsiaron'i Rafael Lucas, mpianatra.

Adihevitra ataon'i Malu, mpanolotsaina, ihany koa ny momba ireo lohahevitra miantraika mivantana amin'ny fiainan'ny tanora, toy ny fampianarana, ny fitaterana, ny herisetra mifototra amin'ny miralenta, ny asa ary ny fampananana asa.

“Ho an'ireo mpianatra, tsy afaka namorona ny ‘tarif zero” [tsy fandoavana sarany amin'ny fitaterana] izahay noho ny tsy fisian'ny tetibola, saingy nankatoavinay io politika io tamin'ny andron'ny fanadinana Enem (fanadinana nasiônaly atao eny amin'ny lisea). Raha tsy nisy na tanora iray aza tao amin'ny antenimiera, tsy ho azo noeritreretina akory ny tetikasa tahàka izany” hoy izy.

Na teo aza ireny fandresena ireny, tsipihan'i Malu fa ny anjara asan'ny tanora ao amin'ny antenimiera dia mizotra mankany amin'ny fahasarotana. Ankoatra ny tolona ho amin'ny fanaovana lalàna sy ideôlôjia, dia mila porofoiny amin'ny fotoana rehetra ny fanànany fahaiza-mitantana, izay tsy misy ho an'ireo efa zokinjokiny, indrindra fa ny lehilahy. Heveriny anefa fa noho ny asany tao amin'ny antenimiera dia nandray anjara ry zareo tamin'ny fandravàna ireo fitsaratsaram-poana, natao tamin'ny tanora sy ny fahitàna bebe kokoa ny vehivavy.

“Zavatra marobe no nentiko niaraka tamiko, saingy manana ny fotoanany sy ny fomba fiasany ny fanjakana. Naniry hanolotra volavola iray aho, saingy tsy haiko hoe tokony nisy dingana narahako hanaovana izany”, hoy izy.

Ny firesahana tanora sy pôlitika, dia firesahana fanavaozana sy fanovàna hiteraka tombontsoa ho an'ny fiarahamonina. Tamin'ny 2022, ny TSE (Tribunal Superior Eleitoral) dia nanao fanentanana faobe teny anivon'ireo tanora 16 sy 17  taona mba hanana kara-pifidianana ara-potoana hahafahany mifidy. Nisy fiantraikany ilay fanentanana ka tanora 2,1 tapitrisa teo amin'io salan-taona io no afaka nifidy nandritra ireo fifidianana nantao ny 2022, izany hoe nitombo 51% miohatra amin'ny tamin'ny fifidianana tamin'ny 2018.

“Na izany aza anefa, iray amin'ireo fanamby atrehan'ny tanora ny tsy ho voaloton'ny fisainana mifikitra amin'ny nentindrazana sy ny fomba fiasan'ny pôlitika tranainy”, hoy ny fampitandreman'i Araújo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.