Ny trosan'i Shily ankehitriny amin'ireo lasibatry ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona

 Zavakanto an-dalambe ao Santiago, Shily, noforonina taorian'ny fitroarana ara-tsosialy tamin'ny volana Oktobra 2019. Mivaky toy izao “Tsy hilavo lefona eny an-dalambe izahay (fihetsiketsehana)”. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons CC BY-SA 4.0 DEED.

Tamin'ny 11 Septambra tamin'ity taona ity, nandritra ny faha-50 taonan'ny fanonganam-panjakana nihatra tamin'ny filoha sosialista Salvador Allende, Shiliana an'arivony no nanao diabe hahatsiaro ireo niharam-boina maherin'ny 40.000 izay notanana, nanjavona, nampijaliana ary novonoina nandritra ny 17 taona nanjakan'ny didy jadon'i Augusto Pinochet. Nametraka politikam-panjakana mamoritra i Pinochet, niditra tamin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona tamin'ny alalan'ireo andrim-panjakana efa misy sy ny hafa noforonina ho amin'izany fotsiny.

Niafara tamin'ny fifandonana maro teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana tao Santiago renivohitra ilay niatomboka tamin'ny fihetsiketsehana am-pilaminana. Tao ireo olona maromaro nitora-bato  ny Palacio de la Moneda, lapan'ny governemanta Shiliana, nandrava ny sakana ara-piarovana, ary nandrava ny fidirana ao amin'ny foibe ara-kolontsaina iray ao amin'ilay tranobe. Miharihary ny fihenjanana ao amin'ny firenena ka soritan'ny manam-pahaizana maro ho vaky, misaratsaraka ary voasarabazana.

Tsy azo ihodivirana fa taratry ny tranga mampalahelo hafa teo amin'ny tantaran'ny firenena ny zava-nitranga nandritra ity fahatsiarovana ity: ny fikomiana ara-tsosialy tamin'ny taona 2019 izay nanasongadina ireo olana ara-tsosialy sy ara-politika lalina maharitra ao Shily. Nivory ny mpianatry ny lisea sy ny anjerimanontolo tamin'ny 14 Oktobra 2019 mba hanesorana ny saran-dalan'ny metro ao Santiago ho fanoherana ny fiakaran'ny vidin'ny tapakila any amin'ny iray amin'ireo firenena manana vidim-piainana ambony indrindra ao amin'ny faritra. Saingy tendron'ny iceberg ihany io.

Araka ny fanamarihan'ilay Shiliana mpanao gazety Nicolás Lazo Jerez hoe:

Con el curso de las horas, quedó claro que el movimiento respondía a otros factores además de esta medida puntual porque aparecieron otra serie de demandas que reflejaban un sentimiento de descontento más profundo frente a las políticas de gobierno de los últimos treinta años. Parte de lo que motivó las protestas tiene que ver con la contradicción de hecha por los gobiernos de centro izquierda en 1990 de resolver deudas históricas respecto a la desigualdad con lo que efectivamente sucedió a lo largo de los años. Aunque algunas promesas fueron cumplidas, principalmente en materia de cobertura, los altos índices de desigualdad no solo no fueron resueltos, sino que se han profundizado.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia niharihary fa mihoatra ny fepetra manokana ny nahatonga ny hetsi-panoherana, satria nipoitra ny fitakiana vaovao, izay maneho ny tsy fahafaham-po lalina amin'ny politikan'ny governemanta nandritra ny telopolo taona. Anisan'ny antony nahatonga ny hetsi-panoherana ny tsy fisongadinan'ny governemanta afovoany ankavia tamin'ny taompolo 1990s namaha ireo olana ara-tantara momba ny tsy fitoviana raha oharina amin'ny fivoarana marina nandritra ny taona maro. Na dia efa tanteraka aza ny fampanantenana sasany, indrindra eo amin’ny lafiny fiahiana ara-tsosialy, tsy vitan’ny hoe tsy voavaha ny tahan’ny tsy fitoviana fa nihalalina.

Niteraka hetsi-panoherana faobe izany rehetra izany avy eo, ka niteraka onjam-pikorontanam-bahoaka sy herisetra nanerana ny firenena, nanery ny filoha Sebastián Piñera tamin'izany fotoana izany hanambara ny Fanjakana anaty hotakotaka sy ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina.

Voamariky ny fikomiana ara-tsosialy tamin'ny taona 2019  ihany koa ny fanitsakitsahana ny zon'olombelon‘ny mpanao fihetsiketsehana, anisan'izany ny fanararaotana ataon'ny manampahefana amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, ny fisamborana tsy ara-dalàna, ary ny trangan-kerisetran'ny polisy isan-karazany anisan'izany ny fandratràna sy ny famotehana maso. Araka ny voarakitra ao amin'ny Amnesty International, tombanana ho 8.000 ny olona niharan'ny fampiasan-kery tafahoatra.

Iray amin'ireo tranga misongadina indrindra ny an'i Fabiola Campillai, loholona ankehitriny, endrika manamarika ny fihetsiketsehana, izay lasa jamba sy tsy nahare fofona intsony noho ny fampiasan'ireo mpitandro filaminana (carabinier) bala firaka (plomb). Na dia voaheloka aza ny nahavanon-doza, araka ny fanamarihan’i Lazo Jerez, dia “betsaka ny tranga hafa tsy voasazy”.

Amin'izao fotoana izao, 46 isanjaton'ireo tranga ireo no voatahiry  noho ny tsy fahampian'ny porofo. Tsy nihatsara ny toe-draharaha tao anatin'ny taona vitsivitsy, na dia teo aza ny fanoloran-tena nataon'ny governemantan'ny Filoha Gabriel Boric hamaha ny olana ara-drafitra ao amin'ny rafi-piaraha-monina ara-toekarena Shiliana sy hirosoana mankany amin'ny fitoviana ara-tsosialy kokoa, ary ny antso maika hanatanteraka fanavaozana ny polisy.

Ohatra, ny Fanadihadiana Nasionaly momba ny Hevi-bahoaka natao tamin'ny volana Novambra 2022 dia nilaza fa ny 64 isanjaton'ireo natao fanadihadiana no mahatsapa ny toe-draharaha ara-politika ho ratsy na tena ratsy ary ny 55 isanjato dia milaza fa “mikatso” i Shily. Tahaka izany ihany, nahitana andiam-pihetsiketsehana tany amin'ny tanàna samihafa ao amin'ny firenena, toy ny ”mochilazo estudiantil” (hetsi-panoheran'ny mpianatra) tamin'ny volana Martsa 2023 mitaky fepetram-pampianarana tsaratsara kokoa.

Amin'ny ankapobeny, toa misy zavatra itovizana ny zava-nitranga taloha sy ankehitriny ao Shily: ny tsimatimanota izay manenika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny tsy fisian'ny antoka ho an'ireo niharam-boina. Marina indrindra izany raha ny amin’ny fitsarana tetezamita, toy ny fanazavana ireo fanararaotana natao nandritra ny fitondrana jadona sy ny fikomiana ara-tsosialy ary ny fepetra anonerana ireo habibiana mahery vaika ireo. Mbola tena saropady ho an’ny firenena ny fitadiavana ny rariny sy ny fahamarinana, izay efa nanomboka nanamarina ny famoretana nitranga nandritra ny fitondrana miaramila ny sehatra sasany.

Natsangana ny Fandaharam-potoana feno ho an'ny Fahamarinana, ny Rariny ary ny Fanonerana ireo niharam-boina izay lasibatry ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mba handrosoana amin'ny fanomezana onitra ireo niharam-boina taorian'ny fihetsiketsehana taona 2019. Misy ihany koa ny drafitra hamaritana ny toerana misy ireo olona maro nanjavona nandritra ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila, izay nahitana fandrosoana goavana, saingy araka ny filazan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona maromaro misolo tena ireo niharam-boina, dia tsy nahomby loatra tamin'ny fanatanterahana ny andraikiny.

Mbola manana trosa lehibe amin'ny lasa tokony hatrehina i Chile, ary tsy maintsy mifantoka amin'ny famahana ny fitakiana ara-tsosialy mitombo ihany koa izany. Amin’izao fotoana izao dia ilaina ny manontany, raha tsy voavaha ny teo aloha tamin’ny fitondrana jadona, ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy hiharan’izay manjo ny tahaka izany ireo niharan’ny fitroarana ara-tsosialy? Na dia tsy tsotra aza ny valiny, ho an'ny Shiliana sasany dia toa mbola lavitra ny fahafahana misaintsaina ireo lesona tavela sy ireo tolo-kevitry ny ho avy.

Namehy i Lazo Jerez :

Los esfuerzos para ejecutar un plan de rendición de cuentas por lo ocurrido durante el estallido social son bastante recientes; si aún no se pueden poner de acuerdo sobre algunas verdades sobre la dictadura que fue hace 50 años, qué puede esperarse del estallido. No existe demasiada voluntad política, entre otras razones porque un panorama con un fuerte reflujo conservador. Todas estas causas están muy postergadas, y ello también permea en el asunto relativo a la dictadura.

Somary vao haingana ny ezaka hamoaka drafi-tamberin'andraikitra tamin'izay nitranga nandritra ny fitroarana ara-tsosialy; raha mbola tsy afaka mifanaraka amin'ny fahamarinana sasany momba ny jadona 50 taona lasa izy ireo, inona no azo antenaina amin'ny fitroarana. Tsy dia misy finiavana ara-politika firy, ankoatra ny antony hafa noho ny panorama (endri-tany ankapobeny) amin'ny fanoheran'ny mpandala ny nentin-drazana mahery vaika. Efa ela ireo raharaha rehetra ireo, ary misy fiantraikany amin’ny resaka didy jadona ihany koa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.